< Ezekiyel 20 >
1 A shekara ta bakwai, a wata na biyar a rana ta goma, waɗansu dattawan Isra’ila suka zo don su nemi nufin Ubangiji, suka kuwa zauna a ƙasa a gabana.
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ ny Isiraely mba hanontany amin’ i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2 Sai maganar Ubangiji ta zo mini cewa,
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
3 “Ɗan mutum, ka yi magana da dattawan Isra’ila ka ce musu, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa kun zo ne ku nemi shawarata? Muddin ina raye, ba zan bari ku nemi shawarata ba, in ji Ubangiji Mai Iko Duka.’
Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ireo loholon’ ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4 “Za ka hukunta su? Za ka hukunta su, ɗan mutum? To, sai ka kalubalance su da ayyukan banƙyamar kakanninsu
Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan’ ny razany izy.
5 ka ce musu, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa a ranar da na zaɓi Isra’ila, na ɗaga hannuna, na rantse wa zuriyar gidan Yaƙub na kuma bayyana kaina gare su a Masar da hannun da na ɗaga na ce musu, “Ni ne Ubangiji Allahnku.”
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin’ ny taranak’ i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6 A ranar na yi musu rantsuwa cewa zan fitar da su daga Masar zuwa ƙasar da na samo musu, ƙasa mai zub da madara da zuma, ƙasa mafi kyau cikin dukan ƙasashe.
tamin’ izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
7 Na kuma ce musu, “Kowannenku ya zubar da mugayen siffofin da kuka kafa idanunku a kai, kuma kada ku ƙazantar da kanku da gumakan Masar. Ni ne Ubangiji Allahnku.”
dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 “‘Amma sai suka yi tawaye a kaina ba su kuwa saurare ni ba; ba su zubar da mugayen siffofin da suka kafa idanunsu a kai ba, balle su ƙi gumakan Masar. Saboda haka zan zubo hasalata a kansu in kuma aukar musu da fushina a Masar.
Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ ny masony na nahafoy ny sampin’ i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin’ ny tany Egypta ny fahatezerako.
9 Amma saboda sunana na yi abin da zai kiyaye shi daga ƙazantuwa a idanun al’umman da suka zauna a ciki da kuma a idanun al’ummai da na bayyana kaina ga Isra’ilawa ta wurin fitar da su daga Masar.
Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
10 Saboda haka na fisshe su daga Masar na kawo su cikin hamada.
Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11 Na ba su ƙa’idodina na kuma sanar musu da dokokina, gama mutumin da ya yi biyayya da su zai rayu ta wurinsu.
Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12 Na kuma ba su Asabbataina kamar alama tsakaninmu, domin su san cewa Ni Ubangiji ne yake tsarkake su.
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
13 “‘Duk da haka mutanen Isra’ila suka yi mini tawaye a cikin hamada. Ba su bi ƙa’idodina ba amma suka ki dokokina, ko da yake mutumin da ya yi biyayya da su zai rayu ta wurinsu, suka ɓata Asabbataina ƙwarai. Saboda haka na ce zan zuba hasalata a kansu in kuma hallaka su a hamada.
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
14 Amma saboda sunana na yi abin da zai kiyaye shi daga ƙazantuwa a idanun al’umman da a idonsu na fisshe su.
Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
15 Na kuma ɗaga hannu na rantse musu a hamada cewa ba zan kawo su ƙasar da na ba su ba, ƙasa mai zub da madara da zuma, ƙasa mafi kyau cikin dukan ƙasashe,
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
16 domin sun ƙi dokokina ba su kuwa bi ƙa’idodina ba suka kuma ƙazantar da Asabbataina. Gama zukatansu sun fi so su bauta wa gumakansu.
satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17 Duk da haka na dube su ta tausayi ba zan hallaka su ko in kawo ƙarshensu a hamada ba.
Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
18 Na faɗa wa’ya’yansu a hamada, “Kada ku bi farillai kakanninku ko ku kiyaye dokokinsu ko ku ƙazantar da kanku da gumakansu.
