< 2 Tarihi 15 >

1 Sai Ruhun Allah ya sauko a kan Azariya ɗan Oded.
Ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Azaria, zanak’ i Odeda;
2 Ya fita ya je ya sadu da Asa ya kuma faɗa masa, “Ka saurare ni, Asa da kuma dukan Yahuda da Benyamin. Ubangiji yana tare da ku sa’ad da kuke tare da shi. In kuka neme shi, za ku same shi, amma in kuka yashe shi, zai yashe ku.
ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
3 Tun da daɗewa Isra’ila ba su da Allah na gaskiya, babu firist da zai koyar, kuma babu doka.
Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
4 Amma cikin wahalarsu suka juya ga Ubangiji, Allah na Isra’ila, suka kuma neme shi, suka kuwa same shi.
Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
5 A waɗancan kwanaki akwai hatsari a yin tafiye-tafiye, gama dukan mazaunan ƙasashe suna cikin babbar damuwa.
Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany.
6 Wata ƙasa takan murƙushe wata, wani birni kuma yakan murƙushe wani, domin Allah ya wahalshe su da kowace irin damuwa.
Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ ny fahoriana rehetra.
7 Amma game da ku, ku ƙarfafa kada ku fid da zuciya, gama za a ba ku ladan aikinku.”
Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8 Sa’ad da Asa ya ji waɗannan kalmomin da annabcin Azariya ɗan Oded annabi ya faɗa, sai ya sami ƙarfi hali. Ya kawar da gumaka masu banƙyama daga dukan ƙasar Yahuda da Benyamin da kuma daga garuruwan da ya ci da yaƙi a ƙasar tudu ta Efraim. Ya gyaggyara bagaden Ubangiji da yake a gaban shirayin haikalin Ubangiji.
Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.
9 Sa’an nan ya tattara dukan Yahuda da Benyamin da kuma mutane daga Efraim, Manasse da Simeyon waɗanda suke zaune a cikinsu, gama jama’a mai girma ta zo wurinsa daga Isra’ila sa’ad da suka ga cewa Ubangiji Allahnsa yana tare da shi.
Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
10 Suka taru a Urushalima a wata na uku na shekara ta goma sha biyar ta mulkin Asa.
Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa.
11 A lokacin suka miƙa hadaya bijimai ɗari bakwai da tumaki da kuma awaki dubu bakwai ga Ubangiji daga ganimar da suka dawo da ita.
Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo.
12 Suka yi alkawari don su nemi Ubangiji Allah na kakanninsu, da dukan zuciyarsu da kuma dukan ransu.
Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
13 Aka kashe dukan waɗanda ba su nemi Ubangiji, Allah na Isra’ila ba, ko ƙarami ko babba, namiji ko ta mace.
ka na iza na iza tsy mety mitady an’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14 Suka yi rantsuwa ga Ubangiji da babbar murya, da ihu da garayu da ƙahoni.
Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy.
15 Dukan Yahuda suka yi farin ciki game da rantsuwar domin sun yi rantsuwar gabagadi. Suka nemi Allah da gaske, suka kuma same shi. Saboda haka Ubangiji ya ba su hutu a kowane gefe.
Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’ i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin’ ny manodidina fahizay.
16 Sarki Asa ya tuɓe mahaifiyar mahaifiyarsa daga matsayinta na mahaifiyar sarauniya, domin ta gina ginshiƙin banƙyama na Ashera. Asa ya rurrushe shi, ya farfasa shi ya kuma ƙone shi a Kwarin Kidron.
Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 Ko da yake bai kawar da masujadan kan tudu daga Isra’ila ba, zuciyar Asa ta cika da bin Ubangiji dukan kwanakinsa.
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.
18 Ya kawo azurfa da zinariya da kayayyaki a haikalin Allah waɗanda shi da mahaifinsa suka keɓe.
Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
19 Ba a ƙara yin yaƙi ba sai a shekara ta talatin da biyar ta mulkin Asa.
Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan’ i Asa.

< 2 Tarihi 15 >