< Ndari 20 >

1 Na rĩrĩ, mweri wa mbere, kĩrĩndĩ gĩothe kĩa andũ a Isiraeli gĩgĩkinya kũu Werũ-inĩ wa Zini, na gĩgĩikara Kadeshi. Nake Miriamu agĩkuĩra kũu na agĩthikwo o ro kuo.
Ary tamin’ ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
2 Na rĩrĩ, handũ hau hatiarĩ maaĩ ma kũnyuuo nĩ kĩrĩndĩ, nao andũ acio makĩũngana, magĩũkĩrĩra Musa na Harũni.
Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
3 Makĩnegenia Musa, makiuga atĩrĩ, “Naarĩ korwo nĩtwakuire rĩrĩa ariũ a ithe witũ maakuire marĩ mbere ya Jehova!
Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ ny nahafatesan’ ny rahalahinay teo anatrehan’ i Jehovah!
4 Nĩ kĩĩ gĩatũmire mũrehe kĩrĩndĩ kĩa Jehova werũ-inĩ ũyũ, nĩguo ithuĩ na mahiũ maitũ tũkuĩre gũkũ?
Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’ i Jehovah ho amin’ ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
5 Mwatũrutire bũrũri wa Misiri nĩkĩ, mũgĩtũrehe kũndũ gũkũ kũũru ũũ? Gũkũ gũtirĩ ngano kana ngũyũ, kana thabibũ, kana makomamanga. O na gũtirĩ maaĩ ma kũnyua!”
Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
6 Musa na Harũni makiuma hau kĩungano kĩarĩ, magĩthiĩ nginya o itoonyero-inĩ rĩa Hema-ya-Gũtũnganwo makĩĩgũithia na magĩturumithia mothiũ mao thĩ, naguo riiri wa Jehova ũkĩmoimĩrĩra.
Dia niala teo anatrehan’ ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’ i Jehovah.
7 Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
8 “Oya rũthanju rwaku, nawe na mũrũ wa nyũkwa Harũni mũcokanĩrĩrie kĩrĩndĩ kĩu hamwe. Arĩria rwaro rũrũ rwa ihiga makwĩroreire, na nĩrũkuuma maaĩ. Nawe ũrutĩre kĩrĩndĩ maaĩ rwaro-inĩ rũrũ rwa ihiga, nĩgeetha kĩnyue hamwe na mahiũ ma kĩo.”
Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
9 Nĩ ũndũ ũcio Musa akĩoya rũthanju akĩrũruta hau mbere ya Jehova, o ta ũrĩa Jehova aamwathĩte.
Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
10 Nake Musa na Harũni magĩcokanĩrĩria kĩrĩndĩ kĩu hamwe hau mbere ya rwaro rwa ihiga, na Musa akĩmeera atĩrĩ, “Ta thikĩrĩriai, inyuĩ aremi aya, no nginya tũmũrutĩre maaĩ kuuma rwaro-inĩ rũrũ rwa ihiga?”
Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
11 Musa agĩcooka akĩoya guoko gwake na igũrũ, akĩgũtha rwaro rũu rwa ihiga na rũthanju rwake maita meerĩ. Maaĩ makĩbororoka, nakĩo kĩrĩndĩ kĩu gĩkĩnyua, o na mahiũ makĩo makĩnyua.
Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
12 No Jehova akĩĩra Musa na Harũni atĩrĩ, “Tondũ mũtinanjĩtĩkia nĩguo muonanie atĩ niĩ ndĩ mũtheru, mũtũme heo gĩtĩĩo maitho-inĩ ma andũ a Isiraeli, inyuĩ mũtigaakinyia kĩrĩndĩ gĩkĩ bũrũri ũrĩa ndĩmaheete.”
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.
13 Macio nĩmo maarĩ maaĩ ma Meriba, kũrĩa andũ a Isiraeli maatetanirie na Jehova na kũrĩa eyonanirie atĩ nĩ mũtheru thĩinĩ wao.
Ity no ranon’ i Meriba, izay nilan’ ny Zanak’ Isiraely ady tamin’ i Jehovah, ka nisehoan’ i Jehovah ho masìna tamin’ ny nataony taminy.
14 Musa agĩtũma andũ kuuma Kadeshi mathiĩ kũrĩ mũthamaki wa Edomu, makamwĩre atĩrĩ: “Mũrũ wa nyũkwa Isiraeli oiga atĩrĩ: Wee nĩũũĩ mathĩĩna marĩa mothe tũkoretwo namo.
Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
15 Maithe maitũ ma tene nĩmaikũrũkire magĩthiĩ bũrũri wa Misiri, na ithuĩ tũgĩtũũra kuo mĩaka mĩingĩ. Andũ a Misiri nĩmatũhiinyĩrĩirie mũno ithuĩ ene o na maithe maitũ,
dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
16 no rĩrĩa twakaĩire Jehova-rĩ, nĩaiguire kĩrĩro giitũ nake agĩtũma mũraika agĩtũruta kũu bũrũri wa Misiri. “Na rĩu tũrĩ gũkũ Kadeshi, itũũra rĩrĩa rĩ mũthia-inĩ wa bũrũri waku.
ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ ny faritry ny taninao, izahay;
17 Ndagũthaitha ũtwĩtĩkĩrie tũtuĩkanĩrie bũrũri waku. Tũtikũgerera mĩgũnda-inĩ ya irio, kana ya mĩthabibũ, kana tũnyue maaĩ ma gĩthima o na kĩmwe. Tũkũgerera njĩra ĩrĩa nene ya mũthamaki, na tũtigũkerũra na mwena wa ũrĩo o na kana wa ũmotho, o nginya tũtuĩkanie bũrũri waku.”
koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana akory: ny lalan’ andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18 No Edomu akĩmũcookeria atĩrĩ: “Ndũgũtuĩkanĩria gũkũ; na ũngĩgeria-rĩ, tũkuumagara tũmũtharĩkĩre na rũhiũ rwa njora.”
Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ ny sabatra aho.
19 Andũ a Isiraeli acio makĩmũcookeria atĩrĩ, “Ithuĩ tũkũgerera o njĩra ĩrĩa nene, na ithuĩ ene kana mahiũ maitũ tũngĩnyua maaĩ manyu-rĩ, nĩtũkũrĩha. Tũrenda o tũtuĩkanie tũthiĩte na magũrũ tu hatarĩ ũndũ ũngĩ.”
Dia hoy ny Zanak’ Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
20 Ningĩ Edomu agĩcookia atĩrĩ: “Aca, mũtigũtuĩkanĩria gũkũ.” Hĩndĩ ĩyo Edomu akiumagara akamatharĩkĩre, arĩ mbũtũ nene ĩna hinya mũingĩ.
Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
21 Tondũ Edomu ndaametĩkĩririe matuĩkanĩrie bũrũri wao-rĩ, andũ a Isiraeli makĩhũndũka, magĩtigana nao.
Toy izany no nandavan’ ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’ Isiraely.
22 Kĩrĩndĩ gĩothe kĩa andũ a Isiraeli gĩkiuma kũu Kadeshi na magĩkinya Kĩrĩma-inĩ kĩa Horu.
Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
23 Marĩ kũu Kĩrĩma-inĩ kĩa Horu, hakuhĩ na mũhaka wa Edomu, Jehova akĩĩra Musa na Harũni atĩrĩ,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ ny fari-tanin’ i Edoma, ka nanao hoe:
24 “Rĩu Harũni nĩegũkua. Ndegũtoonya bũrũri ũrĩa ngũhe andũ a Isiraeli, nĩ ũndũ inyuĩ eerĩ nĩmwaremeire watho wakwa kũu maaĩ-inĩ ma Meriba.
Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.
25 Oya Harũni na mũriũ Eleazaru, ũmatware Kĩrĩma-igũrũ kĩa Horu.
Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
26 Ũrute Harũni nguo ciake, ũcihumbe mũriũ Eleazaru, nĩ ũndũ Harũni nĩegũkua, na egũkuĩra o ro kũu.”
dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.
27 Musa agĩĩka o ta ũrĩa Jehova aamwathĩte; makĩambata Kĩrĩma-inĩ kĩa Horu makĩonagwo nĩ kĩrĩndĩ kĩu gĩothe.
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
28 Musa akĩruta Harũni nguo ciake, agĩcihumba mũriũ Eleazaru. Nake Harũni agĩkuĩra kũu kĩrĩma igũrũ. Nake Musa na Eleazaru magĩikũrũka makiuma kũu kĩrĩma igũrũ,
Dia nesorin’ i Mosesy ny fitafian’ i Arona ka natafiny an’ i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon’ ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
29 na rĩrĩa kĩrĩndĩ kĩu kĩamenyire atĩ Harũni nĩakuĩte, andũ othe a nyũmba ya Isiraeli makĩmũcakaĩra mĩthenya mĩrongo ĩtatũ.
Koa nony hitan’ ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’ Isiraely rehetra.

< Ndari 20 >