< 1 Sarakuna 1 >

1 Sa’ad da Sarki Dawuda ya tsufa ya kuma ƙara shekaru, ba ya iya jin ɗumi ko an rufe shi da abin rufuwa.
Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2 Saboda haka bayinsa suka ce masa, “Bari mu nemi wata budurwa wadda za tă yi wa ranka yă daɗe, sarki hidima, tă kuma kula da shi. Za tă dinga kwanta kusa da ranka yă daɗe, yă ji ɗumi.”
Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan’ ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3 Suka nemi kyakkyawar yarinya cikin fāɗin Isra’ila, sai suka sami Abishag, mutuniyar Shunam, suka kawo ta wa sarki.
Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra izy ka nahita an’ i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin’ ny mpanjaka.
4 Yarinyar kuwa kyakkyawa ce ƙwarai; ta kuwa lura da sarki, ta kuma yi masa hidima, amma sarki bai yi jima’i da ita ba.
Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
5 Adoniya, wanda mahaifiyarsa ce Haggit, ya fito ya ce, “Zan zama sarki.” Saboda haka ya nemi kekunan yaƙi, ya kuma shirya dawakai, tare da mutane hamsin da za su sha gabansa.
Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6 (A duk rayuwarsa mahaifinsa bai taɓa tsawata masa yă ce, “Me ya sa kake yin haka ba?” Shi kuwa mai kyan gani ne ƙwarai, shi ne aka haifa bayan Absalom.)
Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an’ i Absaloma.
7 Adoniya ya haɗa baƙi da Yowab ɗan Zeruhiya da kuma Abiyatar firist, suka kuma ba shi goyon baya.
Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8 Amma Zadok firist, Benahiya ɗan Yehohiyada, annabi Natan, Shimeyi, Reyi da kuma matsara na musamman na Dawuda ba su bi Adoniya ba.
Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an’ i Davida kosa tsy mba niandany tamin’ i Adonia.
9 Wata rana Adoniya ya tafi Dutsen Zohelet kusa da En Rogel, inda ya yi hadayar tumaki, da shanun noma, da shanun da ake kiwo a gida. Ya kuma gayyaci’yan’uwansa, wato, sauran’ya’yan Sarki Dawuda, tare da dukan dattawan sarki da suka fito daga Yahuda,
Ary Adonia namono ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby mifahy teo anilan’ ny vato Zoheleta tanilan’ i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, mpanompon’ ny mpanjaka;
10 amma bai gayyaci annabi Natan, ko Benahiya, ko wani daga matsara na musamman, ko kuwa ɗan’uwansa Solomon ba.
fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
11 Sai Natan ya ce wa Batsheba, mahaifiyar Solomon, “Ki san cewa Adoniya, ɗan Haggit, ya zama sarki ba tare da sanin ranka yă daɗe, sarkinmu Dawuda ba?
Ary Natana niteny tamin’ i Batseba, renin’ i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak’ i Hagita, nefa tsy fantatr’ i Davida tompontsika akory izany?
12 Yanzu bari in ba ki shawara yadda za ki cece ranki da kuma ran ɗanki Solomon.
Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain’ i Solomona zanakao.
13 Ki shiga wurin Sarki Dawuda ki ce masa, ‘Ranka yă daɗe sarki, ba ka rantse mini ni baiwarka cewa, “Tabbatacce Solomon ɗanka ne zai zama sarki bayana, yă kuma zauna a kujerar sarautar ba”? To, me ya sa Adoniya ya zama sarki?’
Mandehana mankany amin’ i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14 Yayinda kike can kina magana da sarki, zan shiga in kuma tabbatar da abin da kika faɗa.”
Ary raha mbola miteny amin’ ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15 Saboda haka Batsheba ta je don tă ga sarki. A yanzu dai sarki ya tsufa, yana nan kuma a cikin ɗakinsa, inda Abishag mutuniya Shunam take masa hidima.
Ary Batseba dia nankao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16 Batsheba ta rusuna ta kuma durƙusa a gaban sarki. Sai sarki ya tambaye ta ya ce, “Me kike so?”
Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17 Ta ce masa, “Ranka yă daɗe, kai kanka ka rantse mini ni baiwarka da sunan Ubangiji Allahnka cewa, ‘Solomon ɗanka zai zama sarki bayana, zai kuma zauna a kujerar sarautata.’
Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
18 Amma yanzu Adoniya ya zama sarki, kai kuwa ranka yă daɗe sarki, ba ka san wani abu game da shi ba.
Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19 Ya miƙa hadayun shanu, da shanun da ake kiwo a gida, da tumaki masu yawa, ya kuma gayyaci dukan’ya’yan sarki maza, da Abiyatar firist, da Yowab shugaban mayaƙa, amma bai gayyaci Solomon bawanka ba.
Ary efa namono omby sy zanak’ omby mifahy ary ondry aman’ osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin’ ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20 Ranka yă daɗe sarki, idanun dukan Isra’ila suna a kanka, domin su san wa zai zauna a kujerar ranka yă daɗe sarkina, a bayanka.
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21 In ba haka, bayan an binne ranka yă daɗe sarki, tare da kakanninsa, za a wulaƙance ni da Solomon ɗana, kamar masu laifi.”
Fa rehefa lasa modi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22 Yayinda take cikin magana tare da sarki, sai annabi Natan ya iso.
Ary raha mbola niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, dia, indro, niditra koa Natana mpaminany.
23 Sai aka faɗa wa sarki, “Ga annabi Natan.” Da Natan ya je gaban sarki, sai ya rusuna da fuskarsa har ƙasa.
Ary nisy nanambara amin’ ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
24 Natan ya ce, “Ranka yă daɗe, sarki, ko ka furta cewa Adoniya ne zai zama sarki a bayanka, yă kuma zauna a kujerar sarautarka?
Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
25 Yau ya gangara, ya kuma miƙa hadayun shanu, da shanun da ake kiwo a gida, da tumaki masu yawa. Ya gayyaci dukan’ya’yan sarki maza, da shugaban mayaƙa, da kuma Abiyatar firist. A yanzu haka suna ci, suna sha, tare da shi, suna cewa, ‘Ran Sarki Adoniya yă daɗe!’
Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26 Amma bai gayyace ni bawanka, da Zadok firist, da Benahiya ɗan Yehohiyada, da kuma bawanka Solomon ba.
Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27 Ranka yă daɗe, sarki, ko ka tabbatar da haka, amma ba ka ko faɗa wa fadawanka, cewa ga wanda zai gāje Ranka yă daɗe, sarki ba?”
Moa avy tamin’ ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28 Sai Dawuda ya ce, “Kira Batsheba tă shiga.” Sai ta zo gaban sarki ta kuma tsaya a gabansa.
Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29 Sai sarki ya yi rantsuwa, “Muddin Ubangiji yana a raye, wanda ya cece ni daga kowace damuwa,
Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin’ ny fahoriana rehetra,
30 tabbatacce a yau zan aikata abin da na yi miki rantsuwa da sunan Ubangiji, Allah na Isra’ila; Solomon ɗanki zai zama sarki bayana, kuma shi zai zauna a kan kujerar sarautata a maimakona.”
dia tahaka ilay nianianako tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31 Sai Batsheba ta rusuna da fuskarta har ƙasa, ta kuma durƙusa a gaban sarki ta ce, “Bari ran Sarkina Dawuda yă daɗe, har abada!”
Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
32 Sarki Dawuda ya ce, “Ku kira mini Zadok firist, annabi Natan, da Benahiya ɗan Yehohiyada.” Da suka zo gaban sarki,
Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak’ i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy telo lahy.
33 sai ya ce musu, “Ku ɗauki bayin sarki tare da ku, ku kuma sa ɗana Solomon a kan dokina, ku gangara da shi zuwa Gihon.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midìna any Gihona izy.
34 A can ku sa Zadok firist, da annabi Natan su shafe shi sarki a bisa Isra’ila. Ku busa ƙaho, ku kuma yi ihu, kuna cewa, ‘Ran Sarki Solomon yă daɗe!’
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35 Sa’an nan ku haura tare da shi, zai kuwa zo yă zauna a kujera sarautata, yă yi mulki a maimakona. Na naɗa shi mai mulki a bisa Isra’ila da Yahuda.”
Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36 Benahiya ɗan Yehohiyada ya amsa wa sarki, ya ce, “Amin! Bari Ubangiji Allah na ranka yă daɗe sarkina, yă tabbatar da haka.
