< Fitowa 36 >

1 Saboda haka Bezalel, Oholiyab da kowane mutumin da Ubangiji ya ba shi basira da iyawa, na sanin yadda za a yi duk aikin shirya wuri mai tsarki, za su yi aiki yadda Ubangiji ya umarta.”
Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.
2 Sa’an nan Musa ya kira Bezalel da Oholiyab da kowane mutumin da Ubangiji ya ba shi iyawa da kuma wanda ya yi niyya yă yi aiki.
Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.
3 Suka karɓa daga wurin Musa dukan kyautai da Isra’ilawa suka kawo don su yi aikin shirya wuri mai tsarki. Mutane suka ci gaba da kawo kyautai yardar rai kowace safiya.
Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.
4 Sai dukan masu fasaha waɗanda suke aikin wuri mai tsarki suka ɗan dakata
Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ ny fitoerana masìna, samy niala tamin’ ny asany izay nataony avy,
5 suka ce wa Musa, “Mutane suna kawo fiye da abin da ake bukata domin aikin da Ubangiji ya umarta a yi.”
ka niteny tamin’ i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ ny asa nandidian’ i Jehovah hatao.
6 Sai Musa ya ba da umarni, suka aika ko’ina a cikin sansani cewa, “Kada namiji ko ta mace yă sāke kawo kyauta don wuri mai tsarki.” Ta haka mutane suka daina kawowa.
Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ ny fitoerana masìna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7 Saboda abin da suke da shi ya fi abin da ake bukata domin aikin.
fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
8 Dukan maza masu fasaha a cikin sauran masu aikin suka yi tabanakul da labule goma na tuƙaƙƙun lallausan lilin na shuɗi, da shunayya, da jan zare, aka yi wa labulen zānen kerubobi na gwaninta.
Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9 Tsawon kowane labule, kamu ashirin da takwas ne, fāɗinsa kuma kamu huɗu. Dukan labulen, girmansu ɗaya ne.
Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
10 Suka ɗinɗinke labule biyar a harhaɗe, suka kuma yi haka da sauran labule biyar ɗin.
Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11 Suka yi rami a gefe-gefen labulen da zaren ruwan bula, haka kuma suka yi da ɗayan gefen na biyu ɗin.
Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
12 Suka kakkafa rammuka hamsin a daidai bakin labulen, haka kuma suka yi a kan labule na biyun. Haka aka ɗaɗɗaura rammukan nan da junansu yă zama kamar abu guda.
Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13 Sa’an nan suka yi maɗaurai hamsin na zinariya, suka yi amfani da su don daurin kashi biyu na labulen saboda tabanakul yă zama ɗaya.
Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14 Suka yi labule da gashi akuya goma sha ɗaya don tenti a bisa tabanakul.
Ary nanao ambainy koa tamin’ ny volon’ osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no nanaovany azy.
15 Dukan labule goma sha ɗayan girmansu ɗaya ne, tsawonsa kamu talatin, fāɗinsa kuma kamu huɗu ne.
Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
16 Suka harhaɗa labule biyar wuri ɗaya, suka kuma harhaɗa shida wuri ɗaya.
Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17 Sa’an nan suka yi rammuka hamsin a gefen labule na kashe na farko, haka kuma a gefen labule na ƙarshen na kashi biyar.
Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
18 Suka yi maɗaurin tagulla hamsin don su ɗaura tenti yă zama ɗaya.
Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19 Sai suka yi wa tentin murfi da fatun rago da aka rina ja, a bisa wannan kuwa akwai murfin fatun shanun teku.
Ary nanao rakotry ny lay tamin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20 Suka yi katakan tabanakul da itacen ƙirya.
Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.
21 Tsawon kowane katako kamu goma ne, kaurinsa kuma kamu ɗaya da rabi,
Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
22 tare da katakai a fiƙe ɗaura da juna. Haka suka yi da dukan katakan tabanakul.
Ary lahiny roa no amin’ ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ ny tabernakely.
23 Suka yi katakai ashirin don gefen kudu na tabanakul
Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
24 suka kuma yi rammukan azurfa arba’in don katakan su shiga ƙarƙashinsu, rammuka biyu domin kowane katako, ɗaya ƙarƙashin kowanne da aka fiƙe.
Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo hiorenan’ ny lahiny roa.
25 A ɗaya gefen, gefen arewa na tabanakul, suka yi katakai ashirin
Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26 da rammuka arba’in na azurfa, biyu-biyu don kowane katako.
Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo.
27 Suka yi katako shida don iyaka ta ƙarshe, wato, gefen yamma na tabanakul,
Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ ny lafin’ ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28 aka kuma yi katakai biyu domin kusurwoyi tabanakul a iyaka ta ƙarshe.
Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely tamin’ ny lafiny ivoho izy.
29 A waɗannan kusurwoyi biyu, an ninka katakan sau biyu daga ƙasa har sama, aka kuma sa su cikin zobe guda; dukansu biyu an yi su daidai.
Ary nakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ ny zorony roa.
30 Ta haka aka sami katakai takwas da rammukan azurfa goma sha shida, biyu-biyu a ƙarƙashin kowane katako.
Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
31 Suka kuma yi sanduna na itace ƙirya, biyar domin katakan da suke a gefe guda na tabanakul,
Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
32 biyar domin waɗanda suke ɗayan gefen da kuma biyar domin katakan da suke gefen yamma na iyaka ta ƙarshen tabanakul.
sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33 Suka sa sandan da yake a tsakiya yă wuce daga wannan gefe zuwa wancan.
Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34 Sai suka dalaye katakan da zinariya, suka yi zoban zinariya don su riƙe sandunan. Suka kuma dalaye sandunan da zinariya.
Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35 Suka kuma yi labule da shuɗi, shunayya, jan zare, da kuma lallausan lilin, suka kuma yi wa labulen zānen kerubobi na gwaninta.
Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36 Suka yi dogayen sanduna huɗu na itacen ƙirya dominsa, suka dalaye su da zinariya. Suka yi ƙugiya na zinariya dominsa, suka yi rammuka huɗu da azurfa.
Ary nanao andry efatra tamin’ ny hazo akasia izy hihantonan’ izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’ hiorenany.
37 Suka yi wa ƙofar tenti labulen shuɗi, shunayya, jan zare, da kuma lallausan lilin, aikin gwaninta;
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
38 suka kuma yi dogayen sanduna biyar da ƙugiya dominsu. Suka dalaye saman dogayen sandunan da abin daurinsu da zinariya, suka kuma yi rammukansu guda biyar da tagulla.
Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.

< Fitowa 36 >