< Thaburi 106 >

1 Goocai Jehova. Cookeriai Jehova ngaatho, nĩgũkorwo nĩ mwega; wendo wake ũtũũraga nginya tene.
Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Nũũ ũngiuga ciĩko cia hinya cia Jehova, kana aanĩrĩre kũna ũgooci wake wothe?
Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3 Kũrathimwo-rĩ, nĩ arĩa marũmagia kĩhooto, arĩa meekaga ũrĩa kwagĩrĩire hĩndĩ ciothe.
Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4 Ndirikanaga, Wee Jehova, hĩndĩ ĩrĩa ũgwĩka andũ aku wega, ũndeithagie rĩrĩa ũkũmahonokia,
Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,
5 nĩguo ngenagĩre ũgaacĩru wa andũ aku athuure, nĩguo ngwatanagĩre gĩkeno-inĩ kĩa rũrĩrĩ rwaku, na nyiitanagĩre na igai rĩaku tũgĩkũgooca.
Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.
6 Ithuĩ nĩtwĩhĩtie, o ta ũrĩa maithe maitũ meehirie; nĩtwĩkĩte ũũru na tũkaagana.
Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7 Rĩrĩa maithe maitũ maarĩ Misiri, matiarũmbũirie ciama ciaku; matiigana kũririkana ũtugi waku mũingĩ, na makĩrema marĩ hũgũrũrũ-inĩ cia iria, o Iria rĩu Itune.
Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
8 No nĩamahonokirie nĩ ũndũ wa rĩĩtwa rĩake, nĩguo atũme hinya wake mũnene ũmenyeke.
Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9 Nĩakũũmire Iria Itune, narĩo rĩkĩhũa; akĩmagereria kũu kũriku taarĩ werũ-inĩ.
Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
10 Nĩamahonokirie guoko-inĩ kwa andũ arĩa maamathũire; akĩmakũũra kuuma guoko-inĩ gwa thũ.
Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
11 Maaĩ macio nĩmahubanĩirie amuku ao; gũtirĩ o na ũmwe wao watigarire.
Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12 Hĩndĩ ĩyo magĩĩtĩkia ciĩranĩro ciake, na makĩmũinĩra, makĩmũgooca.
Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
13 No makĩriganĩrwo o narua nĩ ũrĩa ekĩte, na matiigana gweterera ũtaaro wake.
Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14 Marĩ kũu werũ-inĩ makĩnyiitwo nĩ thuti; makĩgeria Mũrungu marĩ kũu gũtagĩĩaga kĩndũ.
Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.
15 Nĩ ũndũ ũcio akĩmahe kĩrĩa maamwĩtirie, no akĩmatũmĩra mũrimũ wa kũmanyariira.
Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
16 Ningĩ nĩmaiguĩrĩire Musa ũiru marĩ kũu kambĩ-inĩ, o na makĩiguĩra Harũni ũiru, o ũcio wamũrĩirwo Jehova.
Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.
17 Thĩ ĩgĩatũka na ĩkĩmeria Dathani; ningĩ ĩgĩthika thiritũ ya Abiramu.
Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.
18 Mwaki ũgĩakana gatagatĩ-inĩ ka arũmĩrĩri ao; rũrĩrĩmbĩ rũgĩcina andũ acio aaganu.
Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
19 Nĩmathondekire gacaũ marĩ kũu Horebu, makĩhooya mũhianano ũtweketio kuuma kũrĩ kĩgera.
Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
20 Maakũũranirie Riiri wa Ngai na mũhianano wa ndegwa ĩrĩa ĩrĩĩaga nyeki.
Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
21 Makĩriganĩrwo nĩ Mũrungu ũrĩa wamahonokirie, ũrĩa wekĩte maũndũ manene kũu bũrũri wa Misiri,
Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22 akĩringa ciama bũrũri wa Hamu, na agĩĩka mawĩko ma gwĩtigĩrwo Iria-inĩ Itune.
Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
23 Nĩ ũndũ ũcio akiuga nĩekũmaniina, tiga nĩ Musa, ũrĩa we aathurĩte, warũgamire mbere yake, akĩmũthaitha ndakamaniine na mangʼũrĩ make.
Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
24 Ningĩ makĩnyarara bũrũri ũcio mwega, makĩaga gwĩtĩkia kĩĩranĩro gĩake.
Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25 Makĩnuguna marĩ hema-inĩ ciao, na makĩaga gwathĩkĩra Jehova.
Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.
26 Nĩ ũndũ ũcio akĩoya guoko na igũrũ, akĩĩhĩta atĩ nĩakamangʼaũranĩria kũu werũ-inĩ,
Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27 angʼaũranĩrie njiaro ciao kũu gatagatĩ-inĩ ka ndũrĩrĩ, aciharaganĩrie kũu mabũrũri-inĩ guothe.
Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.
28 Nĩmeyohanirie na Baali ya Peoru, na makĩrĩa magongona maarutĩirwo ngai itarĩ muoyo;
Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
29 magĩtũma Jehova arakare nĩ ũndũ wa ciĩko ciao cia waganu, naguo mũthiro ũgĩtuthũka gatagatĩ-inĩ kao.
Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30 No Finehasi akĩrũgama na igũrũ, akĩherithia arĩa maarĩ na mahĩtia, naguo mũthiro ũgĩthira.
Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31 Ũhoro ũcio ũgĩtũma atuuo nĩ mũthingu kũrĩ njiarwa na njiarwa nginya tene.
Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32 Nao makĩrakaria Jehova hau maaĩ-inĩ ma Meriba, nake Musa agĩkinyĩrĩrwo nĩ thĩĩna nĩ ũndũ wao;
Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
33 nĩgũkorwo nĩmaremeire Roho wa Ngai, nake Musa akĩaria ciugo itaagĩrĩire.
Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34 Matiigana kũniina ndũrĩrĩ icio ta ũrĩa Jehova aamaathĩte,
Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;
35 no nĩgũtukana maatukanire na ndũrĩrĩ, na makĩrũmĩrĩra mĩtugo yao.
Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36 Makĩhooya mĩhianano yao, ĩrĩa yatuĩkire mũtego kũrĩ o.
Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37 Makĩrutĩra ndaimono aanake na airĩtu ao marĩ magongona.
Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;
38 Magĩita thakame ĩteehĩtie, thakame ya aanake na airĩtu ao, arĩa maarutire marĩ magongona kũrĩ mĩhianano ya Kaanani, naguo bũrũri ũgĩthaahio nĩ thakame yao.
Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
39 Nĩmethaahirie o ene nĩ gwĩka ũguo meekire; na ũndũ wa ciĩko ciao makĩhũũra ũmaraya.
Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
40 Nĩ ũndũ ũcio Jehova akĩrakarĩra andũ ake, na agĩthũũra igai rĩake mũno.
Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41 Akĩmaneana kũrĩ ndũrĩrĩ, nĩguo maathagwo nĩ thũ ciao.
Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42 Thũ ciao ikĩmahinyĩrĩria, na ikĩmaiga rungu rwa wathani wao.
Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.
43 Nake akĩmateithũra mahinda maingĩ, no-o makĩrema, makĩrikĩra mehia-inĩ mao.
Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
44 Nowe akĩona mĩnyamaro yao rĩrĩa aaiguire magĩkaya;
Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45 nĩ ũndũ wao akĩririkana kĩrĩkanĩro gĩake, na nĩ ũndũ wa wendo wake mũnene akĩringwo nĩ tha.
Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
46 Agĩtũma maiguĩrwo tha nĩ arĩa othe maamatahĩte.
Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
47 Tũhonokie, Wee Jehova Ngai witũ, na ũtũcookanĩrĩrie ũtũrute kũrĩ ndũrĩrĩ, nĩguo tũcookagĩrie rĩĩtwa rĩaku itheru ngaatho, na twĩrahagĩre ũgooci waku.
Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
48 Jehova arogoocwo, o we Ngai wa Isiraeli, kuuma tene wa tene, nginya o tene na tene. Nao andũ othe nĩmakiuge, “Ameni!” Goocai Jehova.
Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.

< Thaburi 106 >