< Fitowa 19 >

1 A rana ta farko a cikin watan uku bayan da Isra’ilawa suka bar Masar, a wannan rana, suka iso Hamadar Sinai.
Tamin’ ny volana fahatelo taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta, dia tamin’ izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’ i Sinay.
2 Bayan da suka tashi daga Refidim, suka shiga Hamadar Sinai, sai Isra’ilawa suka yi sansani a gaban dutsen.
Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ ny efitr’ i Sinay, dia nitoby teo amin’ ny efitra; dia tandrifin’ ny tendrombohitra no nitobian’ ny Isiraely teo.
3 Sai Musa ya hau kan dutsen don yă sadu da Allah, Ubangiji kuwa ya kira shi daga dutsen ya ce, “Wannan shi ne abin da za ka faɗa wa gidan Yaƙub, da kuma abin da za ka faɗa wa mutanen Isra’ila.
Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
4 ‘Ku da kanku kun ga abin da na yi wa Masar, da yadda na ɗauko ku a kan fikafikan gaggafa na kawo ku wurina.
Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5 Yanzu, in kuka yi mini cikakken biyayya, kuka kuma kiyaye yarjejjeniyata, to, za ku zama keɓeɓɓiyar taska a gare ni a cikin dukan al’ummai. Ko da yake duk duniya tawa ce,
Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6 za ku zama firistoci masu tsarki da kuma al’umma keɓaɓɓiya a gare ni.’ Waɗannan su ne kalmomin da za ka faɗa wa Isra’ilawa.”
Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
7 Sai Musa ya koma ya aika a kira dukan dattawan mutane, ya bayyana dukan kalmomin da Ubangiji ya umarta, ya faɗa.
Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’ i Jehovah azy.
8 Dukan mutane suka amsa gaba ɗaya suka ce, “Za mu yi duk abin da Ubangiji ya faɗa.” Sai Musa ya mayar wa Ubangiji amsar da mutane suka bayar.
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
9 Ubangiji kuwa ya ce wa Musa, “Ina zuwa wurinka a cikin baƙin hadari, domin mutane su ji ni ina maganar da kai, domin su amince da kai koyaushe.” Sa’an nan Musa ya faɗa wa Ubangiji abin da mutane suka ce.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.
10 Sai Ubangiji ya ce wa Musa, “Tafi wurin mutanen, ka tsarkake su yau da gobe, ka sa su wanke tufafinsu.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
11 Su zama da shiri a rana ta uku, gama a ranar ce Ubangiji zai sauko a kan Dutsen Sinai a idon dukan mutane.
ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
12 Sai ka yi wa jama’a iyaka kewaye da dutsen, ka kuma faɗa musu cewa, ‘Ku mai da hankali, kada ku hau dutsen ko ku taɓa gefensa. Duk wanda ya taɓa dutsen, lalle za a kashe shi.
Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13 Za a jajjefe shi da duwatsu, ko a harbe shi da kibiyoyi, ba hannun da zai taɓa shi. Mutum ko dabbar da ya taɓa, ba za a bar shi da rai ba.’ Lokacin da aka ji muryar ƙaho ne kawai za su iya taru a gindin dutsen.”
tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ ny tendrombohitra izy.
14 Bayan da Musa ya gangara wurin mutane, ya tsarkake su, sai suka wanke tufafinsu.
Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15 Sa’an nan ya ce wa mutane, “Ku shirya kanku domin rana ta uku. Ku ƙame kanku daga yin jima’i.”
Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16 A safiyar rana ta uku, aka yi tsawa, da walƙiyoyi, sai ga girgije mai duhu a bisa dutsen, aka tsananta busar ƙaho, sai dukan jama’ar da suke cikin sansani suka yi rawar jiki.
Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
17 Sa’an nan Musa ya jagoranci mutane daga sansani domin su sadu da Allah, sai suka tsaya a gefen dutsen.
Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.
18 Dutsen Sinai kuwa ya tunnuƙe duka da hayaƙi, gama Ubangiji ya sauko a bisan dutsen cikin wuta. Hayaƙin ya hau kamar hayaƙin da yake fitowa daga matoya, duk dutsen ya yi rawa da ƙarfi,
Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
19 sai karar ƙaho ya yi ta ƙaruwa. Sa’an nan Musa ya yi magana, murya Allah kuwa ta amsa masa.
Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
20 Ubangiji ya sauko a kan ƙwanƙolin Dutsen Sinai, ya kira Musa zuwa ƙwanƙolin dutsen. Musa kuwa ya haura
Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’ i Mosesy hankeo an-tampon’ ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
21 sai Ubangiji ya ce masa, “Ka sauka ka faɗa wa jama’a, kada su kuskura su ƙetare layin iyakan nan, garin son zuwa don ganin Ubangiji, gama duk waɗanda suka yi haka za su mutu.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
22 Ko firistocin da za su kusato Ubangiji sai su tsarkake kansu, don kada in hallaka su.”
Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’ i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
23 Musa ya ce wa Ubangiji, “Mutanen ba za su hau Dutsen Sinai ba, gama kai da kanka ka gargaɗe mu, ‘Ku sa iyaka kewaye da dutsen ku kuma tsarkake shi.’”
Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
24 Ubangiji ya amsa, “Sauka ka kawo Haruna tare da kai. Amma kada firistoci da mutane su zarce iyakan nan, a kan za su zo wurin Ubangiji, don kada in hallaka su.”
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.
25 Saboda haka Musa ya sauka wurin mutane ya kuma faɗa musu.
Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ ny olona ka niteny taminy.

< Fitowa 19 >