< Ἰεζεκιήλ 31 >

1 καὶ ἐγένετο ἐν τῷ ἑνδεκάτῳ ἔτει ἐν τῷ τρίτῳ μηνὶ μιᾷ τοῦ μηνὸς ἐγένετο λόγος κυρίου πρός με λέγων
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 υἱὲ ἀνθρώπου εἰπὸν πρὸς Φαραω βασιλέα Αἰγύπτου καὶ τῷ πλήθει αὐτοῦ τίνι ὡμοίωσας σεαυτὸν ἐν τῷ ὕψει σου
Ry zanak’ olona, ataovy amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy amin’ ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an’ iza moa ianao amin’ ny fahalehibiazanao?
3 ἰδοὺ Ασσουρ κυπάρισσος ἐν τῷ Λιβάνῳ καὶ καλὸς ταῖς παραφυάσιν καὶ ὑψηλὸς τῷ μεγέθει εἰς μέσον νεφελῶν ἐγένετο ἡ ἀρχὴ αὐτοῦ
Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin’ ny rahona matevina ny tendrony.
4 ὕδωρ ἐξέθρεψεν αὐτόν ἡ ἄβυσσος ὕψωσεν αὐτόν τοὺς ποταμοὺς αὐτῆς ἤγαγεν κύκλῳ τῶν φυτῶν αὐτοῦ καὶ τὰ συστέματα αὐτῆς ἐξαπέστειλεν εἰς πάντα τὰ ξύλα τοῦ πεδίου
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin’ ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 ἕνεκεν τούτου ὑψώθη τὸ μέγεθος αὐτοῦ παρὰ πάντα τὰ ξύλα τοῦ πεδίου καὶ ἐπλατύνθησαν οἱ κλάδοι αὐτοῦ ἀφ’ ὕδατος πολλοῦ
Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan’ ny rano tamin’ ny fisandrahany.
6 ἐν ταῖς παραφυάσιν αὐτοῦ ἐνόσσευσαν πάντα τὰ πετεινὰ τοῦ οὐρανοῦ καὶ ὑποκάτω τῶν κλάδων αὐτοῦ ἐγεννῶσαν πάντα τὰ θηρία τοῦ πεδίου ἐν τῇ σκιᾷ αὐτοῦ κατῴκησεν πᾶν πλῆθος ἐθνῶν
Teo amin’ ny sampany no nanaovan’ ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin’ ny rantsany no niterahan’ ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin’ ny alokalony no nitoeran’ ny firenena malaza rehetra.
7 καὶ ἐγένετο καλὸς ἐν τῷ ὕψει αὐτοῦ διὰ τὸ πλῆθος τῶν κλάδων αὐτοῦ ὅτι ἐγενήθησαν αἱ ῥίζαι αὐτοῦ εἰς ὕδωρ πολύ
Ka dia tsara tarehy tamin’ ny fahalehibiazany sy ny halavan’ ny sampany izy; Fa tany amin’ ny rano maro ny fakany.
8 κυπάρισσοι τοιαῦται οὐκ ἐγενήθησαν ἐν τῷ παραδείσῳ τοῦ θεοῦ καὶ πίτυες οὐχ ὅμοιαι ταῖς παραφυάσιν αὐτοῦ καὶ ἐλάται οὐκ ἐγένοντο ὅμοιαι τοῖς κλάδοις αὐτοῦ πᾶν ξύλον ἐν τῷ παραδείσῳ τοῦ θεοῦ οὐχ ὡμοιώθη αὐτῷ ἐν τῷ κάλλει αὐτοῦ
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ ny sahan’ Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
9 διὰ τὸ πλῆθος τῶν κλάδων αὐτοῦ καὶ ἐζήλωσεν αὐτὸν τὰ ξύλα τοῦ παραδείσου τῆς τρυφῆς τοῦ θεοῦ
Nohatsaraiko tamin’ ny haben’ ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
10 διὰ τοῦτο τάδε λέγει κύριος ἀνθ’ ὧν ἐγένου μέγας τῷ μεγέθει καὶ ἔδωκας τὴν ἀρχήν σου εἰς μέσον νεφελῶν καὶ εἶδον ἐν τῷ ὑψωθῆναι αὐτόν
Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin’ ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
11 καὶ παρέδωκα αὐτὸν εἰς χεῖρας ἄρχοντος ἐθνῶν καὶ ἐποίησεν τὴν ἀπώλειαν αὐτοῦ
Dia hatolotro eo an-tànan’ ilay mahery amin’ ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
