< Ezekiyel 36 >

1 “Ɗan mutum, ka yi annabci wa duwatsun Isra’ila ka ce, ‘Ya duwatsun Isra’ila, ku ji maganar Ubangiji.
Ary ianao, ry zanak’ olona, maminania amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin’ i Jehovah:
2 Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa abokin gāba yana magana game da ku cewa, “Yauwa! Tsofaffin tuddai sun zama mallakarmu yanzu.”’
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
3 Saboda haka ka yi annabci ka ce, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa domin sun lalace ku suka kuma maishe ku kufai marar amfani a kowane gefe saboda ku zama mallakar sauran al’ummai da kuma abin magana da tsegumi ga mutane,
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ ny tany manodidina, ka dia efa lasan’ ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin’ ny firenena,
4 saboda haka, ya duwatsun Isra’ila, ku ji maganar Ubangiji Mai Iko Duka, ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana faɗa wa duwatsu da tuddai, wa kwazazzabai da kwaruruka, wa kufai da garuruwan da suka zama kango waɗanda aka washe aka wulaƙanta suka zama ganimar sauran al’ummai da suke kewaye da ku,
Dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin’ ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an’ ny firenena sisa amin’ ny manodidina,
5 ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa cikin kishina mai ƙuna na yi magana gāba da sauran al’ummai, da kuma gāba da Edom, gama da farin ciki da reni a zukatansu suka mai da ƙasata mallakarsu don su washe wuraren kiwonta.’
Eny, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin’ ny hafalian’ ny fony tokoa sy tamin’ ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6 Saboda haka ka yi annabci game da ƙasar Isra’ila ka kuma ce wa duwatsu da tuddai, wa kwazazzabai da kwaruruka, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa ga shi, na yi magana da kishina da hasalata saboda sun sha zargi wurin al’ummai.
Koa maminania ny amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka lazao amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: (Indro, tamin’ ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin’ ny firenena,
7 Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa na ɗaga hannuna sama na rantse cewa al’ummai da suke kewaye da ku za su sha ba’a.
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8 “‘Amma ku, ya duwatsun Isra’ila, za ku miƙa rassanku ku ba da amfani ga mutanena Isra’ila, gama ba da daɗewa ba za su komo gida.
Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian’ ireny.
9 Na damu da ku kuma zan dube ku da tausayi; za ku nome ku kuma shuka,
Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 zan kuma riɓaɓɓanya mutane a kanku, dukan gidan Isra’ila ke nan. Za a zauna a birane a kuma sāke gina rusassun wurare.
Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’ Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
11 Zan sa mutane da dabbobi su yi yawa a kanku, za su kuma ba da’ya’ya su kuma yi yawa. Zan zaunar da mutane a kanku kamar dā zan kuma sa ku wadaita fiye da dā. Sa’an nan za ku san cewa ni ne Ubangiji.
Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12 Zan sa mutanena Isra’ila su yi tafiya a kanku. Za su mallake ku, za ku kuma zama gādonsu; ba za ku ƙara sa su rasa’ya’yansu ba.
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
13 “‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa domin mutane suna magana game da ku cewa, “Kun cinye mutane kuka kuma sa al’ummarku ta rasa’ya’yanta,”
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
14 saboda haka ba za ku ƙara cinye mutane ko ku sa al’ummarku ta rasa’ya’ya ba, in ji Ubangiji Mai Iko Duka.
Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15 Ba zan ƙara bari ku ji maganar banza ta al’ummai ba, ba kuwa za ku ƙara shan ba’ar mutane ko in sa al’ummarku ta fāɗi ba, in ji Ubangiji Mai Iko Duka.’”
Ary hataoko tsy mahare ny latsan’ ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian’ olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
16 Maganar Ubangiji ta sāke zuwa mini cewa,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
17 “Ɗan mutum, sa’ad da mutanen Isra’ila suke zama a ƙasarsu, sun ƙazantar da ita ta wurin halinsu da kuma ayyukansu. Halinsu ya yi kamar rashin tsarkin mace a lokacin al’adarta a gabana.
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely nonina tany amin’ ny taniny, dia nandoto izany tamin’ ny fanaony sy tamin’ ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan’ ny vehivavy mararin’ ny fadim-bolana no fahalotoan’ ny fanaony eo anatrehako.
18 Saboda haka na husata da su domin sun yi kisankai a ƙasar kuma domin sun ƙazantar da ita da gumakansu.
Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin’ ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ ny sampiny.
