< 1 Tarihi 28 >

1 Dawuda ya sa aka kira dukan shugabannin Isra’ila su taru a Urushalima, shugabannin kabilu, manyan hafsoshin ɓangarorin hidimar sarki, manyan hafsoshin dubu-dubu da manyan hafsoshin ɗari-ɗari, da kuma shugabanni masu lura da dukan mallaka da dabbobin da suke na sarki da kuma’ya’yansa maza, tare da fadawa, jarumawa da kuma dukan mayaƙa masu kwarjini.
Ary novorin’ i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny firenena sy ny komandin’ ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin’ ny fananana rehetra an’ ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
2 Sarki Dawuda ya miƙe tsaye ya ce, “Ku saurare ni,’yan’uwana da kuma mutanena. Na yi niyya in gina gida a matsayin wurin hutu domin akwatin alkawarin Ubangiji, domin zatin Allahnmu, na kuma yi shiri don in gina shi.
Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
3 Amma Allah ya ce mini, ‘Ba za ka gina gida domin Sunana ba, saboda kai mayaƙi ne ka kuma zub da jini.’
nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an’ ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
4 “Duk da haka Ubangiji, Allah na Isra’ila, ya zaɓe ni daga dukan iyalina don in zama sarki bisa Isra’ila har abada. Ya zaɓi Yahuda a matsayin shugaba, kuma daga gidan Yahuda ya zaɓi iyalina, daga’ya’yan mahaifina maza kuwa ya gamsu ya mai da ni sarki bisa dukan Isra’ila.
Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin’ ny ankohonan’ ny raiko rehetra ho mpanjakan’ ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ ny taranak’ i Joda indray dia ny ankohonan’ ny raiko no nofidiny; ary tamin’ ny ankohonan’ ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ ny Isiraely rehetra.
5 Cikin dukan’ya’yana maza, Ubangiji kuwa ya ba ni su da yawa, ya zaɓi ɗana Solomon yă zauna a kujerar mulkin Ubangiji a bisa Isra’ila.
Ary tamin’ ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen’ i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakan’ i Jehovah hanjaka amin’ ny Isiraely.
6 Ya ce mini, ‘Solomon ɗanka shi ne wanda zai gina gidana da filayen da suke kewaye da shi, gama na zaɓe shi yă zama ɗana, ni kuma zan zama mahaifinsa.
Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7 Zan kafa mulkinsa har abada in bai kauce ga kiyaye umarnaina da dokokina ba, yadda ake yi a wannan lokaci.’
Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin’ izao anio izao.
8 “Saboda haka yanzu ina umartanku a gaban dukan Isra’ila da na taron jama’ar Ubangiji, da kuma a kunnuwan Allahnmu. Ku yi hankali ku kiyaye dukan umarnan Ubangiji Allahnku don ku mallaki wannan kyakkyawar ƙasa ku kuma bar wa zuriyarku gādo har abada.
Ary ankehitriny, eto anatrehan’ ny Isiraely rehetra, fiangonan’ i Jehovah, sy eto anatrehan’ Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
9 “Kai kuma ɗana Solomon, ka san Allah na mahaifinka, ka kuma yi masa hidima da dukan zuciya da kuma yardar rai, gama Ubangiji yana binciken zuciya, yana kuma gane dukan aniyar tunani. In ka neme shi, za ka same shi; amma in ka yashe shi, zai ƙi ka har abada.
Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10 Ka lura fa, gama Ubangiji ya zaɓe ka don ka gina haikali a matsayin wuri mai tsarki. Ka yi ƙarfin hali ka kuma yi aiki.”
Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masìna; dia mahereza ka mahefà.
11 Sa’an nan Dawuda ya ba ɗansa Solomon tsari domin shirayin haikalin, gine-ginensa, ɗakunan ajiyarsa, ɓangarorin bisansa, ɗakunan cikinsa da kuma wurin kafara.
Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
12 Ya ba shi tsarin dukan abin da Ruhu ya sa a zuciyarsa saboda filayen haikalin Ubangiji da ɗakunan kewaye, da ma’ajin haikalin Allah da kuma baitulmali na kayayyakin da aka keɓe.
ary ny sarin’ izay rehetra efa niseho tamin’ ny fanahiny; dia ny amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
13 Ya ba shi tsari game ɓangarori na firistoci da Lawiyawa, da game dukan aikin hidima a cikin haikalin Ubangiji, da kuma game da dukan kayayyakin da za a yi amfani da su a hidima.
sy ho an’ ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an’ ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ i Jehovah sy ho an’ ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon’ i Jehovah,
14 Ya kimanta yawan zinariya don dukan kayayyakin zinariyar da za a yi amfani a kowane irin hidima, da yawan azurfa don dukan kayayyakin azurfan da za a yi amfani a kowace irin hidima.
ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan’ ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
15 Da yawan zinariya don wurin ajiye fitilan fitilu da fitilunsu, da yawan zinariyan da za a yi amfani don kowace fitila da wurin ajiye fitilanta; da kuma yawan azurfa don kowane wurin ajiye fitila da fitilunsa bisa ga yadda za a yi amfani da kowane wurin ajiye fitila;
ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan’ ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
16 yawan zinariya don kowane tebur saboda burodi mai tsaki; da kuma yawan azurfa saboda teburin azurfa;
ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin’ ny volafotsy ho amin’ ny latabatra volafotsy,
17 yawan zinariya zalla, don cokula masu yatsu, kwanonin yayyafawa ruwa da kuma tuluna; yawan zinariya don kowane kwanon zinariya; yawan azurfa don kowane kwanon azurfa;
ary ny amin’ ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin’ ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
18 da kuma yawan tacecciyar zinariya don bagaden turare. Ya kuma ba shi tsari don keken yaƙi, wato, kerubobin zinariyar da suka miƙe fikafikansu suka inuwantar da akwatin alkawarin Ubangiji.
ary ny lanjan’ ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin’ ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
19 Dawuda ya ce, “Dukan wannan, ina da shi a rubuce daga hannun Ubangiji zuwa gare ni, ya kuma ba ni ganewa cikin dukan tsarin fasalin, filla-filla.”
Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’ i Jehovah ahy tamin’ ny soratra avy tamin’ ny tànany, izay atỳ amiko.
20 Dawuda ya kuma ce wa Solomon ɗansa, “Ka yi ƙarfin hali, ka kuma yi aikin. Kada ka ji tsoro ko ka fid da zuciya, gama Ubangiji Allah, Allahna, yana tare da kai. Ba zai bari ka ji kunya ko yă yashe ka ba, sai an gama dukan aikin saboda hidimar haikalin Ubangiji.
Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
21 Sassan firistoci da na Lawiyawa suna a shirye domin dukan aiki a haikalin Allah, kuma kowane gwani mai niyya a kowace sana’a, zai taimake ka a cikin dukan aikin. Shugabanni da dukan mutane za su yi biyayya da kowane umarninka.”
Ary indreo ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.

< 1 Tarihi 28 >