< Ezekiyel 41 >

1 Sai mutumin ya kawo ni wuri mai tsarki da yake waje ya kuma auna madogaransa; fāɗin gefe-gefen kamu shida ne a kowane gefe.
Ary nentiny ho ao amin’ ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin’ ny lafiny iray; sakan’ ny trano-lay izany.
2 Faɗin ƙofar shiga kamu goma ne, fāɗin bangaye a kowane madogararta kamu biyar-biyar ne. Ya kuma auna wuri mai tsarkin da yake waje; tsawonsa kamu arba’in fāɗinsa kuma kamu ashirin.
Ary ny sakan’ ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin’ ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
3 Sa’an nan ya shiga wuri mai tsarki da yake can ciki ya auna madogarar ƙofar shigar; fāɗin kowanne kamu biyu ne. Faɗin ƙofar shigan kamu shida ne, fāɗin bangayen a kowane gefenta kamu bakwai-bakwai ne.
Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin’ ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan’ ny varavarana fito hakiho.
4 Ya kuma auna tsawon wuri mai tsarki da yake can ciki; tsawon kamu ashirin ne, fāɗinsa kuma kamu ashirin daga ƙurewa wuri mai tsarki da yake waje. Ya ce mini, “Wannan shi ne Wuri Mafi Tsarki.”
Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan’ ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masìna indrindra.
5 Sa’an nan ya auna bangon haikalin; kaurinsa kamu shida ne, kuma kowane ɗakin da yake a gefe kewaye da haikalin fāɗinsa kamu huɗu ne.
Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin’ ny rindrin’ ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan’ ny paosin-trano dia efatra hakiho.
6 Ɗakunan da suke gefe masu hawa uku ne, wani bisa wani, guda talatin a kowane hawa. Akwai katanga kewaye da bangayen haikalin don ta tokare ɗakunan, domin ba a so ɗakunan su jingina da bangon haikalin.
Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin’ ny rindrin-trano izay ho an’ ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin’ ny rindrin’ ny trano.
7 Faɗin ɗakunan da suke gefe kewaye da haikalin ya yi ta ƙaruwa daga hawa zuwa hawa. Ginin da aka yi kewaye da haikalin ya yi ta ƙaruwa daga hawa zuwa hawa, don haka ɗakunan suka yi ta ƙara fāɗi yayinda suka ƙara bisa. Akwai mataki daga ɗaki na ƙasa zuwa ɗaki na bisa ta hanya hawa ɗaki na tsakiya.
Ary ny sakan’ ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon’ ny ambony amin’ ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon’ ny an-tenatenany amin’ ny ambany.
8 Na ga cewa haikalin yana da ɗagaggen tushe kewaye da shi, wanda ya zama harsashin ɗakunan da suke gefe. Tsawonsa kara guda ne mai tsawon kamu shida.
Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan’ ny paosin-trano, dia eran’ ilay volotara hatramin’ ny ifanohizany.
9 Kaurin bangon waje na ɗakunan da suke gefe kamu biyar ne. Faɗin filin da yake tsakanin ɗakunan da suke gefen haikalin
Ny hatevin’ ny rindrina ivelany amin’ ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
10 da ɗakunan firistoci kamu ashirin ne kewaye da haikalin.
Ary ny teo anelanelan’ ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
11 Akwai ƙofofin shiga daga fili, ɗaya a arewa ɗaya kuma a kudu; fāɗin tushen da ya yi kusa da filin kamu biyar ne kewaye.
Ary ny varavaran’ ny paosin-trano dia mankao amin’ ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan’ ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
12 Faɗin ginin da yake fuskantar filin haikali a wajen yamma kamu saba’in ne. Kaurin bangon ginin kamu biyar ne kewaye, tsawonsa kuma kamu tasa’in ne.
