< 1 Sarakuna 7 >
1 Ya ɗauki Solomon shekaru goma sha uku kafin yă gama gina fadarsa.
Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
2 Ya gina fadarsa mai suna Kurmin Lebanon, tsawonsa kamu ɗari, fāɗinsa kamu hamsin, tsayinsa kuma kamu talatin, a bisa jeri huɗu na ginshiƙan itacen al’ul, aka shimfiɗa katakan itacen al’ul a bisa ginshiƙan.
Fa nanao ilay trano Alan’ i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin’ ny andry sedera efatra an-dalana mbamin’ ny sedera rairainy teo ambonin’ ny andry.
3 Aka yi rufin da al’ul bisa ginshiƙan da suke bisa ginshiƙai arba’in da biyar, goma sha biya a kowane jeri.
Ary ireo efi-trano teo ambonin’ ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin’ ny folo isan’ an-dalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
4 Aka kuma yi tagogi masu sandunan ƙarfe, jeri uku, kowace taga tana ɗaura da’yar’uwarta, har jeri uku.
Ary ny rairainy dia telo an-dalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
5 Dukan ƙofofin da madogaransu murabba’i ne, taga kuma tana ɗaura da’yar’uwarta har jeri uku.
Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
6 Ya yi babban zaure mai ginshiƙai, tsawonsa kamu hamsin, fāɗinsa kuwa kamu talatin. A gabansa kuwa akwai shirayi, kuma a gaban wannan shirayi akwai ginshiƙai da kuma rufin da yake a shimfiɗe.
Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’ io.
7 Ya kuma gina shirayi ta sarauta, da ya kira Zauren Adalci, inda zai riƙa yin shari’a, ya kuma rufe dukan daɓensa da itacen al’ul daga ƙasa har sama.
Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran’ ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.
8 A fadar da zai zauna kuwa, wadda aka gina a can baya, ya yi ta da irin fasali guda. Solomon ya kuma yi wata fada kamar wannan zaure domin’yar Fir’auna, wadda ya auro.
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin’ ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin’ io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an’ ny zanakavavin’ i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
9 Dukan waɗannan gine-gine, daga waje zuwa babban fili, da kuma daga tushen zuwa rufin, an yi su da duwatsun da aka yanka, aka kuma gyara da zarto a fuskokinsu na ciki da waje.
Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin’ ny fanambaniny ka hatramin’ ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin’ ny kianja lehibe.
10 Aka kafa tushen da manyan duwatsu masu kyau, tsayin waɗansunsu ya kai kamu goma, waɗansu kuma kamu takwas.
Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
11 A can bisa akwai duwatsu masu tsada da aka yayyanka bisa ga ma’auni, da kuma ginshiƙan al’ul.
Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
12 An kewaye babban filin da katanga da jerin uku-uku na duwatsun da aka gyara, da kuma jeri guda na gyararren al’ul, kamar yadda aka yi na filin cikin haikalin Ubangiji da shirayinsa.
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana, tahaka ny amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah sy amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny trano.
13 Sarki Solomon ya aika zuwa Taya aka kuma kawo Huram,
Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an’ i Hirama avy tany Tyro.
14 wanda mahaifiyarsa gwauruwa ce daga kabilar Naftali, wanda kuma mahaifinsa mutumin Taya ne, shi Huram, gwani ne a aikin tagulla. Huram gwani ne sosai kuma ya saba da yin kowane irin aikin tagulla. Sai ya zo wurin Sarki Solomon ya kuma yi dukan aikin da aka sa shi.
Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
15 Ya yi ginshiƙan tagulla, kowanne tsayinsa kamu goma sha takwas, ya kuma yi guru mai kamu goma sha biyu, kewaye da shi.
Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
16 Ya yi dajiyoyi biyu na zubin tagulla don yă sa a bisa ginshiƙai; kowace dajiya tsayinta kamu biyar ne.
Ary nanao kapitaly varahina roa an-idina izy hatao eo amin’ ny tampon’ ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
17 Aka yi yanar tuƙaƙƙun sarƙoƙi aka ɗaura dajiyoyin a bisa ginshiƙai guda bakwai don kowace dajiya.
ary harato sy fesitona miolana amin’ ny kapitaly izay teo amin’ ny tampon’ ny andry avy: fito amin’ ny kapitaly iray, ary fito koa amin’ ny kapitaly iray.
