< Ezekyèl 43 >

1 Nan lè sa a, li te mennen m nan pòtay la; pòtay ki gen fas li vè lès la;
Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
2 Epi gade byen, glwa Bondye Israël la t ap vini soti nan chemen lès la. Vwa Li te tankou son anpil dlo; epi tè a te limen ak glwa Li.
Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
3 Epi se te tankou vizyon ke m te fè a, tankou vizyon ke m te fè lè Li te vini pou detwi vil la. Epi vizyon yo te tankou vizyon ke m te fè bò kote rivyè Kebar a; epi mwen te tonbe sou figi m.
Ary ny tarehin’ ny zavatra hitako dia tahaka ny an’ ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Konsa, glwa SENYÈ a te vini nan kay la pa chemen pòtay ki te gen fas li vè lès la.
Ary ny voninahitr’ i Jehovah dia niditra tamin’ ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Epi Lespri a te leve m anlè e te mennen m antre nan lakou enteryè a; epi gade byen, glwa SENYÈ a te ranpli kay la.
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
6 Nan lè sa a, mwen te tande yon moun ki t ap pale ak mwen soti nan kay la, pandan yon nonm te kanpe akote mwen.
Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7 Li te di mwen: “Fis a lòm, sa se plas pou twòn Mwen an, ak plas machpye Mwen an, kote Mwen va demere pami fis Israël yo jis pou tout tan. Lakay Israël p ap souye non sen Mwen an ankò, ni yo menm ni wa yo, pa zak pwostitisyon yo, e pa kadav a wa yo lè yo fin mouri,
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, eto no hitoeran’ ny seza fiandrianako sy hitoeran’ ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ ny zanak’ Isiraely; ary tsy holotoin’ ny taranak’ Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin’ ny fijangajangany sy amin’ ny sampin’ ny mpanjakany ao amin’ ny fitoerany avo intsony ny anarako masìna,
8 lè yo te mete papòt pa yo akote papòt pa Mwen, poto pòt pa yo akote poto pòt pa Mwen. Te gen yon miray ki te antre Mwen ak yo. Epi yo te souye non sen Mwen an ak abominasyon ke yo te komèt yo. Pou sa, Mwen te konsonmen yo nan gwo kòlè Mwen.
tamin’ ny nametrahany ny tokonam-baravaran’ ireny teo anilan’ ny tokonam-baravarako sy ny tolan’ ireny teo anilan’ ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin’ ny fahavetavetana nataony ny anarako masìna; ka dia nahalany ringana azy tamin’ ny fahatezerako Aho.
9 Koulye a, kite yo mete akote zak pwostitisyon yo ak kadav a wa yo byen lwen Mwen. Konsa, Mwen va demere pami yo jis pou tout tan.”
Fa amin’ izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.
10 “Pou ou menm, fis a lòm, bay detay a tanp lan a lakay Israël, pou yo ka wont de inikite yo; epi kite yo mezire plan an.
Hianao, ry zanak’ olona, asehoy amin’ ny taranak’ Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin’ ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
11 Si yo vin wont de tout sa ke yo te fè yo, fè yo konnen dizay kay la, fòm li, antre ak sòti li yo, dizay li, tout règleman ak tout lwa li yo. Ekri li devan zye yo pou yo ka wè tout dizay ak tout règleman li yo pou fè yo.
Ary raha menatra ny amin’ izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin’ ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
12 “Sa se lwa kay la: tout espas toutozanviwon anwo mòn nan va sen pase tout kote. Gade byen, sa se lwa kay la.”
Izao no lalàna amin’ ny trano: Ho masìna dia ho masìna avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin’ ny trano.
13 “Epi sa yo se mezi lotèl la an koude (koude ki se yon koude plis mezi yon pla men): baz la va yon koude, lajè a va yon koude e arebò sou akote a va anviwon yon anpan; epi sa va wotè a baz lotèl la.
Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ ny alitara.
14 Soti nan baz atè a pou rive piba ankadreman an, li va de koude, e lajè a va yon koude; epi soti nan pi piti ankadreman an pou rive nan pi gran ankadreman an, li va kat koude e lajè a va yon koude.
Ary hatramin’ ny fara-vodiny eo amin’ ny tany ka hatramin’ ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin’ ny rindriny iva ka hatramin’ ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
15 Fou chofaj lotèl la va kat koude; epi soti nan fou chofaj la, kat kòn yo va monte anwo a.
Ary ny fanambonin’ ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin’ ny fatana dia hisy tandroka efatra.
16 Alò, fou lotèl la va longè a douz koude pa douz nan lajè, ak kare nan kat kote li yo.
Roa ambin’ ny folo hakiho ny lavan’ ny fatana, ary roa ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
17 Ankadreman an va katòz koude nan longè, katòz nan lajè nan kat kote li yo, arebò li va mwatye koude a e baz li va yon koude toutozanviwon li; epi eskalye li yo va bay fas vè lès.”
Ary ny rindriny dia efatra ambin’ ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin’ ny folo hakiho koa ny sakany, amin’ ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
18 Epi Li te di mwen: “Fis a lòm, konsa pale Senyè BONDYE a: ‘Sila yo se règleman pou lotèl la nan jou ke li bati a, pou ofri ofrann brile sou li e pou flite san sou li.
Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin’ ny alitara amin’ izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:
19 ‘Ou va bay a prèt Levit ki sòti nan fanmi Tsadok yo, ki rapwoche de Mwen pou fè sèvis Mwen yo,’ deklare Senyè BONDYE a, ‘yon jenn towo pou yon ofrann peche.
Ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
20 ‘Ou va pran kèk nan san li, mete li sou kat kòn yo, sou kat kwen ankadreman an ak toutotou arebò a. Konsa, ou va fè l vin pwòp e fè ekspiyasyon pou li.
Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin’ ny tandrony efatra sy amin’ ny zorony efatra amin’ ny rindriny ary amin’ ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
21 Ou va, anplis, pran towo pou ofrann peche a, e li va vin brile nan kote ki chwazi nan kay la deyò sanktiyè a.
Halainao koa ny vantotr’ ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin’ ny fitoerana voatendry ao amin’ ny trano ivelan’ ny fitoerana masìna.
22 “‘Nan dezyèm jou a, ou va ofri yon mal kabrit san defo kon ofrann peche, e yo va netwaye lotèl la jan yo te netwaye li ak towo a.
Ary amin’ ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin’ ny vantotr’ ombilahy.
23 Lè ou fin netwaye li, ou va prezante yon jenn towo san defo ak yon belye san defo ki soti nan bann mouton an.
Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.
24 Ou va prezante yo devan SENYÈ a; prèt yo va jete sèl sou yo e yo va ofri yo kon ofrann brile a SENYÈ a.
Ary haterinao eo anatrehan’ i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
25 “‘Pandan sèt jou, ou va prepare chak jou yon kabrit kon ofrann peche; anplis, yon jenn towo ak yon belye san defo ki soti nan bann mouton an, va vin prepare.
Hafitoana no hanateranao osilahy isan’ andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr’ ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
26 Pandan sèt jou, yo va fè ekspiyasyon pou lotèl la e fè l vin pwòp; se konsa yo va konsakre li.
Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an’ ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.
27 Lè yo fin konplete nonb de jou yo, li va rive ke nan uityèm jou a e kontinye, prèt yo va ofri ofrann brile pa nou an sou otèl la ak ofrann lapè nou yo. Konsa, Mwen va aksepte nou,’ deklare Senyè BONDYE a.’”
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin’ ny andro fahavalo ny hanateran’ ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin’ ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.

< Ezekyèl 43 >