< 1 Tarihi 14 >

1 To, fa, Hiram sarkin Taya ya aika da’yan aika zuwa wurin Dawuda, tare da gumaguman al’ul, maginan duwatsu da kafintoci, don su gina wa Dawuda fada.
Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 Dawuda kuwa ya san cewa Ubangiji ya kafa shi a matsayin sarki a bisa Isra’ila kuma cewa an ɗaukaka mulkinsa saboda mutanensa Isra’ila.
Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
3 A Urushalima, Dawuda ya ƙara auren waɗansu mata, ya kuma zama mahaifin ƙarin’ya’yan maza da mata.
Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4 Ga sunayen yaran da aka haifa masa a can. Shammuwa, Shobab, Natan, Solomon,
Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 Ibhar, Elishuwa, Elfelet,
sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6 Noga, Nefeg, Yafiya,
sy Noga sy Nafega sy Jafia
7 Elishama, Beyeliyada da Elifelet.
sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
8 Sa’ad da Filistiyawa suka ji an naɗa Dawuda sarki a bisa dukan Isra’ila, sai suka haura da cikakken mayaƙa don su neme shi, amma Dawuda ya ji game da wannan ya kuwa fita don yă ƙara da su.
Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9 To, fa, Filistiyawa suka zo suka kai wa Kwarin Refayim hari;
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
10 sai Dawuda ya roƙi Allah ya ce, “In tafi in yaƙi Filistiyawa? Za ka ba da su gare ni?” Ubangiji ya amsa masa ya ce, “Ka tafi, zan ba da su gare ka.”
Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
11 Saboda haka Dawuda da mutanensa suka haura zuwa Ba’al-Ferazim, a can kuwa suka ci Filistiyawa da yaƙi. Sai ya ce, “Kamar yadda ruwa kan raraki ƙasa, haka Allah ya raraki abokan gābana ta wurin hannuna.” Saboda haka aka kira wurin Ba’al-Ferazim.
Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
12 Filistiyawa suka yashe allolinsu, Dawuda kuma ya ba da umarnai a ƙone su a wuta.
Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.
13 Filistiyawa suka sāke kai hari wa kwarin;
Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14 sai Dawuda ya sāke roƙi Allah, Allah kuwa ya amsa masa, “Kada ka tafi kai tsaye, amma ka yi zobe kewaye da su, ka kuma fāɗa musu a gaban itatuwan tsamiya.
Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
15 Da zarar ka ji motsin takawa a sama itatuwan tsamiya, ka fita don yaƙi, domin wannan zai nuna cewa Allah ya fita a gabanka don yă bugi mayaƙan Filistiyawa.”
Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
16 Saboda haka Dawuda ya yi kamar yadda Allah ya umarce shi, suka kuma bugi mayaƙan Filistiyawa, tun daga Gibeyon har zuwa Gezer.
Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
17 Sai sunan Dawuda ya bazu ko’ina a ƙasar, Ubangiji kuwa ya sa dukan al’ummai suka ji tsoronsa.
Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.

< 1 Tarihi 14 >