18 Ya yi rumman jeri biyu kewaye da kowace yanar don yă yi adon dajiyoyin a bisa ginshiƙan. Haka kuma ya yi wa ɗaya dajiyar.
Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa an-dalana manodidina tamin’ ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin’ ny kapitaly iray.
19 Dajiyoyin da suke a bisa ginshiƙan a shirayi suna da fasalin furen bi-rana, tsayinsu kamu huɗu-huɗu ne.
Ary ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin’ ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
20 A inda kan ginshiƙin ya buɗu kamar kwano, sama da zāne-zānen sarƙar, an yi zāne-zānen rumman wajen ɗari biyu, layi-layi kewaye da kawunan ginshiƙan nan.
ary ny kapitaly teo an-tampon’ ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin’ ny kibony izay anatin’ ny harato; ary nisy sarin’ ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21 Ya ta da ginshiƙai a shirayin haikali. Ya ba wa ginshiƙi na wajen kudu sunan Yakin, na wajen arewa kuma ya kira Bowaz.
Ary ny andry dia natsangany teo amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
22 Dajiyoyin da suke a bisa suna da fasalin bi-rana ne. Ta haka aka gama aiki a kan ginshiƙan.
Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon’ ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin’ ny andry.
23 Sai Huram ya yi wani ƙaton kwano na ƙarfen tagulla, da ya kira Teku. Zurfin kwanon nan kamu bakwai da rabi, fāɗinsa kamu goma sha biyar, da’irarsa kuma kamu talatin ne.
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben’ ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
24 A kewayen bakin ƙaton kwanon akwai layi biyu na siffofin goran ƙarfen tagulla, akwai gora shida cikin kowane ƙafa. An yi zubinsu haɗe da kwanon nan da kira Teku.
Ary tambanin’ ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin’ ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa an-dalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin’ ny tavin-drano.
25 Kwanon ya tsaya a kan siffofin bijimai goma sha biyu, uku suna fuskantar arewa, uku suna fuskantar yamma, uku suna fuskantar kudu, sa’an nan uku suna fuskantar gabas. Kwanon da ya kira Teku ya zauna a kansu, gindin siffofin bijimai goma sha biyun nan suna wajen tsakiya.
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin’ ireo, ary niady vody izy rehetra.
26 Kaurin kwanon ya kai tafin hannu, kuma da’iransa ya yi kamar da’iran kwaf, kamar bi-ranar da ta buɗe. Wannan kwanon da aka kira Teku yakan ci garwa dubu biyu.
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
27 Ya kuma yi dakalai guda goma na tagulla da ake iya matsar da su; kowane tsawonsa kamu huɗu ne, fāɗinsa kamu huɗu, tsayinsa kuma kamu uku.
Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan’ ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
28 Ga yadda aka yi dakalan, dakalan suna da ɓangarori haɗe da mahaɗai.
Ary toy izao ny asa amin’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin’ ny sisiny;
29 A bisa sassan tsakanin mahaɗan, akwai siffofin zakoki, bijimai da kuma kerubobi, suna a kan mahaɗan su ma. A sama da kuma ƙasan siffofin zakokin da na bijiman kuwa akwai hotunan furanni.
ary tamin’ ny kobany izay nohodidinin’ ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin’ ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin’ ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
30 Kowane dakali yana da ƙafa huɗu na tagulla kamar na keken yaƙi, da sandunan tagulla don sa kwanon nan da aka kira Teku. A kusurwoyin akwai abubuwan zubi don riƙe kwanon. An zāna furanni a kowane gefensu.
Ary isan’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin’ ny tavin-drano no nisy ny sorony an-idina manandrify ny fesitona tsirairay.
31 A dakalin daga ciki, akwai bakin da yake da’ira, mai zurfi kamun guda. Bakin da’irar ne, yana da zāne-zānensa da ya kai kamu ɗaya da rabi. Kusa da bakin akwai zāne-zāne. Sassan dakalin murabba’i ne, ba da’ira ba ne.
Ary ny vavan’ ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin’ ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin’ io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin’ ny faladia, ary tamin’ ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
32 Ƙafafu huɗun suna a ƙarƙashin ɓangarorin, aka kuma haɗa gindin ƙafafun keken da dakalin. Tsayin kowace ƙafa kamu ɗaya da rabi ne.
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin’ ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin’ ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon’ ny kodia.