Ary ny trano izay teo anoloan’ ilay kianja voatokana tamin’ ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin’ ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin’ ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
13 Sa’an nan ya auna haikalin; tsawonsa kamu ɗari ne, tsawon filin haikalin da ginin tare da bangayensa su ma kamu ɗari ne.
Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14 Faɗin filin haikalin a wajen gabas, haɗe da gaban haikalin, kamu ɗari ne.
Ary ny sakan’ ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15 Sa’an nan ya auna tsawon ginin da yake fuskantar filin a bayan haikalin, haɗe da rumfunansa a kowane gefe, kamu ɗari. Wuri mai tsarki da yake waje, wuri mai tsarki da yake can ciki da shirayin da yake fuskantar filin,
Dia norefesiny ny lavan’ ny trano teo anoloan’ ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin’ ny kianja
16 da madogaran ƙofa da matsattsun tagogi da rumfuna kewaye da su ukun, har da kome da yake gaba haɗe da madogarar ƙofa, an rufe su da katako. An rufe bangon haikalin daga ƙasa har zuwa tagogi, tagogin kuwa an rufe su.
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin’ izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin’ ny tany ka hatramin’ ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17 A filin da yake bisan ƙofar shiga na waje zuwa wuri mai tsarki na can ciki da kuma a bangayen da aka daidaita tsakani kewaye da wuri mai tsarki na can ciki da kuma na can waje
ary ny eo ambonin’ ny varavarana, na amin’ ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin’ ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin’ ny ohatra avokoa.
18 an zāna siffofin kerubobi da na itatuwan dabino. Zānen siffar itacen dabino yana a tsakanin kerub da kerub. Kowane kerub yana da fuska biyu,
Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin’ ny hazo rofia dia teo anelanelan’ ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
19 fuskar ɗaya kamar ta mutum tana fuskantar zānen siffar itacen dabino a wannan gefe, ɗaya fuskar kamar ta zaki tana fuskantar zānen siffar itacen dabino na wancan gefe. Haka aka zāna su dukan a jikin bangon haikalin kewaye.
ka ny tarehin’ olona no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
20 Daga ƙasa zuwa daurin ƙofa, an zāna siffofin kerubobi da na itatuwan dabino a waje na wuri mai tsarki.
Hatramin’ ny tany ka hatrany ambonin’ ny varavarana no nasiana sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin’ ny rindrin’ ny ati-trano lehibe.
21 Wuri mai tsarki da yake waje yana da madogarar ƙofa murabba’i, haka ma wadda take a gaban Wuri Mafi Tsarki.
Efa-joro ny tolan’ ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin’ ny fitoerana masìna dia nitovy tarehy tamin’ izany koa.
22 Akwai bagaden katako mai tsayi kamu uku, fāɗinsa kamu biyu da kuma tsawonsa kamu biyu; kusurwansa, tushensa da kuma gefe-gefensa duk katako ne. Sai mutumin ya ce mini, “Wannan shi ne tebur da yake a gaban Ubangiji.”
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’ i Jehovah.
23 A wuri mai tsarki da yake waje da kuma Wuri Mafi Tsarki suna da ƙofa biyu a haɗe.
Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masìna dia nisy lela-varavarana roa.
24 Kowace ƙofa tana da murfi biyu masu buɗewa ciki da waje.
Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin’ ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin’ ny anankiray.
25 A ƙofofin wuri mai tsarki da yake waje an zāna siffofin kerubobi da na itatuwan dabino kamar yadda aka zāna a bangayen, akwai kuma rumfar da aka yi da itace a gaban shirayin.
Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin’ ny varavaran’ ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin’ ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan’ ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
26 A bangayen da suke gefen shirayin akwai matsattsun tagogi da aka zāna siffar itatuwan dabino a kowane gefe. Gefe-gefen ɗakunan haikalin ma suna da rumfuna.
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin’ ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan’ ny lavarangana fidirana sy teo amin’ ny efi-trano momba ny trano ary teo amin’ ny tokonana.

< Ezekiyel 41 >