< 1 Sama’ila 7 >

1 Mutanen Kiriyat Yeyarim suka ɗauki akwatin alkawarin Ubangiji. Suka kai a gidan Abinadab da ke kan tudu, suka keɓe Eleyazar ɗansa yă lura da akwatin alkawarin Ubangiji.
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
2 Akwatin Alkawarin ya daɗe a Kiriyat Yeyarim ya kai shekara ashirin cif. Sai dukan mutanen Isra’ila suka yi makoki suka nemi Ubangiji.
Ary hatramin’ izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’ i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’ Isiraely rehetra nalahelo an’ i Jehovah.
3 Saboda haka Sama’ila ya yi magana da dukan gidan Isra’ila ya ce, in har da zuciya ɗaya kuke juyowa ga Ubangiji sai ku raba kanku da baƙin alloli da gunkin nan Ashtarot, ku ba da kanku ga Ubangiji. Ku yi masa bauta shi kaɗai, zai kuɓutar da ku daga hannun Filistiyawa.
Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy.
4 Sai Isra’ilawa suka rabu da gumakan Ba’al da Ashtarot suka bauta wa Ubangiji kaɗai.
Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany.
5 Sama’ila ya ce, “Ku tattara dukan Isra’ila a Mizfa, ni kuwa zan yi addu’a ga Ubangiji dominku.”
Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’ i Jehovah ho anareo aho.
6 Sa’ad da suka taru a Mizfa, suka kawo ruwa suka zuba a gaban Ubangiji. A wannan rana suka yi azumi suka tuba, suka ce, “Mun yi wa Ubangiji zunubi!” Sama’ila kuwa ya zauna a Mizfa ya yi mulkin Isra’ilawa.
Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
7 Da Filistiyawa suka ji cewa Isra’ila sun taru a Mizfa, sai shugabanninsu suka zo don su yaƙe Isra’ila. Da Isra’ilawa suka ji labarin, sai suka tsorata saboda Filistiyawa.
Ary rehefa ren’ ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’ Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’ Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8 Suka ce wa Sama’ila, “Kada ka fasa kai kukanmu ga Ubangiji Allahnmu saboda mu, don yă cece mu daga hannun Filistiyawa.”
Dia hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’ i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ ny tanan’ ny Filistina.
9 Sama’ila ya kama ɗan rago ya miƙa shi ɗungum hadaya ta ƙonawa ga Ubangiji. Ya yi roƙo ga Ubangiji a madadin Isra’ila, Ubangiji kuwa ya amsa addu’arsa.
Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10 Lokacin da Sama’ila yana miƙa hadaya ta ƙonawa, Filistiyawa suka matso kusa don su yi yaƙi da Isra’ila. A ranar Ubangiji ya sa babban tsawa ya ruɗar da Filistiyawa har suka gudu a gaban Isra’ilawa.
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ ny Filistina tamin’ izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ ny Isiraely izy.
11 Isra’ilawa suka fito a guje daga Mizfa suka fafari Filistiyawa suka yi ta karkashe su a hanya har kwarin Bet-Kar.
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’ i Beti-kara.
12 Sa’an nan Sama’ila ya ɗauki dutse ya kafa tsakanin Mizfa da Shen, ya sa masa suna, Ebenezer ma’ana, “Har zuwa wannan lokaci Ubangiji ya taimake mu.”
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.
13 Ta haka Isra’ilawa suka ci Filistiyawa. Daga ranan Filistiyawa ba su ƙara yin nasara a kan Isra’ila ba. Ubangiji ya yi gāba da Filistiyawa har ƙarshen zamanin Sama’ila.
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela.
14 Filistiyawa suka mayar wa Isra’ila da garuruwan da suka ƙwato, wato, daga Ekron zuwa Gat, dukan yankin ƙasarsu da yake ƙarƙashin ikon Filistiyawa. Aka kuma sami zaman lafiya tsakanin Isra’ilawa da Amoriyawa.
Ary ny tanàna izay efa nalain’ ny Filistina tamin’ ny Isiraely dia azon’ ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ ireo dia nalain’ ny Isiraely tamin’ ny tanan’ ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15 Sama’ila kuwa ya ci gaba da mulkin Isra’ila dukan rayuwarsa.
Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainany.
16 Shekara-shekara Sama’ila yakan fita rangadi zuwa Betel, da Gilgal da Mizfa inda yakan yi musu shari’a.
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ ireo tanàna rehetra ireo.
17 Amma yakan komo Rama inda gidansa yake, a nan yakan yi wa Isra’ila shari’a. A nan ne kuma ya gina wa Ubangiji bagade.
Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’ i Jehovah.

< 1 Sama’ila 7 >