< 1 Sama’ila 21 >

1 Dawuda ya tafi Nob a wurin Ahimelek firist. Da Ahimelek ya gan shi sai ya firgita ya ce, “Me ya sa kai kaɗai ne? Me ya sa ba wani tare da kai?”
Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
2 Dawuda ya ce wa Ahimelek firist, “Na zo aikin sarki ne, ya kuwa ce kada in sanar wa kowa abin da ya sa in yi. Na faɗa wa mutanena inda za su same ni.
Dia hoy Davida tamin’ i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’ olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
3 Yanzu, me kake da shi a hannu? Ka ba ni burodi guda biyar, ko wani abu da kake da shi a nan.”
Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
4 Amma firist ya ce wa Dawuda, “Ba ni da burodi iri na kowa da kowa, sai dai akwai burodin da aka tsarkake. Za ka iya ɗauka ku ci idan mutanenka ba su kwana da mata ba.”
Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
5 Dawuda ya ce, “Lalle ne a keɓe muke daga mata. Mutanena sukan keɓe kansu a koyaushe suka tashi’yar tafiya, balle fa a yau!”
Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
6 Don haka firist ya ba shi keɓaɓɓen burodi, tun da yake babu wani burodi a can sai dai burodin Kasancewa da aka cire daga gaban Ubangiji, aka sa burodi mai zafi a maimakon wanda aka cire a ranar.
Ary ny mpisorona nanome azy mofo masìna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’ i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ ny andro nanesorana azy.
7 A ranar kuwa, ɗaya daga cikin bayin Shawulu yana can, a tsare a gaban Ubangiji, sunansa Doyeg, mutumin Edom, shugaban makiyayan Shawulu.
(Nefa nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ i Saoly teo tamin’ izany andro izany, voahazona teo anatrehan’ i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ ny mpiandrin’ i Saoly izy.)
8 Dawuda ya ce wa Ahimelek, “Ba ka da māshi ko takobi a nan? Ban kawo māshina ko wani makami ba gama saƙon sarki ya zo mini da gaggawa.”
Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka.
9 Sai firist ya ce, “Takobin Goliyat Bafilistin nan wanda ka kashe a Kwarin Ela yana nan. An naɗe shi da ƙyallen aka ajiye a bayan Efod, in kana so, sai ka ɗauka. Ba wani takobi kuma sai wancan.” Dawuda ya ce, “Ba ni shi, ai, ba wani kamar sa.”
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
10 A ranar, Dawuda ya gudu daga wajen Shawulu ya tafi wuri Akish sarkin Gat.
Ary Davida niainga nandositra tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ i Saoly, dia nankany amin’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata.
11 Amma bayin Akish suka ce masa, “Wannan ba shi ne Dawuda sarkin ƙasar ba? Ashe, ba shi ne aka yi ta yin waƙoƙi a kansa, ana raye-raye, ana cewa, “Shawulu ya kashe dubbai, Dawuda kuwa ya kashe dubun dubbai?”
Ary hoy ny mpanompon’ i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
12 Dawuda ya riƙe waɗannan kalmomi a zuciyarsa, ya kuma ji tsoron Akish sarkin Gat sosai.
Ary dia nalatsak’ i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata, indrindra izy.
13 Don haka sai ya yi kamar ya taɓu a gabansu. A duk lokacin da yake tare da su, sai yă yi kamar ya haukace. Ya yi ta zāne-zāne a ƙofofi, ya bar miyau yana ta bin gemunsa.
Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ ny somony ny iviny.
14 Akish ya ce wa bayinsa, “Duba, wannan mutum yana hauka. Me ya sa kuka kawo shi a wurina?
Ary hoy Akisy tamin’ ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
15 Na rasa masu hauka ne da za ku kawo mini wannan mutum yă yi ta hauka a gabana? Dole ne wannan mutum yă shiga gidana?”
Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?

< 1 Sama’ila 21 >