< Προς Κορινθιους Β΄ 5 >

1 Οἴδαμεν γὰρ ὅτι ἐὰν ἡ ἐπίγειος ἡμῶν οἰκία τοῦ σκήνους καταλυθῇ, οἰκοδομὴν ἐκ θεοῦ ἔχομεν, οἰκίαν ἀχειροποίητον αἰώνιον ἐν τοῖς οὐρανοῖς. (aiōnios g166)
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. (aiōnios g166)
2 καὶ γὰρ ἐν τούτῳ στενάζομεν, τὸ οἰκητήριον ἡμῶν τὸ ἐξ οὐρανοῦ ἐπενδύσασθαι ἐπιποθοῦντες·
Ary misento ao anatin’ ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
3 (εἴ γε *NK(o)*) καὶ (ἐκδυσάμενοι *N(K)O*) οὐ γυμνοὶ εὑρεθησόμεθα.
fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
4 καὶ γὰρ οἱ ὄντες ἐν τῷ σκήνει στενάζομεν βαρούμενοι, (ἐφ᾽ *N(k)O*) ᾧ οὐ θέλομεν ἐκδύσασθαι ἀλλ᾽ ἐπενδύσασθαι, ἵνα καταποθῇ τὸ θνητὸν ὑπὸ τῆς ζωῆς.
Fa isika izao amin’ izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ ny fiainana ny mety maty.
5 Ὁ δὲ κατεργασάμενος ἡμᾶς εἰς αὐτὸ τοῦτο θεός, ὁ (καὶ *k*) δοὺς ἡμῖν τὸν ἀρραβῶνα τοῦ πνεύματος.
Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’ izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
6 Θαρροῦντες οὖν πάντοτε καὶ εἰδότες ὅτι ἐνδημοῦντες ἐν τῷ σώματι, ἐκδημοῦμεν ἀπὸ τοῦ κυρίου·
Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ ny Tompo
7 διὰ πίστεως γὰρ περιπατοῦμεν, οὐ διὰ εἴδους,
(fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana);
8 θαρροῦμεν δὲ καὶ εὐδοκοῦμεν μᾶλλον ἐκδημῆσαι ἐκ τοῦ σώματος καὶ ἐνδημῆσαι πρὸς τὸν κύριον.
eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ ny tena, fa ny hitoetra any amin’ ny Tompo.
9 διὸ καὶ φιλοτιμούμεθα, εἴτε ἐνδημοῦντες εἴτε ἐκδημοῦντες, εὐάρεστοι αὐτῷ εἶναι·
Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
10 τοὺς γὰρ πάντας ἡμᾶς φανερωθῆναι δεῖ ἔμπροσθεν τοῦ βήματος τοῦ Χριστοῦ, ἵνα κομίσηται ἕκαστος τὰ διὰ τοῦ σώματος πρὸς ἃ ἔπραξεν, εἴτε ἀγαθὸν εἴτε (φαῦλον. *N(k)O*)
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ ny fitsaran’ i Kristy, mba handraisan’ ny olona rehetra izay zavatra nataon’ ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
11 Εἰδότες οὖν τὸν φόβον τοῦ κυρίου ἀνθρώπους πείθομεν, θεῷ δὲ πεφανερώμεθα· ἐλπίζω δὲ καὶ ἐν ταῖς συνειδήσεσιν ὑμῶν πεφανερῶσθαι.
Koa amin’ izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’ Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ ny fieritreretanareo koa.
12 Οὐ (γὰρ *k*) πάλιν ἑαυτοὺς συνιστάνομεν ὑμῖν, ἀλλ᾽ ἀφορμὴν διδόντες ὑμῖν καυχήματος ὑπὲρ ἡμῶν, ἵνα ἔχητε πρὸς τοὺς ἐν προσώπῳ καυχωμένους καὶ (μὴ *N(k)O*) (ἐν *no*) καρδίᾳ.
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ ny miseho ihany, fa tsy amin’ ny fo.
13 εἴτε γὰρ ἐξέστημεν, θεῷ· εἴτε σωφρονοῦμεν, ὑμῖν.
Fa raha very saina izahay, dia ho an’ Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14 ἡ γὰρ ἀγάπη τοῦ Χριστοῦ συνέχει ἡμᾶς κρίναντας τοῦτο, ὅτι (εἰ *k*) εἷς ὑπὲρ πάντων ἀπέθανεν· ἄρα οἱ πάντες ἀπέθανον.
Fa ny fitiavan’ i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15 καὶ ὑπὲρ πάντων ἀπέθανεν, ἵνα οἱ ζῶντες μηκέτι ἑαυτοῖς ζῶσιν ἀλλὰ τῷ ὑπὲρ αὐτῶν ἀποθανόντι καὶ ἐγερθέντι.
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16 Ὥστε ἡμεῖς ἀπὸ τοῦ νῦν οὐδένα οἴδαμεν κατὰ σάρκα· εἰ (δὲ *k*) καὶ ἐγνώκαμεν κατὰ σάρκα Χριστόν, ἀλλὰ νῦν οὐκέτι οὐκέτι γινώσκομεν.
Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’ i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
17 ὥστε εἴ τις ἐν Χριστῷ, καινὴ κτίσις· τὰ ἀρχαῖα παρῆλθεν, ἰδοὺ γέγονεν καινά (τὰ πάντα. *K*)
Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
18 τὰ δὲ πάντα ἐκ τοῦ θεοῦ τοῦ καταλλάξαντος ἡμᾶς ἑαυτῷ διὰ (Ἰησοῦ *K*) Χριστοῦ καὶ δόντος ἡμῖν τὴν διακονίαν τῆς καταλλαγῆς,
Fa izany rehetra izany dia avy amin’ Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ ny alalan’ i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19 ὡς ὅτι θεὸς ἦν ἐν Χριστῷ κόσμον καταλλάσσων ἑαυτῷ, μὴ λογιζόμενος αὐτοῖς τὰ παραπτώματα αὐτῶν, καὶ θέμενος ἐν ἡμῖν τὸν λόγον τῆς καταλλαγῆς.
dia izao: Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20 Ὑπὲρ Χριστοῦ οὖν πρεσβεύομεν, ὡς τοῦ θεοῦ παρακαλοῦντος δι᾽ ἡμῶν· δεόμεθα ὑπὲρ Χριστοῦ· καταλλάγητε τῷ θεῷ.
Koa dia iraka solon’ i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo.
21 τὸν (γὰρ *k*) μὴ γνόντα ἁμαρτίαν ὑπὲρ ἡμῶν ἁμαρτίαν ἐποίησεν, ἵνα ἡμεῖς (γενώμεθα *N(k)O*) δικαιοσύνη θεοῦ ἐν αὐτῷ.
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika.

< Προς Κορινθιους Β΄ 5 >