< Mai Hadishi 10 >

1 Kamar yadda matattun ƙudaje sukan ɓata ƙanshin turare, haka’yar wauta takan ɓata hikima da daraja.
Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2 Zuciyar mai hikima takan karkata ga yin abin da yake daidai, amma zuciyar wawa takan karkata ga yin mugun abu.
Ny fon’ ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ ny adala kosa dia eo ankaviany.
3 Ko yayinda yake tafiya a kan hanya wawa yakan nuna cewa ba shi da hankali, yakan nuna wa kowa wawancinsa.
Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ ny olona rehetra izy fa adala.
4 In hankalin mai mulki ya tashi game da kai, kada ka bar inda kake, gama kwantar da hankali yakan sa a yafe manyan laifofi.
Raha tezeran’ ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
5 Akwai muguntar da na gani a duniya, irin kuskuren da yake fitowa daga masu mulki.
Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon’ ny mpanapaka izany;
6 Akan sa wawaye a manyan matsayi, yayinda masu arziki suna ƙarƙashi.
Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin’ ny toerana ambany.
7 Na taɓa ganin bayi a kan dawakai, yayinda’ya’yan sarki suna takawa a ƙasa kamar bayi.
Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
8 Duk wanda ya haƙa rami shi ne zai fāɗa a ciki; duk wanda ya rushe katanga, shi maciji zai sara.
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin’ ny menarana.
9 Duk mai farfasa duwatsu shi za su yi wa rauni; duk mai faskaren itace yana cikin hatsarinsu.
Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
10 In gatari ya dakushe ba a kuma wasa shi ba, dole a yi amfani da ƙarfi da yawa, amma ƙwarewa yana kawo nasara.
Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
11 In maciji ya sari mutum kafin a ba shi makarin gardi, ina amfanin maganin?
Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
12 Kalmomi daga bakin mai hikima alheri ne, amma maganganun wawa za su hallaka shi.
Soa ny teny aloaky ny vavan’ ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
13 Farkon maganarsa wauta ce, ƙarshenta kuma takan zama muguwar hauka,
Ny fiandohan’ ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14 wawa kuma yakan yi ta surutu. Ba wanda ya san abin da zai zo wa zai iya faɗa masa abin da zai faru bayan rasuwarsa?
Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15 Aikin wawa yakan gajiyar da shi, har bai san hanyar zuwa gari ba.
Ny fisasaran’ ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
16 Kaitonki, ya ke ƙasa wadda sarkinki bawa ne wadda kuma hakimanta ke ta shagali tun da safe.
Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17 Mai albarka ce, ya ke ƙasa wadda sarkinki haifaffen gidan sarauta ne, wadda hakimanta suke samun abincinsu a daidai lokacin don samun ƙarfi ba don buguwa ba.
Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’ andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’ izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
18 In mutum rago ne, sai tsaiko yă lotsa, in hannuwansa ba masa yin kome, ɗaki yakan yi yoyo.
Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan’ ny tanana no mampitete ny trano.
19 Akan shirya abinci don jin daɗi, ruwan inabi kuwa don faranta zuciya, amma kuɗi ne amsar kome.
Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
20 Kada ka zagi sarki ko da a cikin tunaninka ne, ko ka zagi mai arziki ko da a ɗakin kwananka ne, gama tsuntsun sararin sama zai iya ɗauki maganarka, tsuntsu mai fikafikai zai sanar da abin da ka ce.
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.

< Mai Hadishi 10 >