19 Na warwatsa su cikin al’ummai, suka kuwa warwatsu cikin dukan ƙasashe; na hukunta su gwargwadon halinsu da ayyukansu.
Ary naeliko ho any amin’ ny firenena izy ka nahahaka ho any amin’ ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
20 Kuma ko’ina da suka tafi a cikin al’ummai sun ɓata sunana mai tsarki, gama an yi magana a kansu cewa, ‘Waɗannan mutanen Ubangiji ne, duk da haka dole su bar ƙasarsa.’
Ary nony tonga tany amin’ ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masìna tamin’ ny nanaovan’ ny olona azy hoe: Ireo no olon’ i Jehovah, nefa niala tamin’ ny tanin’ i Jehovah izy.
21 Na damu saboda sunana mai tsarki, wanda gidan Isra’ila ya ɓata a cikin al’ummai inda suka tafi.
Dia namindrako fo ny anarako masìna, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.
22 “Saboda haka ka faɗa musu cewa, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa ba dominku ba ne, ya gidan Isra’ila da nake yin waɗannan abubuwa, amma saboda sunana ne mai tsarki, wanda kuka ɓata a cikin al’ummai inda kuka tafi.
Koa atsovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako, masìna, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo.
23 Zan nuna tsarkin girman sunana, wanda aka ɓata a cikin al’umma, sunana da kuka ɓata a cikinsu. Sa’an nan al’ummai za su san cewa ni ne Ubangiji, in ji Ubangiji Mai Iko Duka, sa’ad da na nuna kaina mai tsarki ta wurinku a idanunsu.
Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masìna eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo.
24 “‘Gama zan fitar da ku daga al’ummai; zan tattara ku daga dukan ƙasashe in komo da ku zuwa ƙasarku.
Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.
25 Zan yayyafa muku ruwa mai tsabta, zan kuwa tsarkake ku daga dukan ƙazantarku daga kuma dukan gumakanku.
Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26 Zan ba ku sabuwa zuciya in kuma sa sabon ruhu a cikinku; zan fid da zuciyar dutse in kuma ba ku zuciyar nama.
Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27 Zan kuma sa Ruhuna a cikinku in kuma motsa ku ku bi ƙa’idodina ku kuma kiyaye dokokina.
Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28 Za ku zauna a ƙasar da na ba wa kakanninku; za ku zama mutanena, ni kuwa zan zama Allahnku.
Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29 Zan cece ku daga dukan rashin tsabtarku. Zan sa hatsi ya yi yalwa ba zan kawo yunwa a kanku ba.
Ary hovonjeko ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
30 Zan ƙara’ya’yan itatuwa da amfanin gona, saboda kada ku ƙara shan kunya a cikin al’ummai saboda yunwa.
ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ ny jentilisa amin’ ny mosary intsony ianareo.
31 Sa’an nan za ku tuna mugayen hanyoyinku da mugayen ayyukanku, za ku kuwa ji ƙyamar kanku saboda zunubanku da kuma ayyukanku na banƙyama.
Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32 Ina so ku san cewa ba na yi wannan saboda ku, in ji Ubangiji Mai Iko Duka. Ku ji kunya ku kuma giggita saboda halinku, ya gidan Isra’ila!
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.
33 “‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa a ranar da na tsarkake ku daga dukan zunubanku, zan sāke zaunar da ku a garuruwanku, a kuma sāke gina kufai.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
34 Ƙasar da take kango a dā za ku nome ta a maimakon zama kango a idon dukan masu ratsawa a cikinta.
Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason’ ny mpandalo rehetra intsony izy.
35 Za su ce, “Wannan ƙasar da take kango a dā ta zama kamar lambu Eden; biranen da dā suke kufai, kango da kuma aka lalata, yanzu suna da katanga ana kuma zama a ciki.”
Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
36 Sa’an nan al’ummai kewaye da ku da suka rage za su san cewa Ni Ubangiji na sāke gina abin da aka lalace na kuma sāke shuka abin da yake kango. Ni Ubangiji na faɗa, kuma zan aikata.’
ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
37 “Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa har yanzu zan ji roƙon gidan Isra’ila in kuma yi musu wannan. Zan sa mutanensu su yi yawa kamar tumaki,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin’ ny taranak’ Isiraely Aho amin’ ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38 yawansu ya yi kamar garken tumaki don hadaya a Urushalima a ƙayyadaddun lokuta bukukkuwarta. Haka biranen da suke kufai za su cika da ɗumbun mutane. Sa’an nan za su san cewa ni ne Ubangiji.”
Toy ny ondry aman’ osy masìna, izay any Jerosalema amin’ ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ ny tanànany efa lao amin’ ny olona maro toy ny ondry aman’ osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

< Ezekiyel 36 >