< Maimaitawar Shari’a 33 >

1 Wannan ita ce albarkar da Musa mutumin Allah ya furta a kan Isra’ilawa, kafin yă rasu.
Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
2 Ya ce, “Ubangiji ya zo daga Sinai ya haskaka a bisansu daga Seyir; ya haskaka daga Dutsen Faran. Ya zo tare da dubban tsarkakansa daga kudu, daga gangara dutsensa.
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
3 Tabbatacce kai ne wanda yake ƙaunar mutane; dukan tsarkaka suna a hannunka. A ƙafafunka, duk suka rusuna, daga wurinka kuma suka karɓi umarni,
Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan’ ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin’ ny teninao.
4 dokar Musa ta ba mu dokoki, mallakar taron Yaƙub.
Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.
5 Shi ne sarki a bisa Yeshurun sa’ad da shugabannin mutane suka taru, tare da kabilan Isra’ila.
Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.
6 “Bari Ruben yă rayu, kada yă mutu, kada mutanensa su zama kaɗan.”
Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
7 Ya kuma faɗa wannan game da Yahuda, “Ka ji, ya Ubangiji, kukan Yahuda; ka kawo shi wurin mutanensa. Da hannuwansa ya kāre kansa. Ka taimake shi a kan maƙiyansa!”
Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
8 Game da Lawi ya ce, “Tummim da Urim na mutumin da ka nuna masa tagomashi ne. Ka gwada shi a Massa; ka yi faɗa da shi a ruwan Meriba.
Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,
9 Ya yi zancen mahaifinsa da mahaifiyarsa ya ce, ‘Ban kula da su ba.’ Bai gane da’yan’uwansa ba, ko yă yarda da’ya’yansa, amma ya kiyaye maganarka ya tsare alkawarinka.
Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
10 Ya koyar da farillanka ga Yaƙub, dokarka kuma ga Isra’ila. Ya miƙa turare a gabanka da kuma hadaya ta ƙonawa ɗungum a kan bagadenka.
Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
11 Ka albarkaci ɗaukan dabarunsa, ya Ubangiji, ka kuma ji daɗin aikin hannuwansa. Ka murƙushe kwankwaso waɗanda suka tayar masa; ka bugi abokan gābansa har sai ba su ƙara tashi ba.”
Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan’ ny tànany; Asio mafy ny valahan’ izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
12 Game da Benyamin ya ce, “Bari ƙaunataccen Ubangiji yă zauna lafiya kusa da shi, gama yana tsare shi dukan yini, wanda kuma Ubangiji yake ƙauna yana zama a tsakanin kafaɗunsa.”
Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
13 Game da Yusuf ya ce, “Bari Ubangiji yă albarkaci ƙasarsa da raɓa mai daraja daga sama a bisa da kuma zurfin ruwan da suke kwance a ƙarƙashi;
Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,
14 da abubuwa masu kyau da rana take kawo, da kuma abubuwa mafi kyau da wata zai iya haifar;
Ary amin’ ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
15 da zaɓaɓɓun kyautai na daɗaɗɗun duwatsu, da kyawawan amfani na madawwaman tuddai.
Ary amin’ ny zava-malaza avy amin’ ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin’ ny havoana mandrakizay
16 Tare da kyautai mafi kyau na duniya da cikarta, da tagomashi na wanda yake zama a ƙaramin itace mai ƙonewa. Bari duk waɗannan su zauna a kan Yusuf, a goshin sarki a cikin’yan’uwansa.
Mbamin’ ny zava-tsoan’ ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan’ Izay nitoetra tao amin’ ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan’ i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
17 Cikin daraja yana yi kamar ɗan fari na bijimi; ƙahoninsa ƙahonin ɓauna ne. Tare da su zai tukwiyi al’ummai, har ma da waɗanda suke ƙarshen duniya. Haka dubu dubban Efraim suke; haka dubban Manasse suke.”
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.
18 Game da Zebulun ya ce, “Ka yi farin ciki, Zebulun, a fitowarka, kai kuma Issakar, a cikin tentunanka.
Ary ny amin’ i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’ izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
19 Za su kira mutane zuwa dutse, a can za su miƙa hadayun adalci; za su yi biki a yalwan tekuna, a dukiyoyin da aka ɓoye a cikin yashi.”
Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren’ ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ ny fasika.
20 Game da Gad ya ce, “Mai albarka ne wanda ya fadada mazaunin Gad! Gad yana zama a can kamar zaki, yana yayyage a hannu da kai.
Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
21 Ya zaɓi ƙasa mafi kyau wa kansa; aka ajiye masa rabon shugaba. Sa’ad da shugabannin mutane suka taru, ya aikata adalcin Ubangiji da kuma hukuncinsa game da Isra’ila.”
Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.
22 Game da Dan ya ce, “Dan ɗan zaki ne, yana tsalle daga Bashan.”
Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
23 Game da Naftali ya ce, “Naftali ƙosasshe ne da tagomashin Ubangiji, ya kuma cika albarkarsa; zai gāji gefen kudu zuwa tafki.”
Ary ny amin’ i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian’ i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
24 Game da Asher ya ce, “Mafi albarka na’ya’yan, shi ne Asher; bari yă sami tagomashi daga’yan’uwansa, bari kuma yă wanke ƙafafunsa a cikin mai.
Ary ny amin’ i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin’ ny diloilo.
25 Madogaran ƙofofinka za su zama ƙarfe da tagulla, ƙarfinka kuma zai zama daidai da kwanakinka.
Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fiadananao.
26 “Babu wani kamar Allah na Yeshurun, wanda yake hawa a bisa sammai don yă taimake ka a kan gizagizai kuma a cikin darajarsa.
Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’ Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin’ ny voninahiny.
27 Allah madawwami shi ne mafakarka, a ƙarƙashina kuma madawwamin hannuwa ne. Zai kore abokin gābanka a gabanka, yana cewa, ‘Ka hallaka shi!’
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
28 Haka Isra’ila zai zauna lafiya shi kaɗai; zuriyar Yaƙub a tsare a ƙasar hatsi da sabon ruwan inabi, inda sammai za su zuba raɓa.
Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon’ i Jakoba Ao amin’ ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
29 Kai mai albarka ne, ya Isra’ila! Wane ne yake kamar ka, mutanen da Ubangiji ya ceta? Shi ne mafakarka da mai taimakonka da kuma takobinka mai ɗaukaka. Abokan gābanka za su zo neman jinƙai a gabanka, za ka kuwa tattake masujadansu.”
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.

< Maimaitawar Shari’a 33 >