12 καὶ ἐξωλέθρευσαν αὐτὸν ἀλλότριοι λοιμοὶ ἀπὸ ἐθνῶν καὶ κατέβαλον αὐτὸν ἐπὶ τῶν ὀρέων ἐν πάσαις ταῖς φάραγξιν ἔπεσαν οἱ κλάδοι αὐτοῦ καὶ συνετρίβη τὰ στελέχη αὐτοῦ ἐν παντὶ πεδίῳ τῆς γῆς καὶ κατέβησαν ἀπὸ τῆς σκέπης αὐτῶν πάντες οἱ λαοὶ τῶν ἐθνῶν καὶ ἠδάφισαν αὐτόν
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin’ ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin’ ny lohasaha rehetra no nihahafan’ ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ ny ony rehetra amin’ ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin’ ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
13 ἐπὶ τὴν πτῶσιν αὐτοῦ ἀνεπαύσαντο πάντα τὰ πετεινὰ τοῦ οὐρανοῦ καὶ ἐπὶ τὰ στελέχη αὐτοῦ ἐγένοντο πάντα τὰ θηρία τοῦ ἀγροῦ
Mipetraka eo amin’ ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin’ ny sampany ny bibi-dia rehetra,
14 ὅπως μὴ ὑψωθῶσιν ἐν τῷ μεγέθει αὐτῶν πάντα τὰ ξύλα τὰ ἐν τῷ ὕδατι καὶ οὐκ ἔδωκαν τὴν ἀρχὴν αὐτῶν εἰς μέσον νεφελῶν καὶ οὐκ ἔστησαν ἐν τῷ ὕψει αὐτῶν πρὸς αὐτὰ πάντες οἱ πίνοντες ὕδωρ πάντες ἐδόθησαν εἰς θάνατον εἰς γῆς βάθος ἐν μέσῳ υἱῶν ἀνθρώπων πρὸς καταβαίνοντας εἰς βόθρον
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
15 τάδε λέγει κύριος κύριος ἐν ᾗ ἡμέρᾳ κατέβη εἰς ᾅδου ἐπένθησεν αὐτὸν ἡ ἄβυσσος καὶ ἐπέστησα τοὺς ποταμοὺς αὐτῆς καὶ ἐκώλυσα πλῆθος ὕδατος καὶ ἐσκότασεν ἐπ’ αὐτὸν ὁ Λίβανος πάντα τὰ ξύλα τοῦ πεδίου ἐπ’ αὐτῷ ἐξελύθησαν (Sheol h7585)
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nidinany ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. (Sheol h7585)
16 ἀπὸ τῆς φωνῆς τῆς πτώσεως αὐτοῦ ἐσείσθησαν τὰ ἔθνη ὅτε κατεβίβαζον αὐτὸν εἰς ᾅδου μετὰ τῶν καταβαινόντων εἰς λάκκον καὶ παρεκάλουν αὐτὸν ἐν γῇ πάντα τὰ ξύλα τῆς τρυφῆς καὶ τὰ ἐκλεκτὰ τοῦ Λιβάνου πάντα τὰ πίνοντα ὕδωρ (Sheol h7585)
Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany, (Sheol h7585)
17 καὶ γὰρ αὐτοὶ κατέβησαν μετ’ αὐτοῦ εἰς ᾅδου ἐν τοῖς τραυματίαις ἀπὸ μαχαίρας καὶ τὸ σπέρμα αὐτοῦ οἱ κατοικοῦντες ὑπὸ τὴν σκέπην αὐτοῦ ἐν μέσῳ τῆς ζωῆς αὐτῶν ἀπώλοντο (Sheol h7585)
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ho any amin’ izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin’ ny alokalony teo amin’ ny firenena. (Sheol h7585)
18 τίνι ὡμοιώθης κατάβηθι καὶ καταβιβάσθητι μετὰ τῶν ξύλων τῆς τρυφῆς εἰς γῆς βάθος ἐν μέσῳ ἀπεριτμήτων κοιμηθήσῃ μετὰ τραυματιῶν μαχαίρας οὕτως Φαραω καὶ τὸ πλῆθος τῆς ἰσχύος αὐτοῦ λέγει κύριος κύριος
Tahaka an’ iza amin’ ny hazo any Edena moa ianao amin’ izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ ny tany miaraka amin’ ny hazo any Edena ianao; Eo amin’ ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’ izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.

< Ἰεζεκιήλ 31 >