< Ἱερεμίας 34 >

1
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ ny tany izay nanjakany mbamin’ ny firenena rehetra izay namely an’ i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
2 οὕτως εἶπεν κύριος ποίησον δεσμοὺς καὶ κλοιοὺς καὶ περίθου περὶ τὸν τράχηλόν σου
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin’ ny afo izy;
3 καὶ ἀποστελεῖς αὐτοὺς πρὸς βασιλέα Ιδουμαίας καὶ πρὸς βασιλέα Μωαβ καὶ πρὸς βασιλέα υἱῶν Αμμων καὶ πρὸς βασιλέα Τύρου καὶ πρὸς βασιλέα Σιδῶνος ἐν χερσὶν ἀγγέλων αὐτῶν τῶν ἐρχομένων εἰς ἀπάντησιν αὐτῶν εἰς Ιερουσαλημ πρὸς Σεδεκιαν βασιλέα Ιουδα
ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
4 καὶ συντάξεις αὐτοῖς πρὸς τοὺς κυρίους αὐτῶν εἰπεῖν οὕτως εἶπεν κύριος ὁ θεὸς Ισραηλ οὕτως ἐρεῖτε πρὸς τοὺς κυρίους ὑμῶν
Nefa henoy ny tenin’ i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan’ ny Joda. Izao no lazain’ i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
5 ὅτι ἐγὼ ἐποίησα τὴν γῆν ἐν τῇ ἰσχύι μου τῇ μεγάλῃ καὶ ἐν τῷ ἐπιχείρῳ μου τῷ ὑψηλῷ καὶ δώσω αὐτὴν ᾧ ἐὰν δόξῃ ἐν ὀφθαλμοῖς μου
fa amin’ ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
6 ἔδωκα τὴν γῆν τῷ Ναβουχοδονοσορ βασιλεῖ Βαβυλῶνος δουλεύειν αὐτῷ καὶ τὰ θηρία τοῦ ἀγροῦ ἐργάζεσθαι αὐτῷ
Dia nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tany Jerosalema izany teny rehetra izany.
7
fony ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona mbola namely an’ i Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ ny tanànan’ ny Joda.
8 καὶ τὸ ἔθνος καὶ ἡ βασιλεία ὅσοι ἐὰν μὴ ἐμβάλωσιν τὸν τράχηλον αὐτῶν ὑπὸ τὸν ζυγὸν βασιλέως Βαβυλῶνος ἐν μαχαίρᾳ καὶ ἐν λιμῷ ἐπισκέψομαι αὐτούς εἶπεν κύριος ἕως ἐκλίπωσιν ἐν χειρὶ αὐτοῦ
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin’ ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
9 καὶ ὑμεῖς μὴ ἀκούετε τῶν ψευδοπροφητῶν ὑμῶν καὶ τῶν μαντευομένων ὑμῖν καὶ τῶν ἐνυπνιαζομένων ὑμῖν καὶ τῶν οἰωνισμάτων ὑμῶν καὶ τῶν φαρμακῶν ὑμῶν τῶν λεγόντων οὐ μὴ ἐργάσησθε τῷ βασιλεῖ Βαβυλῶνος
mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
10 ὅτι ψευδῆ αὐτοὶ προφητεύουσιν ὑμῖν πρὸς τὸ μακρῦναι ὑμᾶς ἀπὸ τῆς γῆς ὑμῶν
Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
11 καὶ τὸ ἔθνος ὃ ἐὰν εἰσαγάγῃ τὸν τράχηλον αὐτοῦ ὑπὸ τὸν ζυγὸν βασιλέως Βαβυλῶνος καὶ ἐργάσηται αὐτῷ καὶ καταλείψω αὐτὸν ἐπὶ τῆς γῆς αὐτοῦ καὶ ἐργᾶται αὐτῷ καὶ ἐνοικήσει ἐν αὐτῇ
Kanjo taorian’ izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
12 καὶ πρὸς Σεδεκιαν βασιλέα Ιουδα ἐλάλησα κατὰ πάντας τοὺς λόγους τούτους λέγων εἰσαγάγετε τὸν τράχηλον ὑμῶν
Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta hiala tamin’ ny trano nahandevozana nanao hoe:
14 καὶ ἐργάσασθε τῷ βασιλεῖ Βαβυλῶνος ὅτι ἄδικα αὐτοὶ προφητεύουσιν ὑμῖν
Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
15 ὅτι οὐκ ἀπέστειλα αὐτούς φησὶν κύριος καὶ προφητεύουσιν τῷ ὀνόματί μου ἐπ’ ἀδίκῳ πρὸς τὸ ἀπολέσαι ὑμᾶς καὶ ἀπολεῖσθε ὑμεῖς καὶ οἱ προφῆται ὑμῶν οἱ προφητεύοντες ὑμῖν ἐπ’ ἀδίκῳ ψευδῆ
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
16 ὑμῖν καὶ παντὶ τῷ λαῷ τούτῳ καὶ τοῖς ἱερεῦσιν ἐλάλησα λέγων οὕτως εἶπεν κύριος μὴ ἀκούετε τῶν λόγων τῶν προφητῶν τῶν προφητευόντων ὑμῖν λεγόντων ἰδοὺ σκεύη οἴκου κυρίου ἐπιστρέψει ἐκ Βαβυλῶνος ὅτι ἄδικα αὐτοὶ προφητεύουσιν ὑμῖν οὐκ ἀπέστειλα αὐτούς
kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany ianareo.
18 εἰ προφῆταί εἰσιν καὶ εἰ ἔστιν λόγος κυρίου ἐν αὐτοῖς ἀπαντησάτωσάν μοι
Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan’ ny tapany izy,
19 ὅτι οὕτως εἶπεν κύριος καὶ τῶν ἐπιλοίπων σκευῶν
eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan’ ny tapaky ny ombilahy kely,
20 ὧν οὐκ ἔλαβεν βασιλεὺς Βαβυλῶνος ὅτε ἀπῴκισεν τὸν Ιεχονιαν ἐξ Ιερουσαλημ
dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy ary eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
22 εἰς Βαβυλῶνα εἰσελεύσεται λέγει κύριος
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin’ ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin’ ny afo; ary ny tanànan’ ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.

< Ἱερεμίας 34 >