< Προς Γαλατας 2 >

1 Ἔπειτα διὰ δεκατεσσάρων ἐτῶν πάλιν ἀνέβην εἰς Ἱεροσόλυμα μετὰ Βαρνάβα, συμπαραλαβὼν καὶ Τίτον·
Ary nony afaka efatra ambin’ ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2 ἀνέβην δὲ κατὰ ἀποκάλυψιν, καὶ ἀνεθέμην αὐτοῖς τὸ εὐαγγέλιον ὃ κηρύσσω ἐν τοῖς ἔθνεσι, κατ᾿ ἰδίαν δὲ τοῖς δοκοῦσι, μήπως εἰς κενὸν τρέχω ἢ ἔδραμον.
Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin’ ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin’ izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3 Ἀλλ᾿ οὐδὲ Τίτος ὁ σὺν ἐμοί, Ἕλλην ὤν, ἠναγκάσθη περιτμηθῆναι·
Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
4 διὰ δὲ τοὺς παρεισάκτους ψευδαδέλφους, οἵτινες παρεισῆλθον κατασκοπῆσαι τὴν ἐλευθερίαν ἡμῶν ἣν ἔχομεν ἐν Χριστῷ Ἰησοῦ, ἵνα ἡμᾶς καταδουλώσωνται·
dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin’ i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
5 οἷς οὐδὲ πρὸς ὥραν εἴξαμεν τῇ ὑποταγῇ, ἵνα ἡ ἀλήθεια τοῦ εὐαγγελίου διαμείνῃ πρὸς ὑμᾶς.
fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ ny fahamarinan’ ny filazantsara aminareo.
6 Ἀπὸ δὲ τῶν δοκούντων εἶναί τι — ὁποῖοί ποτε ἦσαν οὐδέν μοι διαφέρει· πρόσωπον Θεὸς ἀνθρώπου οὐ λαμβάνει — ἐμοὶ γὰρ οἱ δοκοῦντες οὐδὲν προσανέθεντο·
Fa ny amin’ ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan’ olona), izaho tsy nomen’ ireo manan-daza ireo saina na tamin’ inona na tamin’ inona.
7 ἀλλὰ τοὐναντίον, ἰδόντες ὅτι πεπίστευμαι τὸ εὐαγγέλιον τῆς ἀκροβυστίας, καθὼς Πέτρος τῆς περιτομῆς —
Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ ny tsy voafora aho, tahaka an’ i Petera ho an’ ny voafora
8 ὁ γὰρ ἐνεργήσας Πέτρῳ εἰς ἀποστολὴν τῆς περιτομῆς, ἐνήργησε καὶ ἐμοὶ εἰς τὰ ἔθνη —
(fa Izay niasa ho an’ i Petera hah’ Apostoly azy ho an’ ny voafora no niasa ho ahy koa ho an’ ny jentilisa),
9 καὶ γνόντες τὴν χάριν τὴν δοθεῖσάν μοι, Ἰάκωβος καὶ Κηφᾶς καὶ Ἰωάννης, οἱ δοκοῦντες στύλοι εἶναι, δεξιὰς ἔδωκαν ἐμοὶ καὶ Βαρνάβᾳ κοινωνίας, ἵνα ἡμεῖς εἰς τὰ ἔθνη, αὐτοὶ δὲ εἰς τὴν περιτομήν·
ary nony fantatr’ i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan’ ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ ny voafora.
10 μόνον τῶν πτωχῶν ἵνα μνημονεύωμεν, ὃ καὶ ἐσπούδασα αὐτὸ τοῦτο ποιῆσαι.
Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
11 Ὅτε δὲ ἦλθε Πέτρος εἰς Ἀντιόχειαν, κατὰ πρόσωπον αὐτῷ ἀντέστην, ὅτι κατεγνωσμένος ἦν.
Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
12 Πρὸ τοῦ γὰρ ἐλθεῖν τινὰς ἀπὸ Ἰακώβου, μετὰ τῶν ἐθνῶν συνήσθιεν· ὅτε δὲ ἦλθον, ὑπέστελλε καὶ ἀφώριζεν ἑαυτόν, φοβούμενος τοὺς ἐκ περιτομῆς.
Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin’ i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
13 Καὶ συνυπεκρίθησαν αὐτῷ καὶ οἱ λοιποὶ Ἰουδαῖοι, ὥστε καὶ Βαρνάβας συναπήχθη αὐτῶν τῇ ὑποκρίσει.
Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ ny fihatsaram-belatsihiny koa.
14 Ἀλλ᾿ ὅτε εἶδον ὅτι οὐκ ὀρθοποδοῦσι πρὸς τὴν ἀλήθειαν τοῦ εὐαγγελίου, εἶπον τῷ Πέτρῳ ἔμπροσθεν πάντων, Εἰ σύ, Ἰουδαῖος ὑπάρχων, ἐθνικῶς ζῇς καὶ οὐκ Ἰουδαϊκῶς, τί τὰ ἔθνη ἀναγκάζεις Ἰουδαΐζειν;
Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’ i Kefasy teo anatrehan’ ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny Jiosy?
15 Ἡμεῖς φύσει Ἰουδαῖοι καὶ οὐκ ἐξ ἐθνῶν ἁμαρτωλοί,
Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ ny jentilisa,
16 εἰδότες ὅτι οὐ δικαιοῦται ἄνθρωπος ἐξ ἔργων νόμου, ἐὰν μὴ διὰ πίστεως Ἰησοῦ Χριστοῦ, καὶ ἡμεῖς εἰς Χριστὸν Ἰησοῦν ἐπιστεύσαμεν, ἵνα δικαιωθῶμεν ἐκ πίστεως Χριστοῦ, καὶ οὐκ ἐξ ἔργων νόμου· διότι οὐ δικαιωθήσεται ἐξ ἔργων νόμου πᾶσα σάρξ.
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.
17 Εἰ δέ, ζητοῦντες δικαιωθῆναι ἐν Χριστῷ, εὑρέθημεν καὶ αὐτοὶ ἁμαρτωλοί, ἆρα Χριστὸς ἁμαρτίας διάκονος; Μὴ γένοιτο.
Fa raha mitady hohamarinina ao amin’ i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18 Εἰ γὰρ ἃ κατέλυσα, ταῦτα πάλιν οἰκοδομῶ, παραβάτην ἐμαυτὸν συνίστημι.
Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
19 Ἐγὼ γὰρ διὰ νόμου νόμῳ ἀπέθανον, ἵνα Θεῷ ζήσω.
Fa raha izaho, dia tamin’ ny lalàna no nahafatesako ny amin’ ny lalàna, mba ho velona ho an’ Andriamanitra aho.
20 Χριστῷ συνεσταύρωμαι· ζῶ δέ, οὐκέτι ἐγώ, ζῇ δὲ ἐν ἐμοὶ Χριστός· ὃ δὲ νῦν ζῶ ἐν σαρκί, ἐν πίστει ζῶ τῇ τοῦ υἱοῦ τοῦ Θεοῦ, τοῦ ἀγαπήσαντός με καὶ παραδόντος ἑαυτὸν ὑπὲρ ἐμοῦ.
Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
21 Οὐκ ἀθετῶ τὴν χάριν τοῦ Θεοῦ· εἰ γὰρ διὰ νόμου δικαιοσύνη, ἄρα Χριστὸς δωρεὰν ἀπέθανεν.
Tsy mahafoana ny fahasoavan’ Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.

< Προς Γαλατας 2 >