Ary Benaja, zanak’ i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37 Kamar yadda Ubangiji ya kasance da ranka yă daɗe, sarki, haka ma bari yă kasance da Solomon, yă kuma mai da kujerar sarautarsa tă fi kujerar sarautar ranka yă daɗe, Sarki Dawuda, girma!”
Toy ny nomban’ i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’ i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan’ i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’ i Solomona.
38 Sai Zadok firist, annabi Natan, Benahiya ɗan Yehohiyada, Keretawa, da Feletiyawa suka gangara, suka sa Solomon a kan dokin Sarki Dawuda, suka raka shi zuwa Gihon.
Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an’ i Solomona ny ampondravavin’ i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
39 Zadok firist ya ɗauki ƙahon mai daga tenti mai tsarki, ya shafe Solomon. Sa’an nan suka busa ƙaho, sai dukan mutane suka yi ihu, suna cewa “Ran Sarki Solomon yă daɗe!”
Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40 Dukan mutane kuwa suka haura suka bi shi, suna busan sarewa, suna farin ciki sosai, har ƙasa ta girgiza saboda sowa.
Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
41 Adoniya tare da dukan baƙin da suke tare da shi kuwa suka ji wannan sa’ad da suke gama bikinsu. Da jin busan ƙaho, sai Yowab ya yi tambaya, ya ce, “Me ya jawo surutu haka a birni?”
Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon’ ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42 Tun yana cikin magana, sai Yonatan ɗan Abiyatar ya iso. Adoniya ya ce, “Shigo! Ai, mutumin kirki irinka, lalle ka kawo labari mai daɗi ne.”
Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak’ i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43 Yonatan ya ce wa Adoniya, “A ina! Ranka yă daɗe, Sarkinmu Dawuda ya naɗa Solomon sarki.
Fa Jonatana niteny ka nanao tamin’ i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an’ i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44 Sarki ya aika shi tare da Zadok firist, annabi Natan, Benahiya ɗan Yehohiyada, Keretawa, da Feletiyawa, suka sa shi a kan dokin sarki,
Ary ny mpanjaka efa naniraka an’ i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin’ ireo ny ampondravavin’ ny mpanjaka izy.
45 Zadok firist kuwa da annabi Natan sun shafe shi sarki a Gihon. Daga can suka haura suna kirari, birni kuwa ta ɓarke da sowa. Surutun da kake ji ke nan.
Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46 Ban da haka ma, Solomon ne sarki yanzu.
Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana.
47 Yanzu haka, fadawa sun zo suna wa ranka yă daɗe, Sarki Dawuda, sam barka, suna cewa, ‘Bari Allahnka yă sa sunan Solomon yă zama sananne fiye da naka, bari kuma sarautarsa tă fi taka girma!’ Sarki kuwa ya rusuna, ya yi sujada a kan gadonsa
Ary dia tonga koa ny mpanompon’ ny mpanjaka hisaotra an’ i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’ Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’ i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48 ya ce, ‘Yabo ga Ubangiji, Allah na Isra’ila, wanda ya bar idanuna suka ga magāji a kan kujerar sarautata a yau.’”
ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
49 A nan fa, dukan baƙin Adoniya suka taso da rawar jiki suka watse.
Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain’ i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin’ izay nalehany avy izy rehetra.
50 Amma Adoniya, don tsoron Solomon, ya je ya kama ƙahon bagade ya riƙe.
Ary Adonia koa natahotra an’ i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51 Sa’ad da aka faɗa wa Solomon cewa, “Adoniya yana tsoron Sarki Solomon, kuma ya manne wa ƙahonin bagade. Yana cewa, ‘Bari Sarki Solomon yă rantse mini a yau cewa ba zai kashe bawansa da takobi ba.’”
Ary nambara tamin’ i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an’ i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ ny sabatra.
52 Solomon ya amsa ya ce, “In ya nuna kansa mai biyayya, ba gashin kansa da zai fāɗi ƙasa; amma in aka same mugunta a cikinsa, zai mutu.”
Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53 Sai Sarki Solomon ya aiki mutane, suka kuma sauko da shi daga bagade. Adoniya kuwa ya zo, ya rusuna wa Sarki Solomon, sai Solomon ya ce, “Tafi gidanka.”
Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin’ ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.

< 1 Sarakuna 1 >