< 2 Tarihi 30 >

1 Sai Hezekiya ya aika wa dukan Isra’ila da Yahuda, ya kuma rubuta wasiƙu zuwa Efraim da Manasse, yana gayyatarsu su zo haikalin Ubangiji a Urushalima, su kuma yi Bikin Ƙetarewa ga Ubangiji, Allah na Isra’ila.
Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Sarki da fadawansa da dukan taro a Urushalima suka yanke shawara su yi Bikin Ƙetarewa a wata na biyu.
Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana ny Paska amin’ ny volana faharoa.
3 Ba su iya yinsa a daidai lokacinsa ba domin babu isashen firistocin da suka tsarkake kansu, mutane kuma ba su taru a Urushalima ba.
Nefa tsy nahatandrina azy tamin’ izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4 Shirin ya yi kyau ga sarki da kuma dukan taron.
Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 Suka yanke shawara su yi shelar a ko’ina a Isra’ila, daga Beyersheba zuwa Dan, suna kiran mutane su zo Urushalima, suka kuma yi Bikin Ƙetarewa ga Ubangiji Allah na Isra’ila. Ba a yi bikin da mutane masu yawa bisa ga abin da aka rubuta ba.
Dia nandidy handefa teny eran’ ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ ny olona hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
6 Bisa ga umarnin sarki, sai’yan aika suka tafi ko’ina a Isra’ila da Yahuda da wasiƙu daga sarki da kuma daga fadawansa, wasiƙar tana cewa, “Mutanen Isra’ila, ku dawo ga Ubangiji Allah na Ibrahim, Ishaku da Isra’ila, domin yă dawo gare ku, ku da kuka tafi, ku da kuka kuɓuce daga hannun sarakuna Assuriya.
Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
7 Kada ku zama kamar iyayenku da’yan’uwanku, waɗanda suka yi rashin aminci ga Ubangiji Allah na kakanninsu, har ya mai da su abin tsoro, yadda kuke gani.
Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
8 Kada ku yi taurinkai, yadda iyayenku suka yi; ku miƙa kai ga Ubangiji. Ku zo wuri mai tsarki, wanda ya tsarkake har abada. Ku bauta wa Ubangiji Allahnku, domin fushi mai zafi yă juye daga gare ku.
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
9 In kuka dawo wurin Ubangiji, sa’an nan waɗanda suka kama’yan’uwanku da’ya’yanku za su nuna musu tausayi, su kuma dawo wannan ƙasa, gama Ubangiji Allahnku mai alheri ne mai jinƙai kuma. Ba zai kau da fuskarsa daga gare ku ba, in kuka dawo gare shi.”
Fa raha miverina amin’ i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
10 ’Yan aika suka tafi gari-gari a cikin Efraim da Manasse, har zuwa Zebulun, amma mutane suka yi musu dariyar reni, suka kuma yi musu ba’a.
Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ ny Zebolona; fa nihomehezan’ ny olona sy novazivaziny foana izy.
11 Duk da haka, waɗansu mutanen Asher, Manasse da Zebulun suka ƙasƙantar da kansu suka tafi Urushalima.
Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
12 Haka ma a Yahuda, hannun Allah yana a kan mutane don yă ba su zuciya ɗaya su yi abin da sarki da fadawansa suka umarta, suna bin maganar Ubangiji.
Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
13 Taron mutane mai girma ya haɗu a Urushalima don Bikin Burodi Marar Yisti a wata na biyu.
Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
14 Suka kawar da bagadai a Urushalima suka fid da bagadan turare suka zubar da su a Kwarin Kidron.
Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
15 Suka yanka ɗan ragon Bikin Ƙetarewa a rana ta goma sha huɗu na wata na biyu. Firistoci da Lawiyawa suka ji kunya suka tsarkake kansu, suka kawo hadayun ƙonawa a haikalin Ubangiji.
Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
16 Sa’an nan suka ɗauki matsayinsu na kullum yadda yake a Dokar Musa mutumin Allah. Firistoci suka yayyafa jinin da Lawiyawa suka ba su.
Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan’ ny Levita.
17 Da yake da yawa cikin taron ba su tsarkake kansu ba, dole Lawiyawa su yanka’yan ragunan Bikin Ƙetarewa domin dukan waɗanda ba su da tsarki, ba su kuma iya tsarkake ragunansu ga Ubangiji ba.
Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.
18 Ko da yake yawancin mutanen da suka zo daga Efraim, Manasse, Issakar da Zebulun ba su tsarkake kansu ba, duk da haka suka ci Bikin Ƙetarewa, ba tare da bin abin da yake a rubuce ba. Amma Hezekiya ya yi addu’a dominsu cewa, “Bari Ubangiji, wanda yake nagari, yă gafarta wa kowa
Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19 wanda ya sa zuciyarsa ga neman Allah, Ubangiji Allah na kakanninsa, ko da shi marar tsarki ne bisa ga dokokin wuri mai tsarki.”
izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
20 Ubangiji kuwa ya ji Hezekiya ya kuma warkar da mutane.
Ary Jehovah nihaino an’ i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21 Isra’ilawan da suka kasance a Urushalima suka yi Bikin Burodi Marar Yisti kwana bakwai da farin ciki mai girma, yayinda Lawiyawa da firistoci suke rera ga Ubangiji kowace rana, haɗe da kayan kiɗin yabon Ubangiji.
Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.
22 Hezekiya ya yi magana mai ƙarfafawa ga dukan Lawiyawa waɗanda suka nuna ganewar fasaha a hidimar Ubangiji. Kwana bakwai suka ci rabonsu da aka tsara, suka miƙa hadayun salama, suka kuma yabi Ubangiji Allah na kakanninsu.
Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
23 Dukan mutanen suka yarda su ƙara kwana bakwai kuma, sai suka ci gaba da bikin cikin farin ciki har waɗansu kwana bakwai kuma.
Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.
24 Hezekiya sarkin Yahuda ya tanada bijimai dubu ɗaya da tumaki da kuma awaki dubu bakwai wa taron, fadawa kuma suka tanada musu bijimai dubu da kuma tumaki da awaki dubu goma. Firistoci masu yawa suka tsarkake kansu.
Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
25 Taron gaba ɗaya na Yahuda suka yi farin ciki, tare da firistoci da kuma Lawiyawa da dukan waɗanda suka taru daga Isra’ila, har ma da baƙi waɗanda suka zo daga Isra’ila da waɗanda suke zama a Yahuda.
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ ny Isiraely mbamin’ ny vahiny izay avy tany amin’ ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26 Aka yi farin ciki mai girma a Urushalima, gama tun zamanin Solomon ɗan Dawuda sarkin Isra’ila, ba a taɓa yin wani abu kamar haka a Urushalima ba.
Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ ny andron’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
27 Firistoci da Lawiyawa suka tsaya suka albarkace mutane, Allah kuma ya ji su, gama addu’arsu ya kai sama, mazauninsa mai tsarki.
Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.

< 2 Tarihi 30 >