< Fitowa 3 >

1 Ana nan wata rana Musa yana kiwon tumakin Yetro surukinsa, firist na Midiyan, sai ya bi da tumaki zuwa gefe mai nisa a cikin hamada, har ya zo Horeb, dutsen Allah.
Ary Mosesy niandry ny ondry aman’ osin’ i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman’ osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
2 A can mala’ikan Ubangiji ya bayyana a gare shi cikin harshen wuta, a ƙaramin itace. Musa ya lura cewa ko da yake wuta na ci ƙaramin itacen, amma bai ƙone ba.
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3 Sai Musa ya ce, “Wannan abin mamaki ne, don me wannan itace bai ƙone ba? Bari in matso kusa in gani.”
Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan’ ny roimemy.
4 Da Ubangiji ya ga Musa ya matso don yă duba, sai Allah ya yi kira daga cikin ƙaramin itacen ya ce, “Musa! Musa!” Sai Musa ya amsa ya ce, “Ga ni.”
Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan’ ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5 Allah ya ce, “Kada ka zo kusa, tuɓe takalmanka, gama inda kake tsaye, wuri ne mai tsarki.”
Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin’ ny tongotrao, fa tany masìna io ijanonanao io.
6 Sai Allah ya ce, “Ni ne Allah na kakanninka, Allah na Ibrahim, Allah na Ishaku da kuma Allah na Yaƙub.” Da jin wannan, sai Musa ya ɓoye fuskarsa, domin ya ji tsoro yă dubi Allah.
Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
7 Ubangiji ya ce, “Tabbatacce na ga azabar mutanena a Masar. Na ji su suna kuka saboda matsin da shugabannin gandunsu suke musu, na kuma damu da wahalarsu.
Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8 Saboda haka na sauko domin in cece su daga hannun Masarawa, in kuma fitar da su daga ƙasar Masar, in kai su ƙasa mai kyau mai fāɗi, ƙasa mai zub da madara da zuma, inda Kan’aniyawa, Hittiyawa, Amoriyawa, Ferizziyawa, Hiwiyawa da Yebusiyawa suke.
dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9 Yanzu kukan Isra’ilawa ya kai gare ni, na kuma ga yadda Masarawa suke wulaƙanta su
Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ ny Egyptiana azy.
10 To, fa, sai ka tafi. Ina aikan ka wurin Fir’auna don ka fitar da mutanena Isra’ilawa daga Masar.”
Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’ i Farao hitondra ny Zanak’ Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
11 Amma Musa ya ce wa Allah, “Wane ni in tafi wurin Fir’auna, in kuma fitar da Isra’ilawa daga Masar?”
Fa hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’ i Farao sy hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12 Sai Allah ya ce, “Zan kasance da tare kai. Wannan kuwa za tă zama alama a gare ka cewa Ni na aike ka. Bayan ka fitar da mutanen daga Masar, za ku yi sujada ga Allah a kan dutsen nan.”
Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’ Andriamanitra eto amin’ ity tendrombohitra ity ianareo.
13 Musa ya ce wa Allah, “A ce ma na tafi wurin Isra’ilawa na ce musu, ‘Allah na kakanninku ya aiko ni wurinku,’ in suka tambaye ni, ‘Mene ne sunansa?’ Me zan ce?”
Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
14 Allah ya ce wa Musa, “NI NE wanda NINE. Abin da za ka faɗa wa Isra’ilawa ke nan cewa, ‘NI NE, ya aiko ni wurinku.’”
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
15 Allah ya kuma ce wa Musa, “Ka faɗa wa Isra’ilawa, ‘Ubangiji, Allah na kakanninka, Allah na Ibrahim, Allah na Ishaku da kuma Allah na Yaƙub, ya aiko ni wurinku.’ Wannan shi ne sunana har abada, sunan da za a tuna da ni daga tsara zuwa tsara ke nan.
Ary hoy koa Andriamanitra tamin’ i Mosesy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ i Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
16 “Tafi ka tattara dattawan Isra’ila, ka ce musu, ‘Ubangiji, Allah na kakanninku, Allah na Ibrahim, Ishaku da Yaƙub, ya bayyana a gare ni ya ce, Na lura da ku, na kuma ga abubuwan da ake yi muku a Masar.
Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
17 Na kuma yi alkawari, zan fitar da ku daga azabarku a Masar zuwa ƙasar Kan’aniyawa, Hittiyawa, Amoriyawa, Ferizziyawa, Hiwiyawa da Yebusiyawa, ƙasa mai zub da madara da zuma.’
ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin’ ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely.
18 “Dattawan Isra’ila za su saurare ka. Sa’an nan da kai da dattawan Isra’ila, za ku tafi wurin sarkin Masar, ku ce masa, ‘Ubangiji, Allah na Ibraniyawa, ya sadu da mu. Bari mu yi tafiyar kwana uku zuwa cikin hamada domin mu yi hadaya wa Ubangiji Allahnmu.’
Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ ny mpanjakan’ i Egypta ianao sy ny loholon’ ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray.
19 Amma na san cewa sarkin Masar ba zai yarda ku tafi ba, sai hannu mai ƙarfi ya tilasta shi.
Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan’ ny mpanjakan’ i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin’ ny tanana mahery aza.
20 Saboda haka zan miƙa hannuna in bugi Masarawa da duk al’ajaban da zan aikata a cikinsu. Bayan haka zai bar ku, ku tafi.
Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an’ i Egypta amin’ ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
21 “Zan kuma sa mutanen su sami tagomashi daga wurin Masarawa, saboda sa’ad da za ku fita, ba za ku fita hannu wofi ba.
Ary hataoko mahita fitia eo imason’ ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;
22 Kowace mace ta tambayi maƙwabciyarta, da kuma duk wata macen da take cikin gidanta, kayayyakin azurfa da na zinariya da kuma na riguna, waɗanda za ku sa wa’ya’yanku maza da mata. Ta haka nan za ku washe Masarawa.”
fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ ny miray monina aminy sy amin’ izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.

< Fitowa 3 >