33 An yi ƙafafun kamar ƙafafun keken yaƙi ne; gindin, da’irar, gyaffan da kuma cibiyar duk an yi su da ƙarfe ne.
Ary ny fomban’ ny kodia dia tahaka ny amin’ ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
34 Kowane dakali yana da hannuwa huɗu, ɗaya a kowane gefe, da yake nausawa daga dakalin.
Ary nisy sorony efatra tamin’ ny zorony efatra amin’ ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin’ ny fitoeran-tavin-drano ireo.
35 A bisa dakalin akwai da’irar da ta yi kamar gammo mai zurfi kamar rabin kamu. Abubuwan da suke riƙewa da kuma sassan, an haɗa su da bisa dakalin.
Ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
36 Ya zāna siffofin kerubobi, zakoki da itatuwan dabino a saman abubuwan riƙewa da kuma a kan ɓangarorin, a kowane abin da ya ga akwai ɗan fili, ya zāna furanni.
Fa ny koban’ ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
37 Haka ya yi dakalai goma. Duk an yi zubinsu iri ɗaya ne, girmansu da fasalinsu kuma iri ɗaya.
Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
38 Sa’an nan ya yi kwanoni goma na tagulla, kowane yana cin garwa arba’in, kuma kamu huɗu daga wannan zuwa wancan, kowane dakali yana da daro ɗaya.
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin’ ny fitoerany folo.
39 Ya sa dakalai biyar a gefen kudu na haikali, biyar kuma a arewa. Ya sa kwanon a gefen kudu, a gefen kudu maso gabas na haikalin.
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan’ ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian’ ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan’ ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
40 Ya kuma yi kwanoni da manyan cokula da kuma kwanonin yayyafawa. Ta haka Huram ya gama dukan aikin da ya yi wa Sarki Solomon a haikalin Ubangiji.
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan’ i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah:
41 Ya yi ginshiƙai biyun; dajiyoyi biyu masu fasalin kwano a kan ginshiƙan; ya yi yanar kashi biyu wa dajiyoyi masu fasalin kwano guda biyu a kan ginshiƙai;
dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
42 ya yi rumman guda ɗari huɗu na sashi yanar biyun (jeri biyu na rumman don kowace yanar, yana adon dajiyoyi masu fasalin kwano a kan ginshiƙai);
ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry avy,
43 ya yi dakalai goma da kwanoninsu goma;
ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin’ ny fitoerany
44 ya yi kwanon da ya kira Teku, da bijimai goma sha biyu a ƙarƙashinsa;
ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo teo ambaniny.
45 ya yi tukwane, manyan cokula da kwanonin yayyafawa. Dukan waɗannan abubuwan da Huram ya yi wa Sarki Solomon saboda haikalin Ubangiji, an dalaye su da tagulla.
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’ i Hirama ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
46 Sarki ya sa aka yi zubi a abin yin tubalin laka a filin Urdun, tsakanin Sukkot da Zaretan.
Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
47 Solomon ya bar dukan waɗannan abubuwa ba tare da an auna su ba, domin sun yi yawa sosai; ba a san nauyin tagullar ba.
Ary tsy nolanjain’ i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan’ ny varahina.
48 Solomon ya kuma yi dukan kayayyakin da suke cikin haikalin Ubangiji. Ya yi bagaden zinariya; teburin zinariya, inda ake ajiye burodin Kasancewa;
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ ny tranon’ i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran’ ny mofo aseho,
49 ya yi alkukai na zinariya zalla (Biyar a dama, biyar kuma a hagu, a gaban wuri mai tsarki na can cikin); ya yi zāne-zānen furannin zinariya da fitilu da kuma arautaki;
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
50 ya yi kwanonin zinariya zalla, hantsuka, kwanonin yayyafawa, kwanoni, da kuma farantan wuta; ya yi wurin ajiye fitila na zinariya domin ƙofofi na ɗakin can ciki-ciki, da na ƙofofin Wuri Mafi Tsarki, da kuma domin ƙofofin babban zauren haikali.
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, sy ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
51 Sa’ad da aka gama aikin da Sarki Solomon sa a yi domin haikalin Ubangiji, sai ya kawo kayayyakin da mahaifinsa Dawuda ya keɓe, azurfa da zinariya da kayayyaki, ya sa su a ma’ajin haikalin Ubangiji.
Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.