< Κατα Ματθαιον 23 >

1 τοτε ο ιησους ελαλησεν τοις οχλοις και τοις μαθηταις αυτου
Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:
2 λεγων επι της μωσεως καθεδρας εκαθισαν οι γραμματεις και οι φαρισαιοι
Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
3 παντα ουν οσα αν ειπωσιν υμιν τηρειν τηρειτε και ποιειτε κατα δε τα εργα αυτων μη ποιειτε λεγουσιν γαρ και ου ποιουσιν
koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
4 δεσμευουσιν γαρ φορτια βαρεα και δυσβαστακτα και επιτιθεασιν επι τους ωμους των ανθρωπων τω δε δακτυλω αυτων ου θελουσιν κινησαι αυτα
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.
5 παντα δε τα εργα αυτων ποιουσιν προς το θεαθηναι τοις ανθρωποις πλατυνουσιν δε τα φυλακτηρια αυτων και μεγαλυνουσιν τα κρασπεδα των ιματιων αυτων
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
6 φιλουσιν τε την πρωτοκλισιαν εν τοις δειπνοις και τας πρωτοκαθεδριας εν ταις συναγωγαις
Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
7 και τους ασπασμους εν ταις αγοραις και καλεισθαι υπο των ανθρωπων ραββι ραββι
sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
8 υμεις δε μη κληθητε ραββι εις γαρ εστιν υμων ο καθηγητης ο χριστος παντες δε υμεις αδελφοι εστε
Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
9 και πατερα μη καλεσητε υμων επι της γης εις γαρ εστιν ο πατηρ υμων ο εν τοις ουρανοις
Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
10 μηδε κληθητε καθηγηται εις γαρ υμων εστιν ο καθηγητης ο χριστος
Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
11 ο δε μειζων υμων εσται υμων διακονος
Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
12 οστις δε υψωσει εαυτον ταπεινωθησεται και οστις ταπεινωσει εαυτον υψωθησεται
Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
13 ουαι δε υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι κατεσθιετε τας οικιας των χηρων και προφασει μακρα προσευχομενοι δια τουτο ληψεσθε περισσοτερον κριμα
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
14 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι κλειετε την βασιλειαν των ουρανων εμπροσθεν των ανθρωπων υμεις γαρ ουκ εισερχεσθε ουδε τους εισερχομενους αφιετε εισελθειν
(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
15 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι περιαγετε την θαλασσαν και την ξηραν ποιησαι ενα προσηλυτον και οταν γενηται ποιειτε αυτον υιον γεεννης διπλοτερον υμων (Geenna g1067)
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. (Geenna g1067)
16 ουαι υμιν οδηγοι τυφλοι οι λεγοντες ος αν ομοση εν τω ναω ουδεν εστιν ος δ αν ομοση εν τω χρυσω του ναου οφειλει
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.
17 μωροι και τυφλοι τις γαρ μειζων εστιν ο χρυσος η ο ναος ο αγιαζων τον χρυσον
Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18 και ος εαν ομοση εν τω θυσιαστηριω ουδεν εστιν ος δ αν ομοση εν τω δωρω τω επανω αυτου οφειλει
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
19 μωροι και τυφλοι τι γαρ μειζον το δωρον η το θυσιαστηριον το αγιαζον το δωρον
Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20 ο ουν ομοσας εν τω θυσιαστηριω ομνυει εν αυτω και εν πασιν τοις επανω αυτου
Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
21 και ο ομοσας εν τω ναω ομνυει εν αυτω και εν τω κατοικουντι αυτον
Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.
22 και ο ομοσας εν τω ουρανω ομνυει εν τω θρονω του θεου και εν τω καθημενω επανω αυτου
Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.
23 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι αποδεκατουτε το ηδυοσμον και το ανηθον και το κυμινον και αφηκατε τα βαρυτερα του νομου την κρισιν και τον ελεον και την πιστιν ταυτα εδει ποιησαι κακεινα μη αφιεναι
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
24 οδηγοι τυφλοι οι διυλιζοντες τον κωνωπα την δε καμηλον καταπινοντες
Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
25 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι καθαριζετε το εξωθεν του ποτηριου και της παροψιδος εσωθεν δε γεμουσιν εξ αρπαγης και ακρασιας
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
26 φαρισαιε τυφλε καθαρισον πρωτον το εντος του ποτηριου και της παροψιδος ινα γενηται και το εκτος αυτων καθαρον
Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
27 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι παρομοιαζετε ταφοις κεκονιαμενοις οιτινες εξωθεν μεν φαινονται ωραιοι εσωθεν δε γεμουσιν οστεων νεκρων και πασης ακαθαρσιας
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
28 ουτως και υμεις εξωθεν μεν φαινεσθε τοις ανθρωποις δικαιοι εσωθεν δε μεστοι εστε υποκρισεως και ανομιας
Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
29 ουαι υμιν γραμματεις και φαρισαιοι υποκριται οτι οικοδομειτε τους ταφους των προφητων και κοσμειτε τα μνημεια των δικαιων
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,
30 και λεγετε ει ημεν εν ταις ημεραις των πατερων ημων ουκ αν ημεν κοινωνοι αυτων εν τω αιματι των προφητων
ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
31 ωστε μαρτυρειτε εαυτοις οτι υιοι εστε των φονευσαντων τους προφητας
Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
32 και υμεις πληρωσατε το μετρον των πατερων υμων
Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.
33 οφεις γεννηματα εχιδνων πως φυγητε απο της κρισεως της γεεννης (Geenna g1067)
Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo? (Geenna g1067)
34 δια τουτο ιδου εγω αποστελλω προς υμας προφητας και σοφους και γραμματεις και εξ αυτων αποκτενειτε και σταυρωσετε και εξ αυτων μαστιγωσετε εν ταις συναγωγαις υμων και διωξετε απο πολεως εις πολιν
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra, ―
35 οπως ελθη εφ υμας παν αιμα δικαιον εκχυνομενον επι της γης απο του αιματος αβελ του δικαιου εως του αιματος ζαχαριου υιου βαραχιου ον εφονευσατε μεταξυ του ναου και του θυσιαστηριου
mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
36 αμην λεγω υμιν ηξει ταυτα παντα επι την γενεαν ταυτην
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
37 ιερουσαλημ ιερουσαλημ η αποκτεινουσα τους προφητας και λιθοβολουσα τους απεσταλμενους προς αυτην ποσακις ηθελησα επισυναγαγειν τα τεκνα σου ον τροπον επισυναγει ορνις τα νοσσια εαυτης υπο τας πτερυγας και ουκ ηθελησατε
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
38 ιδου αφιεται υμιν ο οικος υμων ερημος
Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
39 λεγω γαρ υμιν ου μη με ιδητε απ αρτι εως αν ειπητε ευλογημενος ο ερχομενος εν ονοματι κυριου
Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.

< Κατα Ματθαιον 23 >