< Esta 4 >

1 Sa’ad da Mordekai ya sami labari game da dukan abin da aka yi, sai ya yayyage rigunansa, ya sanya tsummokin makoki, ya zuba toka a kā, ya kuma shiga ciki birni yana kuka mai zafi da ƙarfi.
Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 Amma ya kai bakin ƙofar sarki ne kawai, gama ba a yarda wani sanye da tsummokin makoki yă shiga cikin birni ba.
ary tonga teo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 Aka yi makoki sosai da azumi, da kuka mai zafi a cikin Yahudawa a kowane lardin da aka kai doka da kuma umarnin sarki. Mutane da yawa suka kwanta a cikin tsummokin makoki da kuma toka.
Ary tany amin’ ny isan-tokony tamin’ ny fanjakana rehetra nalehan’ ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin’ ny lamba fisaonana aman-davenona.
4 Sa’ad da bayi da bābānnin Esta suka zo suka faɗa mata game da Mordekai, sai ta damu ƙwarai. Ta aika masa da riguna domin yă sa a maimakon tsummokin makoki, amma ya ƙi.
Ary niditra ny ankizivavin’ i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin’ ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin’ i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
5 Sai Esta ta kira Hatak, ɗaya daga cikin bābānnin sarkin da aka ba shi aikin lura da ita, ta umarce shi yă yi tambaya me ke damun Mordekai da kuma me ya jawo haka.
Ary Estera niantso an’ i Hatàka, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin’ i Mordekay, mba hahafantarany izay anton’ izany.
6 Saboda haka Hatak ya tafi wurin Mordekai a dandalin birni, a gaban ƙofar sarki.
Dia nivoaka Hatàka nankany amin’ i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka;
7 Mordekai ya faɗa masa duk abin da ya faru da shi, haɗe da yawan kuɗin da Haman ya yi alkawari zai zuba a ma’ajin fada don a hallaka Yahudawa.
dia nambaran’ i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan’ ny vola izay nokasain’ i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
8 Ya kuma ba shi kofi na rubutaccen doka na kakkaɓe su, wanda aka wallafa a Shusha don yă nuna wa Esta, yă bayyana mata. Mordekai ya faɗa wa Hatak yă iza ta tă tafi gaban sarki domin tă yi roƙo don jinƙai, tă kuma roƙe shi saboda mutanenta.
Ary nomeny azy koa ny kopen’ ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin’ i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin’ ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ ny fireneny.
9 Hatak ya koma ya ba wa Esta rahoton abin da Mordekai ya faɗa.
Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin’ i Mordekay tamin’ i Estera.
10 Sa’an nan Esta ta umarce Hatak yă ce wa Mordekai,
Fa Estera naniraka an’ i Hatàka indray hanao amin’ i Mordekay hoe:
11 “Dukan hafsoshin sarki da mutanen lardunan sarki sun san cewa duk wanda ya tafi wurin sarki a shirayi na ciki, mace ko namiji, ba tare da an kira shi ba, doka ɗaya ce take kan mutum, wato, kisa. Abu guda kawai da ya sha bamban shi ne sai wanda sarki ya miƙa wa sandan sarauta na zinariya don yă rayu. Kwana talatin ke nan ba a kira ni in tafi wurin sarki ba.”
Ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ ny mpanjaka amin’ ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
12 Sa’ad da aka kai wa Mordekai rahoton maganan Esta,
Dia nolazaina tamin’ i Mordekay ny tenin’ i Estera.
13 sai ya mayar da wannan amsa wa Esta cewa, “Kada ki yi tsammani cewa don kina a cikin gidan sarki, ke kaɗai cikin dukan Yahudawa za ki tsira.
Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin’ i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon’ ny mpanjaka;
14 Gama in kin yi shiru a wannan lokaci, taimako da ceto zai zo daga wani wuri saboda Yahudawa, amma ke da gidanki za ku hallaka. Wa ya san ko saboda irin wannan lokaci ne kika sami wannan muƙami?”
fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
15 Sai Esta ta aika da wannan amsa ga Mordekai cewa,
Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
16 “Ka tafi, ka tattara dukan Yahudawan da suke Shusha, ku yi azumi saboda ni. Kada ku ci ko ku sha, dare da rana har kwana uku. Ni kuwa da bayina za mu yi azumi yadda kuke yi. Idan aka yi haka, zan tafi wurin sarki, ko da yake wannan karya doka ce. Idan na hallaka, to, na hallaka.”
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
17 Saboda haka, Mordekai ya tafi, ya aikata dukan umarnan Esta.
Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.

< Esta 4 >