< Προς Τιμοθεον Α΄ 2 >
1 Παρακαλῶ οὖν πρῶτον πάντων ποιεῖσθαι δεήσεις, προσευχάς, ἐντεύξεις, εὐχαριστίας, ὑπὲρ πάντων ἀνθρώπων,
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra,
2 ὑπὲρ βασιλέων καὶ πάντων τῶν ἐν ὑπεροχῇ ὄντων, ἵνα ἤρεμον καὶ ἡσύχιον βίον διάγωμεν ἐν πάσῃ εὐσεβείᾳ καὶ σεμνότητι.
ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
3 ⸀τοῦτοκαλὸν καὶ ἀπόδεκτον ἐνώπιον τοῦ σωτῆρος ἡμῶν θεοῦ,
Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4 ὃς πάντας ἀνθρώπους θέλει σωθῆναι καὶ εἰς ἐπίγνωσιν ἀληθείας ἐλθεῖν.
Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina.
5 εἷς γὰρ θεός, εἷς καὶ μεσίτης θεοῦ καὶ ἀνθρώπων ἄνθρωπος Χριστὸς Ἰησοῦς,
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
6 ὁ δοὺς ἑαυτὸν ἀντίλυτρον ὑπὲρ πάντων, τὸ μαρτύριον καιροῖς ἰδίοις·
sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao.
7 εἰς ὃ ἐτέθην ἐγὼ κῆρυξ καὶ ἀπόστολος— ἀλήθειαν ⸀λέγω οὐ ψεύδομαι— διδάσκαλος ἐθνῶν ἐν πίστει καὶ ἀληθείᾳ.
Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ ny finoana sy ny fahamarinana.
8 Βούλομαι οὖν προσεύχεσθαι τοὺς ἄνδρας ἐν παντὶ τόπῳ, ἐπαίροντας ὁσίους χεῖρας χωρὶς ὀργῆς καὶ ⸀διαλογισμοῦ
Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masìna, tsy amin’ ny fahatezerana na amin’ ny fifandirana.
9 ὡσαύτως ⸀καὶγυναῖκας ἐν καταστολῇ κοσμίῳ μετὰ αἰδοῦς καὶσωφροσύνης κοσμεῖν ἑαυτάς, μὴ ἐν πλέγμασιν ⸀καὶ ⸀χρυσίῳἢ μαργαρίταις ἢ ἱματισμῷ πολυτελεῖ,
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
10 ἀλλʼ ὃ πρέπει γυναιξὶν ἐπαγγελλομέναις θεοσέβειαν, διʼ ἔργων ἀγαθῶν.
fa amin’ ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra.
11 γυνὴ ἐν ἡσυχίᾳ μανθανέτω ἐν πάσῃ ὑποταγῇ·
Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
12 ⸂διδάσκειν δὲ γυναικὶ οὐκ ἐπιτρέπω, οὐδὲ αὐθεντεῖν ἀνδρός, ἀλλʼ εἶναι ἐν ἡσυχίᾳ.
Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
13 Ἀδὰμ γὰρ πρῶτος ἐπλάσθη, εἶτα Εὕα·
Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
14 καὶ Ἀδὰμ οὐκ ἠπατήθη, ἡ δὲ γυνὴ ⸀ἐξαπατηθεῖσαἐν παραβάσει γέγονεν.
Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
15 σωθήσεται δὲ διὰ τῆς τεκνογονίας, ἐὰν μείνωσιν ἐν πίστει καὶ ἀγάπῃ καὶ ἁγιασμῷ μετὰ σωφροσύνης.
Nefa hovonjena ihany izy amin’ ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ ny fahononan-tena.