Fa hoy Izaho tamin’ ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ ny sampiny;
19 Ni ne Ubangiji Allahnku; ku bi ƙa’idodina ku kuma kula ku kiyaye dokokina.
fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
20 Ku kiyaye Asabbataina da tsarki, don su zama alama tsakaninmu. Ta haka za ku san cewa ni ne Ubangiji Allahnku.”
Ary manamasìna sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21 “‘Amma’ya’yan suka yi mini tawaye. Ba su bi ƙa’idodina ba, ba su kula su kiyaye dokokina ba, ko da yake mutumin da ya kiyaye su zai rayu ta wurinsu, suka kuma ƙazantar da Asabbataina. Saboda haka na ce zan zuba hasalata a kansu in kuma aukar musu da fushina a hamada.
Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
22 Amma na janye hannuna, kuma saboda sunana na yi abin da zai kiyaye shi daga ƙazantuwa a idanun al’umman da a idonsu na fisshe su.
Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin’ ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23 Na kuma ɗaga hannu na rantse musu cewa zan watsar da su cikin al’ummai in kuma warwatsa su cikin ƙasashe,
Dia nanangan-tanana taminy tany an’ efitra, indray Aho, hampiely azy any amin’ ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ ny tany samy hafa,
24 domin ba su kiyaye dokokina ba amma suka ƙi ƙa’idodina suka kuma ƙazantar da Asabbataina, idanunsu suka yi sha’awar gumakan kakanninsu.
satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin’ ny razany.
25 Na kuma ba da su ga farillan da ba su da kyau da dokokin da ba za su rayu ta wurinsu ba;
Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
26 na bari suka ƙazantu ta wurin kyautai, hadayar kowane ɗan fari don in cika su da abin tsoro domin su san cewa ni ne Ubangiji.’
Dia nandoto azy tamin’ ny fanatiny Aho, dia tamin’ ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.
27 “Saboda haka, ɗan mutum, ka yi magana da mutanen Isra’ila ka faɗa musu cewa, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa a wannan kuma kakanninku suka saɓe ni ta wurin yashe ni.
Koa mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely, ry zanak’ olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ izao no mbola nanamavoan’ ny razanareo Ahy tamin’ ny nivadihany tamiko:
28 Sa’ad da na kawo su cikin ƙasar da na rantse zan ba su suka kuma ga tudu mai tsawo ko itace mai ganye, a can suka miƙa hadayunsu, suka yi sadakokin da suka tsokane ni na yi fushi, suka miƙa turaren ƙanshinsu suka kuma zuba sadakokinsu na sha.
Nony nitondra azy ho any amin’ ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
29 Sai na ce musu, Wane ɗakin tsafi kuke tafiya?’” (Ana ce da shi Bama har wa yau.)
Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin’ ny fitoerana avo alehanareo? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
30 “Domin haka ka faɗa wa gidan Isra’ila, ‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa za ku ƙazantar da kanku yadda kakanninku suka yi ne ku yi sha’awar mugayen siffofinsu?
Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,
31 Sa’ad da kuka miƙa kyautai naku, hadayar’ya’yanku maza a wuta, kuna cin gaba da ƙazantar da kanku da duka gumakanku har wa yau. Zan bari ku nemi shawarata, ya gidan Isra’ila? Muddin ina raye, in ji Ubangiji Mai Iko Duka, ba zan bari ku nemi shawarata ba.
ary mandoto tena amin’ ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin’ ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32 “‘Kukan ce, “Kuna so ku zama kamar sauran al’ummai, kamar sauran mutanen duniya, waɗanda suke bauta wa itace da dutse.” Amma abin da kuke tunani ba zai taɓa faruwa ba.
Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny vato aman-kazo.
33 Muddin ina raye, in ji Ubangiji Mai Iko Duka, zan yi mulki a kanku da hannu mai iko da kuma hannu mai ƙarfi da kuma fushi.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
34 Zan fitar da ku daga al’ummai in tattara ku daga ƙasashe inda aka warwatsa ku, da hannu mai iko da kuma hannu mai ƙarfi da kuma fushi.
