< 2 Sama’ila 6 >
1 Dawuda ya sāke tattara zaɓaɓɓun mutanen Isra’ila, dubu talatin.
Ary novorin’ i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ ny Isiraely, dia telo alina.
2 Shi, da dukan mutanensa suka tashi daga Ba’ala-Yahuda don su hauro da akwatin alkawarin Allah, wanda ake kira da SunanUbangiji Maɗaukaki, wanda yake zama a tsakanin kerubobin da suke a kan akwatin alkawarin.
Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’ Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima.
3 Suka ɗauko akwatin alkawarin Allah a sabuwar keken yaƙi, suka kawo shi daga gidan Abinadab, wanda yake bisa tudu. Uzza da Ahiyo,’ya’yan Abinadab maza, suka bi da keken yaƙin da akwatin alkawarin Allah yake ciki suka bi da keken yaƙin
Ary nataony teo amin’ ny sariety vaovao ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak’ i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.
4 da akwatin alkawarin Allah yake ciki. Ahiyo kuwa yana tafiya a gaban Abinadab.
Ary dia nentiny niala tao an-tranon’ i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan’ ny fiara.
5 Dawuda da dukan gidan Isra’ila suka yi biki sosai da dukan ƙarfinsu a gaban Ubangiji, da waƙoƙi, da molaye, da garayu, da ganguna, da kacau-kacau da kuma kuge.
Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Da suka kai masussukar Nakon, sai Uzza ya miƙa hannu don yă riƙe akwatin alkawarin Allah, gama shanun sun yi tuntuɓe.
Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.
7 Fushin Ubangiji kuwa ya ƙuna a kan Uzza domin aikin rashin bangirma, saboda haka Allah ya buge shi ya kuma mutu a can kusa da akwatin alkawarin Allah.
Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ ny fiaran’ Andriamanitra izy.
8 Ran Dawuda ya ɓace gama fushin Ubangiji ya ɓarke a kan Uzza. Shi ya sa har wa yau ana kira wurin Ferez Uzza.
Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran’ izany tany izany mandraka androany.
9 Dawuda ya ji tsoron Ubangiji a ranar, sai ya ce, “Yaya akwatin alkawarin Ubangiji zai iya zuwa wurina?”
Ary Davida natahotra an’ i Jehovah tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’ i Jehovah?
10 Bai so yă ɗauki akwatin alkawarin Ubangiji yă kasance tare da shi a Birnin Dawuda ba. A maimakon haka sai ya kai shi gidan Obed-Edom mutumin Gat.
Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
11 Akwatin Alkawarin Ubangiji ya kasance a gidan Obed-Edom mutumin Gat har tsawon wata uku, Ubangiji kuwa ya albarkace shi da dukan iyalinsa.
Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita ny fiaran’ i Jehovah; ka dia notahin’ i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12 To, sai aka faɗa wa Sarki Dawuda cewa, “Ubangiji ya sa wa gidan Obed-Edom albarka da dukan abin da yake da shi, saboda akwatin alkawarin Allah.” Saboda haka sai Dawuda ya gangara ya hauro da akwatin alkawarin Allah daga gidan Obed-Edom zuwa Birnin Dawuda da farin ciki.
Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida.
13 Sa’ad da waɗanda suke ɗaukan akwatin alkawarin Ubangiji suka yi tafiya taki shida, sai yă yi hadayar bijimi da saniya mai ƙiba.
Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ i Jehovah, dia namono omby sy zanak’ omby mifahy izy hatao fanatitra.
14 Dawuda, sanye da efod lilin, ya yi ta rawa a gaban Ubangiji da dukan ƙarfinsa,
Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
15 yayinda shi da dukan gidan Isra’ila suka hauro da akwatin alkawarin Ubangiji da sowa da kuma busar ƙahoni.
Ary Davida sy ny taranak’ i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’ i Jehovah tamin’ ny hoby sy ny feon’ ny anjomara.
16 Sa’ad da akwatin alkawarin Ubangiji ya shiga Birnin Dawuda, sai Mikal’yar Shawulu ta leƙa ta taga ta ga Dawuda sarki yana tsalle, yana rawa a gaban Ubangiji, sai ta rena shi a zuciyarta.
Ary nony tonga teo an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17 Suka kawo akwatin alkawarin Ubangiji, aka ajiye shi a inda aka shirya masa a cikin tentin da Dawuda ya shirya dominsa. Dawuda kuma ya miƙa hadaya ta ƙonawa da hadaya ta salama a gaban Ubangiji.
Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah.
18 Bayan ya gama yin hadaya ta ƙonawa da hadaya ta salama, sai ya albarkaci mutane a cikin sunan Ubangiji Maɗaukaki.
Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
19 Sa’an nan ya rarraba abinci, da ƙosai, dabino, da waina ga kowane mutum a cikin dukan jama’ar Isra’ila, maza da mata. Dukan mutane kuwa suka watse zuwa gidajensu.
Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20 Da Dawuda ya koma gida don yă sa wa gidansa albarka, sai Mikal’yar Shawulu ta fito don tă tarye shi, sai ta ce, “Tabbas sarkin Isra’ila ya fiffita kansa yau, ya tuɓe a gaban bayinsa’yan mata, kamar yadda duk marar kunya yakan yi!”
Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21 Dawuda ya ce wa Mikal, “Na yi rawana domin in girmama Ubangiji ne, wanda ya zaɓe ni a maimakon mahaifinki ko wani daga cikin dukan gidansa, shi ne kuma ya sa ni sarki a kan Isra’ila, mutanen Ubangiji, zan yi biki a gaban Ubangiji.
Ary hoy kosa Davida tamin’ i Mikala: Teo anatrehan’ i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon’ i Jehovah, eny, teo anatrehan’ i Jehovah no nitsinjahako.
22 Zan ma mai da kaina abin reni fiye da haka, za a kuma zama abin reni a gare ki. Amma waɗannan bayi’yan matan da kika yi magana a kai, za su gan ni da martaba.”
Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
23 Mikal’yar Shawulu kuwa ba tă haifi ɗa ba har mutuwarta.
Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin’ i Saoly.