< Daniyel 8 >

1 A shekara ta uku ta mulkin sarki Belshazar, ni, Daniyel, na ga wahayi, bayan wancan da na riga gani.
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian’ ilay niseho tamiko tamin’ ny voalohany.
2 A cikin wahayin, na ga kaina a mafakar Shusha a yankin Elam; a wahayin na ga ina a bakin Kogin Ulai.
Ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izay ao amin’ ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka teo amoron’ ny ony Olay aho.
3 Na ɗaga ido, a gabana kuwa sai ga rago mai ƙahoni biyu, yana tsaye a gefen mashigin kogin, ƙahonin kuma suna da tsawo. Ɗaya daga cikin ƙahonin ya fi ɗayan tsawo. Wanda ya fi tsawon shi ne ya tsiro daga baya.
Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4 Na lura da ragon sa’ad da ya kai karo wajen yamma da arewa da kudu. Babu wata dabbar da ta iya ƙarawa da shi, babu kuma wanda ya iya kuɓuta daga ikonsa. Ya yi yadda ya ga dama, ya kuma zama mai girma.
Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.
5 Yayinda nake tunani game da wannan, farat ɗaya sai ga bunsurun da yake da sanannen ƙaho tsakanin idanunsa ya ɓullo daga wajen yamma, yana ratsa dukan duniya ba ya ko taɓa ƙasa.
Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony.
6 Ya zo wajen rago mai ƙahoni biyu ɗin nan da na riga na gani tsaye a gefen mashigin kogin nan ya tasar masa da fushi mai zafi.
Ary izy nankeo amin’ ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron’ ny ony, ka nanazakazaka azy tamin’ ny fahatezeran’ ny heriny.
7 Na ga ya zo kusa da ragon, ya husata da shi ƙwarai, ya kai wa ragon hari. Ya kakkarya ƙahoninsa nan biyu. Ƙarfin ragon ya kāsa, bai iya kāre kansa daga bunsurun ba. Bunsurun ya buge shi ƙasa ya tattake shi. Ba wanda ya iya ceton ragon daga bunsurun.
Ary hitako nanatona ho eo anilan’ ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 Bunsurun kuwa ya ƙasaita, amma a ƙwanƙolin ikonsa sai aka karye babban ƙahonsa, kuma a wurin da ƙahon nan ya kasance waɗansu sanannun ƙahoni huɗu suka tsiro suna fuskantar kusurwoyin nan huɗu.
Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ ny rivotra efatry ny lanitra.
9 Daga cikin ɗayansu kuma wani ƙaramin ƙaho ya fito, ya yi girma ya ƙasaita ƙwarai zuwa kudu da kuma gabas da wajen Kyakkyawar Ƙasa.
Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
10 Ya yi girma sai da ya kai rundunar sammai, ya kuma fid da waɗansu rundunar taurari zuwa ƙasa ya kuma tattake su.
Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ ireo maro be eny amin’ ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11 Sai ya ɗora kansa ya zama mai girma kamar Sarkin runduna; sai aka ɗauke hadaya ta kullayaumi daga gare shi, aka kuma saukar da wurin masujadarsa ƙasa.
Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ ny Komandin’ ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’ andro, ary ny fitoerana masìna noravana.
12 Saboda tawaye, sai aka ba da rundunar tsarkaka da kuma hadayar ƙonawa ta kowace rana ga ƙahon. Sai ya yi watsi da gaskiya, ya yi abin da ya ga dama, ya kuwa yi nasara.
Ary nisy maro be mbamin’ ny fanatitra isan’ andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13 Sa’an nan na ji mai tsarkin nan yana magana, wani mai tsarki kuma ya ce da wancan, “Har yaushe wannan wahayi zai tabbata, wahayi game da hadaya ta kullayaumi, da tawayen da yake kawo lalacewa, da kuma miƙa wuri mai tsarki da kuma na rundunar da za a tattake a ƙarƙashin sawu?”
Dia nandre ny masìna anankiray niteny aho, ary nisy masìna iray koa nanao tamin’ ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masìna sy ireo maro be ho fanitsaka?
14 Sai ya ce mini, “Zai ɗauki safiya da yamma 2,300; sa’an nan za a sāke tsarkake wuri mai tsarki.”
Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’ izay vao hodiovina ny fitoerana masìna.
15 Yayinda ni, Daniyel, nake duban wahayi ina ƙoƙari in fahimce shi, sai ga wani a gabana wanda ya yi kama da mutum.
Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16 Sai na ji muryar wani mutum daga Ulai tana cewa, “Jibra’ilu, faɗa wa wannan mutum ma’anar wahayin.”
Ary nandre feon’ olona tao afovoan’ i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17 Da ya zo kusa da inda nake tsaye, na firgita na kuma fāɗi rubda ciki. Ya ce da ni “Ɗan mutum, ka gane da cewa wannan wahayi yana magana ne a kan kwanakin ƙarshe.”
Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
18 Yayinda yake magana da ni, barci mai nauyi ya kwashe ni, da nake kwance rubda ciki. Sai ya taɓa ni ya kuma tashe ni tsaye.
Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
19 Sai ya ce, “Zan faɗa maka abin da zai faru a lokacin fushi, saboda wahayin yana magana ne a kan lokacin da aka ƙayyade na ƙarshe.
Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ ny fahatezerana farany; fa ho amin’ ny fotoana any am-parany izany.
20 Rago mai ƙahoni biyu da ka gani, yana a madadin sarakunan Medes da Farisa ne.
Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 Bunsurun kuwa sarkin Girka ne, kuma babban ƙahon da yake tsakanin idanunsa, sarki na farko ne.
Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22 Ƙahoni huɗu da suka maya wannan da ya karye yana a madadin masarautu huɗu da za su tashi daga cikin al’ummarsa amma ba za su sami irin ikonsa ba.
Ary ny amin’ ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23 “Can wajen ƙarshe mulkinsu, sa’ad da muguntarsu ta kai intaha, wani mugun sarki mai rashin hankali, uban makirci, zai fito.
Ary ny hiafaran’ ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24 Zai yi ƙarfi ƙwarai da gaske, amma ba da ikonsa ba. Zai jawo mummunar hallakarwa kuma zai yi nasara a duk abin da ya sa gaba. Zai hallakar da majiya ƙarfi da kuma tsarkaka.
Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ ny herin’ ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masìna.
25 Zai sa yaudara ta ƙara yin yawa, zai ɗaukaka kansa. Sa’ad da suke ji sun sami mafaka, zai hallaka mutane da yawa sa’an nan kuma yă fara gāba da Sarkin sarakuna. Duk da haka za a hallaka shi, amma ba da ikon mutum ba.
Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’ izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
26 “Wahayin nan na safiya da yamma da aka nuna maka gaskiya ne, amma ka ɓoye wahayin, gama ya shafi nan gaba mai tsawo ne.”
Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
27 Ni, Daniyel, na gaji matuƙa na kuma yi rashin lafiya na kwanaki masu yawa. Sa’an nan sai na tashi na ci gaba da hidimar sarki. Wahayin ya shige mini duhu, ya fi ƙarfin fahimtata.
Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ ny mpanjaka; ary ka aho ny amin’ ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.

< Daniyel 8 >