Ary amin’ ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin’ ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo.
35 Zan kawo ku cikin hamadar al’ummai a can kuwa, fuska da fuska, zan hukunta ku.
Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36 Yadda na hukunta kakanninku a hamadar ƙasar Masar, haka zan hukunta ku, in ji Ubangiji Mai Iko Duka.
Tahaka ny nifandaharako tamin’ ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
37 Zan lura da ku yayinda kuke wucewa ƙarƙashin sanda, zan kuma kawo ku cikin daurin alkawari.
Ary hampandaloviko eo ambanin’ ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin’ ny fanekena.
38 Zan fitar da waɗanda suke mini tayarwa da kuma’yan tawaye. Ko da yake zan fitar da su daga ƙasar da suke zama, duk da haka ba za su shiga ƙasar Isra’ila ba. Sa’an nan za ku san cewa ni ne Ubangiji.
Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
39 “‘Game da ku, ya gidan Isra’ila, ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa ku tafi ku bauta wa gumakanku, kowannenku! Amma daga baya tabbatacce za ku saurare ni ba kuwa za ku ƙara ɓata sunana mai tsarki da hadayunku da gumakanku ba.
Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.
40 Gama a kan dutsena mai tsarki, dutse mai tsayi na Isra’ila, in ji Ubangiji Mai Iko Duka, a can a ƙasar gidan Isra’ila gaba ɗaya za su bauta mini, a can kuwa zan karɓe su. A can zan bukaci hadayunku da sadake sadakenku mafi kyau, tare da dukan tsarkakan hadayunku.
Fa ao an-tendrombohitro masìna, dia ao an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ ny taranak’ Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ ny zava-masinareo rehetra,
41 Zan karɓe ku kamar turare mai ƙanshi sa’ad da na fitar da ku daga al’ummai na kuma tattara ku daga ƙasashe inda aka warwatsa ku, zan kuma nuna kaina mai tsarki a cikinku a idon al’ummai.
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ ny hitondrako anareo mivoata avy any amin’ ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masìna eo anatrehan’ ny jentilisa Aho amin’ ny hataoko aminareo.
42 Sa’an nan za ku san cewa ni ne Ubangiji sa’ad da na kawo ku cikin ƙasar Isra’ila, ƙasar da na ɗaga hannu na rantse zan ba wa kakanninku.
Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
43 A can za ku tuna da halinku da kuma dukan ayyukanku waɗanda kuka ɓata kanku da su, za ku kuwa ji ƙyamar kanku saboda mugayen abubuwan da kuka aikata.
Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
44 Za ku san cewa ni ne Ubangiji, sa’ad da na yi muku haka saboda sunana ba bisa ga mugayen hanyoyinku da ayyukanku marasa kyau ba, ya gidan Isra’ila, in ji Ubangiji Mai Iko Duka.’”
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
45 Maganar Ubangiji ta zo mini cewa,
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
46 “Ɗan mutum, ka kafa fuskarka wajen kudu; ka yi wa’azi a kan kudu ka kuma yi annabci a kan kurmin ƙasar kudu.
Ry zanak’ olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny ala amin’ ny tany atsimo.
47 Ka faɗa wa kurmin kudanci, ‘Ji maganar Ubangiji. Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa ina gab da sa maka wuta, za tă kuwa cinye dukan itatuwanki sarai, da ɗanye da busasshe. Ba za a kashe wutar da take ci ba, kuma kowace fuska a kudu zuwa arewa za tă ƙone.
Ary lazao amin’ ny ala amin’ ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’ i Jehovah: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main’ ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
48 Kowa zai san cewa Ni Ubangiji ne ya ƙuna ta; ba za a kashe ta ba.’”
Ka dia ho hitan’ ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
49 Sai na ce, “Kash, Ubangiji Mai Iko Duka! Suna zance a kaina cewa, ‘Ba misalai kawai yake yi ba?’”
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin’ ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?