< 1 Tarihi 5 >

1 ’Ya’yan Ruben maza ɗan farin Isra’ila (shi ne ɗan fari, amma sa’ad da ya ƙazantar da gadon auren mahaifinsa, sai aka ba wa’yancin ɗan farinsa wa’ya’yan Yusuf maza ɗan Isra’ila; don kada a lissafta shi a tarihin zuriya bisa ga matsayin haihuwarsa,
Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;
2 ko da yake Yahuda shi ne mafi ƙarfi cikin’yan’uwansa kuma mai mulki ya fito daga gare shi,’yancin zaman ɗan fari na Yusuf ne),
fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
3 ’ya’yan Ruben ɗan farin Isra’ila maza su ne, Hanok, Fallu, Hezron da Karmi.
ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4 Zuriyar Yowel su ne, Shemahiya, Gog, Shimeyi,
Ny zanakalahin’ i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin’ i Semaia, Sirney no zanakalahin’ i Goga,
5 Mika, Reyahiya, Ba’al,
Mika no zanakalahin’ i simey, Reaia no zanakalahin’ i Mika, Bala no zanakalahin’ i Reaia,
6 da Beyera, wanda Tiglat-Fileser sarkin Assuriya ya ɗauka zuwa zaman bauta. Beyera shi ne shugaban mutanen Ruben.
Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
7 Danginsu bisa ga iyalansu da aka jera bisa ga tarihin zuriyarsu su ne, Yehiyel shi ne sarki, akwai Zakariya,
Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan’ ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
8 da Bela ɗan Azaz. Azaz ɗan Shema daga dangin Yowel. Yowel ya yi zama a yankin Arower har zuwa Nebo da Ba’al-Meyon.
ary Bela, zanak’ i Azaza, zanak’ i Sema, zanak’ i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
9 Ta waje gabas sun zauna a ƙasar har zuwa bakin hamadan da ya nausa zuwa Kogin Yuferites, domin dabbobinsu sun ƙaru a Gileyad.
Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.
10 A zamanin Shawulu zuriyar Ruben sun yi yaƙi da Hagirawa, suka ci su da yaƙi, suka zauna a wuraren zaman Hagirawan ko’ina a dukan yankin gabashin Gileyad.
Ary tamin’ ny andron’ i Saoly dia niady tamin’ ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran’ ny ilany atsinanana rehetra amin’ i Gileada izy.
11 Mutanen Gad sun zauna kusa da mutanen Ruben a Bashan, har zuwa Saleka.
Ary ny taranak’ i Gada nonina tandrifiny, teny amin’ ny tany Basana hatrany Saleka;
12 Yowel shi ne babba, sai Shafan na biyu, sa’an nan Yanai da Shafat, su ne tushen Bashan.
Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
13 Danginsu, bisa ga iyalai su ne, Mika’ilu, Meshullam, Sheba, Yorai, Yakan, Ziya da Eber, su bakwai ne duka.
Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
14 Waɗannan su ne’ya’yan Abihayil ɗan Huri, ɗan Yarowa, ɗan Gileyad, ɗan Mika’ilu, ɗan Yeshishai, ɗan Yado, ɗan Buz.
Ireo no zanakalahin’ i Abihaila, zanak’ i Hory, zanak’ i Jaroa, zanak’ i Gileada, zanak’ i Mikaela, zanak’ i Jesisay, zanak’ i Jado, zanak’ i Boza;
15 Ahi ɗan Abiyel, ɗan Guni, shi ne kan iyalinsu.
Ahia, zanak’ i Abdiela, zanak’ i Gony, no lohan’ ny fianakaviany.
16 Mutanen Gad sun zauna a Bashan da ƙauyukan da suke kurkusa da shi, da kuma a dukan makiyayan Sharon har zuwa iyaka inda suka kai.
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ ny zana-bohiny ary tamin’ ny tany rehetra an-tsisin’ i Sardna manodidina izy.
17 Dukan waɗannan sun shiga tarihin zuriya a lokacin mulkin Yotam sarkin Yahuda da Yerobowam sarkin Isra’ila.
Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ ny andron’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely.
18 Mutanen Ruben, mutanen Gad da rabin kabilar Manasse sun kasance da mutane 44,760 shiryayyu don aikin soja, jarumawan da za su iya riƙe garkuwa da takobi, waɗanda suke iya yin amfani da baka, waɗanda kuma aka horar don yaƙi.
Ny taranak’ i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, izay isan’ ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
19 Suka yi yaƙi da Hagirawa, Yetur, Nafish da Nodab.
Ary niady tamin’ ny Hagarita sy tamin’ i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
20 Aka taimake su a yaƙin, Allah kuma ya ba da Hagirawa da dukan abokansu gare su, domin sun yi kuka gare shi a lokacin yaƙin. Ya amsa addu’o’insu, domin sun dogara gare shi.
Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21 Suka ƙwace dabbobin Hagirawa, raƙuma dubu hamsin, tumaki dubu ɗari biyu da hamsin da kuma jakuna dubu biyu. Suka kuma kame mutane dubu ɗari ɗaya,
Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman’ osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22 waɗansu suka mutu, domin yaƙin na Allah ne. Suka zauna a ƙasar har lokacin da aka kai su zaman bauta.
fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
23 Mutanen rabin kabilar Manasse sun yi yawa; suka zauna a ƙasar daga Bashan har zuwa Ba’al-Hermon, wato, zuwa Senir (Dutsen Hermon).
Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nonina tamin’ ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ ny tendrombohitra Hermona.
24 Waɗannan su ne kawunan iyalansu. Efer, Ishi, Eliyel, Azriyel, Irmiya, Hodawiya da Yadiyel. Su jarumawa ne, sanannu, su ne kuma kawunan iyalansu.
Ary izao no lohan’ ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ ny fianakaviany avy.
25 Amma ba su yi aminci da Allahn kakanninsu ba, suka kuma yi karuwanci ga waɗansu allolin mutanen ƙasar, waɗanda Allah ya hallaka a gabansu.
Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26 Saboda haka Allah na Isra’ila ya zuga ruhun Ful sarkin Assuriya (wato, Tiglat-Fileser sarkin Assuriya), wanda ya kwashe mutanen Ruben, mutanen Gad da rabin kabilar Manasse zuwa zaman bauta. Ya kwashe su zuwa Hala, Habor, Hara da kuma kogin Gozan, inda suke har wa yau.
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.

< 1 Tarihi 5 >