< Προς Κορινθιους Α΄ 3 >

1 καγω αδελφοι ουκ ηδυνηθην λαλησαι υμιν ως πνευματικοις αλλ ως σαρκινοις ως νηπιοις εν χριστω
Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy.
2 γαλα υμας εποτισα ου βρωμα ουπω γαρ εδυνασθε αλλ ουδε {VAR1: [ετι] } {VAR2: ετι } νυν δυνασθε
Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
3 ετι γαρ σαρκικοι εστε οπου γαρ εν υμιν ζηλος και ερις ουχι σαρκικοι εστε και κατα ανθρωπον περιπατειτε
fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona?
4 οταν γαρ λεγη τις εγω μεν ειμι παυλου ετερος δε εγω απολλω ουκ ανθρωποι εστε
Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
5 τι ουν εστιν απολλως τι δε εστιν παυλος διακονοι δι ων επιστευσατε και εκαστω ως ο κυριος εδωκεν
Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy.
6 εγω εφυτευσα απολλως εποτισεν αλλα ο θεος ηυξανεν
Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
7 ωστε ουτε ο φυτευων εστιν τι ουτε ο ποτιζων αλλ ο αυξανων θεος
Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
8 ο φυτευων δε και ο ποτιζων εν εισιν εκαστος δε τον ιδιον μισθον λημψεται κατα τον ιδιον κοπον
Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
9 θεου γαρ εσμεν συνεργοι θεου γεωργιον θεου οικοδομη εστε
Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra ianareo.
10 κατα την χαριν του θεου την δοθεισαν μοι ως σοφος αρχιτεκτων θεμελιον εθηκα αλλος δε εποικοδομει εκαστος δε βλεπετω πως εποικοδομει
Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
11 θεμελιον γαρ αλλον ουδεις δυναται θειναι παρα τον κειμενον ος εστιν ιησους χριστος
Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
12 ει δε τις εποικοδομει επι τον θεμελιον {VAR1: χρυσιον αργυριον } {VAR2: χρυσον αργυρον } λιθους τιμιους ξυλα χορτον καλαμην
Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ ny fanorenana,
13 εκαστου το εργον φανερον γενησεται η γαρ ημερα δηλωσει οτι εν πυρι αποκαλυπτεται και εκαστου το εργον οποιον εστιν το πυρ {VAR1: αυτο } {VAR2: [αυτο] } δοκιμασει
dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.
14 ει τινος το εργον μενει ο εποικοδομησεν μισθον λημψεται
Raha maharitra ny asan’ ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
15 ει τινος το εργον κατακαησεται ζημιωθησεται αυτος δε σωθησεται ουτως δε ως δια πυρος
Raha ho levon’ ny afo ny asan’ ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ ny afo ihany izy.
16 ουκ οιδατε οτι ναος θεου εστε και το πνευμα του θεου {VAR1: εν υμιν οικει } {VAR2: οικει εν υμιν }
Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
17 ει τις τον ναον του θεου φθειρει φθερει τουτον ο θεος ο γαρ ναος του θεου αγιος εστιν οιτινες εστε υμεις
Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masìna ny tempolin’ Andriamanitra, dia ianareo izany.
18 μηδεις εαυτον εξαπατατω ει τις δοκει σοφος ειναι εν υμιν εν τω αιωνι τουτω μωρος γενεσθω ινα γενηται σοφος (aiōn g165)
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. (aiōn g165)
19 η γαρ σοφια του κοσμου τουτου μωρια παρα τω θεω εστιν γεγραπται γαρ ο δρασσομενος τους σοφους εν τη πανουργια αυτων
Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy.
20 και παλιν κυριος γινωσκει τους διαλογισμους των σοφων οτι εισιν ματαιοι
Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany
21 ωστε μηδεις καυχασθω εν ανθρωποις παντα γαρ υμων εστιν
Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
22 ειτε παυλος ειτε απολλως ειτε κηφας ειτε κοσμος ειτε ζωη ειτε θανατος ειτε ενεστωτα ειτε μελλοντα παντα υμων
na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
23 υμεις δε χριστου χριστος δε θεου
ary ianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra.

< Προς Κορινθιους Α΄ 3 >