< 1 Sarakuna 15 >

1 A shekara ta goma sha takwas ta mulkin Yerobowam ɗan Nebat, Abiyam ya zama sarkin Yahuda,
Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
2 ya kuma yi mulki a Urushalima shekara uku. Sunan mahaifiyarsa Ma’aka ne,’yar Abisalom.
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
3 Shi ma ya aikata dukan irin zunubai da tsohonsa ya yi. Zuciyarsa ba tă bi Ubangiji Allahnsa, kamar yadda zuciyar Dawuda kakansa ta yi ba.
Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
4 Duk da haka, saboda Dawuda Ubangiji Allahnsa ya ba shi fitila a Urushalima ta wurin ta da wani da ya gāje shi, ta wurinsa kuma Urushalima ta yi ƙarfi.
Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
5 Gama Dawuda ya yi abin da yake daidai a gaban Ubangiji, bai kuma fasa kiyaye wani daga umarnan Ubangiji ba dukan kwanakinsa, sai dai a batun Uriya mutumin Hitti.
satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
6 Aka yi yaƙi tsakanin Rehobowam da Yerobowam a duk kwanakin Abiya.
Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin’ ny andro rehetra niainany.
7 Game da sauran ayyukan mulkin Abiyam kuwa, duk a rubuce suke a cikin littafin tarihin sarakunan Yahuda. Aka yi yaƙi tsakanin Abiyam da Yerobowam.
Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama
8 Sai Abiyam ya huta tare da kakanninsa, aka kuma binne shi a Birnin Dawuda. Asa kuwa ya gāje shi a matsayin sarki.
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9 A shekara ta ashirin ta Yerobowam sarkin Isra’ila, Asa ya zama sarkin Yahuda,
Ary tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Asa tamin’ ny Joda.
10 ya yi mulki a Urushalima shekara arba’in da ɗaya. Sunan mahaifiya mahaifiyarsa, Ma’aka ne’yar Abisalom.
Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
11 Asa ya yi abin da yake daidai a gaban Ubangiji, kamar yadda kakansa Dawuda ya yi.
Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
12 Ya kori dukan maza karuwai na masujadai daga ƙasar, ya kuma yi waje da dukan gumakan da mahaifinsa ya yi.
Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
13 Ya tuɓe mahaifiya mahaifiyarsa Ma’aka daga matsayinta na mahaifiyar sarauniya, gama ta gina ƙazantaccen ginshiƙin Ashera. Asa ya yanke ginshiƙin, ya kuma ƙone shi a Kwarin Kidron.
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14 Ko da yake bai cire masujadai da suke kan tuddai ba, zuciyar Asa ta kasance da aminci ɗungum ga Ubangiji dukan kwanakinsa.
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’ i Jehovah ny fon’ i Asa tamin’ ny andro rehetra niainany.
15 Ya kawo azurfa da zinariya da kayayyakin da shi da mahaifinsa suka keɓe a haikalin Ubangiji.
Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16 Aka yi yaƙi tsakanin Asa da Ba’asha sarkin Isra’ila dukan kwanakin mulkinsu.
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
17 Ba’asha sarkin Isra’ila ya haura, ya yi yaƙi da Yahuda, ya kuma gina Rama don yă hana wani daga fita ko shiga yankin Asa, sarkin Yahuda.
Ary Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an’ i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
18 Sai Asa ya ɗauki dukan azurfa da kuma zinariyar da suka rage a ma’ajin haikalin Ubangiji da kuma nasa fadan, ya ba da su ga wani shugabansa, ya kuma aika da su zuwa ga Ben-Hadad ɗan Tabrimmon, ɗan Heziyon, sarkin Aram, wanda yake mulki a Damaskus.
Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’ i Beni-hadada, zanak’ i Tabrimona, zanak’ i Heziona, mpanjakan’ i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
19 Ya ce, “Bari yarjejjeniya ta kasance tsakanina da kai, kamar yadda ta kasance tsakanin mahaifina da mahaifinka. Duba, ina aika maka kyautai na azurfa da na zinariya. Yanzu fa sai ka janye yarjejjeniyarka da Ba’asha sarkin Isra’ila, don yă janye daga gare ni.”
Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
20 Ben-Hadad ya yarda da maganar Sarki Asa, ya kuma aika shugabannin sojojin mayaƙansa ya yi yaƙi da garuruwan Isra’ila. Ya kame Iyon, Dan, Abel-Bet-Ma’aka da dukan Kinneret, haɗe da Naftali.
Ary Beni-hadada nihaino an’ i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely, ary namely an’ Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ ny tanin’ ny Naftaly rehetra izy.
21 Da Ba’asha ya ji haka, sai ya daina ginin Rama, ya janye zuwa Tirza.
Ary rehefa ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22 Sai Sarki Asa ya ba da umarni ga dukan Yahuda, kuma babu wanda aka ware, kowa yă taimaka a kwashe duwatsu da katakan da Ba’asha yake amfani da su daga Rama. Da duwatsu da katakan ne Sarki Asa ya gina Geba a Benyamin da kuma Mizfa.
Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa; ary nentin’ i Asa mpanjaka nanamboatra an’ i Geban’ i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23 Game da sauran ayyukan mulkin Asa, dukan nasarorinsa, dukan abin da ya yi, da kuma biranen da ya gina, duk a rubuce suke a cikin littafin tarihin sarakunan Yahuda. A tsufansa, sai ƙafafunsa suka kamu da cuta.
Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
24 Sai Asa ya huta tare da kakanninsa, aka kuma binne shi tare da su a birnin kakansa Dawuda. Sai Yehoshafat ɗansa ya gāje shi a matsayin sarki.
Ary lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Nadab ɗan Yerobowam ya zama sarkin Isra’ila a shekara ta biyu ta Asa sarkin Yahuda, ya kuma yi mulki a bisa Isra’ila shekara biyu.
Ary Nadaba, zanak’ i Jeroboama, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
26 Ya yi mugunta a gaban Ubangiji, yana tafiya a hanyoyin mahaifinsa da kuma cikin zunubinsa, wanda ya sa Isra’ila suka yi.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
27 Ba’asha ɗan Ahiya na gidan Issakar ya yi maƙarƙashiya gāba da shi, ya buge shi a Gibbeton, a wani garin Filistiyawa, yayinda Nadab da dukan Isra’ila suke wa garin kwanto.
Ary Basa, zanak’ i Ahia, amin’ ny taranak’ Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an’ ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an’ i Gibetona fahizay).
28 Ba’asha ya kashe Nadab a shekara ta uku ta Asa sarkin Yahuda, ya kuma gāje shi a matsayin sarki.
Ary Basa nahafaty azy tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
29 Nan da nan da ya fara mulki, sai ya kashe dukan iyalin Yerobowam. Bai bar wa Yerobowam wani da rai ba, amma ya hallaka su duka, bisa ga maganar Ubangiji da ya ba wa bawansa Ahiya, mutumin Shilo.
Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
30 Wannan abu ya faru saboda zunuban da Yerobowam ya yi, ya kuma sa Isra’ila ya yi, kuma saboda ya tsokane Ubangiji, Allah na Isra’ila, ya yi fushi.
noho ny fahotana nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin’ izay nataony nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
31 Game da sauran ayyukan mulkin Nadab da kuma dukan abin da ya yi, duk a rubuce suke a cikin littafin tarihin sarakunan Isra’ila.
Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
32 Aka yi yaƙi tsakanin Asa da Ba’asha sarkin Isra’ila dukan kwanakin mulkinsu.
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
33 A shekara ta uku ta Asa sarkin Yahuda, Ba’asha ɗan Ahiya ya zama sarkin dukan Isra’ila a Tirza, ya kuma yi sarauta shekara ashirin da huɗu.
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
34 Ya aikata mugunta a gaban Ubangiji, yana tafiya a hanyoyin Yerobowam da kuma cikin zunubinsa, wanda ya sa Isra’ila suka yi.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.

< 1 Sarakuna 15 >