< Mika 3 >

1 Ningĩ ngiuga atĩrĩ, “Ta iguai, inyuĩ atongoria a Jakubu, o inyuĩ aathani a nyũmba ya Isiraeli. Githĩ mũtiagĩrĩirwo nĩkũmenya ũhoro wa gũtuanĩra ciira na kĩhooto.
Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’ i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’ Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2 No inyuĩ mũthũire maũndũ mega no mũkenda marĩa mooru; inyuĩ mũnũraga andũ akwa ikonde, na mũgathoora nyama mahĩndĩ-inĩ mao.
Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ ny taolany,
3 Inyuĩ mũrĩĩaga nyama cia mĩĩrĩ ya andũ akwa, mũkamonũra ikonde na mũkoinanga mahĩndĩ mao tũcunjĩ; O inyuĩ mũmatinangagia ta nyama cia gũkarangwo na rũgĩo, o na ta nyama cia gũtherũkio na nyũngũ.”
Eny, ianareo izay homana ny nofon’ ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ ny fahandroan-kena.
4 Hĩndĩ ĩyo magaakaĩra Jehova, nowe ndakamacookeria. Hĩndĩ ĩyo nĩakahitha ũthiũ wake kuuma kũrĩ o, tondũ wa ũũru ũrĩa mekĩte.
Amin’ izany dia hitaraina amin’ i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’ izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ ny nataon’ ireo.
5 Jehova ekuuga atĩrĩ, “Ha ũhoro wa anabii acio mahĩtithagia andũ akwa, mũndũ aamahe irio, maanagĩrĩra makiugaga ‘thayũ,’ no angĩmaima irio, makahaarĩria mbaara ya kũmũũkĩrĩra.
Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masìna:
6 Tondũ ũcio, ũtukũ nĩũkamũhubanĩria, mwage kuona cioneki, mũhubanĩrio nĩ nduma mwage ũguũrio. Riũa nĩrĩgathũĩra anabii, naguo mũthenya ũmatuĩkĩre nduma.
Koa izany no hisian’ ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
7 Ooni-maũndũ nĩmagaconoka, nao aragũri maconorithio. Othe nĩmakahumbĩra mothiũ mao, tondũ gũtirĩ ũhoro magaacookerio nĩ Ngai.”
Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’ Andriamanitra.
8 No hakwa-rĩ, niĩ njiyũrĩtwo nĩ hinya, na ngaiyũrwo nĩ Roho wa Jehova, o na ngaiyũrwo nĩ kĩhooto na ũhoti, nĩguo nyumbũrĩre Jakubu ũremi wake, na nyumbũrĩre Isiraeli mehia make.
Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’ i Jehovah, Mbamin’ ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’ i Jakoba ny helony Sy amin’ Isiraely ny fahotany.
9 Ta thikĩrĩriai, inyuĩ atongoria a nyũmba ya Jakubu, o inyuĩ aathani a nyũmba ya Isiraeli, inyuĩ mũmenaga kĩhooto, na mũkoogomia maũndũ marĩa ma ma;
Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon’ ny taranak’ i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak’ Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10 inyuĩ mwakaga Zayuni na ũiti wa thakame, na mũgaaka Jerusalemu na waganu.
Dia izay manangana an’ i Ziona amin’ ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin’ ny faharatsiana.
11 Atongoria akuo matuaga ciira maahakwo, athĩnjĩri-Ngai akuo marutanaga maarĩhwo, na anabii akuo marathaga mohoro maheo mbeeca. No rĩrĩ, megiritanagia na Jehova makoiga atĩrĩ, “Githĩ Jehova ndakĩrĩ gatagatĩ-inĩ gaitũ? Gũtirĩ ũũru ũngĩtũkora.”
Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
12 Nĩ tondũ wanyu-rĩ, Zayuni gũgaaciimbwo ta mũgũnda, Jerusalemu gũtuĩke hĩba ya mahiga, nakĩo kĩrĩma kĩrĩa gĩakĩtwo hekarũ gĩtuĩke kĩhumbu kĩmereirwo nĩ ihinga.
Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.

< Mika 3 >