< Joshua 22 >

1 Ningĩ Joshua agĩĩta andũ a Mũhĩrĩga wa Rubeni, na wa Gadi. na nuthu ya mũhĩrĩga wa Manase,
Ary tamin’ izay dia nantsoin’ i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase,
2 akĩmeera atĩrĩ, “Nĩmwĩkĩte maũndũ marĩa mothe Musa ndungata ya Jehova aamwathire, na nĩmũnjathĩkĩire maũndũ-inĩ mothe marĩa ndĩmwathĩte.
ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
3 Matukũ macio mothe mathirĩte o nginya ũmũthĩ-rĩ, mũtirĩ mwatiganĩria ariũ a thoguo, no nĩmũrutĩte wĩra ũrĩa Jehova Ngai wanyu aamũheire.
tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin’ izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
4 Na rĩrĩ, kuona atĩ Jehova nĩaheete ariũ a thoguo ũhurũko o ta ũrĩa eeranĩire-rĩ, cookai mũthiĩ mĩciĩ kwanyu bũrũri-inĩ ũrĩa Musa ndungata ya Jehova aamũheire mũrĩmo ũũrĩa ũngĩ wa Rũũĩ rwa Jorodani.
Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.
5 No rĩrĩ, menyerera mũno mũtikanaage kũhingia maathani na watho ũrĩa Musa ndungata ya Jehova aamũheire; akĩmwĩra mwendage Jehova Ngai wanyu, na mũrũmagie njĩra ciake ciothe, na mwathĩkagĩre maathani make, na mũtũũre mwĩgwatanĩtie nake, na mũmũtungatagĩre na ngoro cianyu ciothe na mĩoyo yanyu yothe.”
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo, hitiavanareo an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
6 Nake Joshua akĩmarathima, akĩmeera mathiĩ, nao magĩthiĩ, makĩinũka kwao mĩciĩ.
Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ ny lainy avy izy.
7 (Musa nĩaheete nuthu ĩmwe ya mũhĩrĩga wa Manase gĩthaka kũu Bashani, nayo nuthu ĩyo ĩngĩ ya mũhĩrĩga ũcio Joshua akĩmĩhe gĩthaka mwena wa ithũĩro wa Rũũĩ rwa Jorodani hamwe na ariũ a ithe wao.) Rĩrĩa Joshua aameerire mainũke-rĩ, nĩamarathimire,
Ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nomen’ i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen’ i Josoa teo amin’ ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan’ i Jordana. Ary raha nampodin’ i Josoa ho any amin’ ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
8 akĩmeera atĩrĩ, “Cookai mĩciĩ kwanyu hamwe na ũtonga wanyu mũnene, wa mahiũ maingĩ, na betha, na thahabu, na icango, na igera, na nguo nyingĩ mũno cia kwĩhumba, na mũthiĩ mũgayane indo icio mũtahĩte kuuma kũrĩ thũ cianyu na ariũ a ithe wanyu.”
ka nilazany hoe: Modia ho any amin’ ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman’ ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ ny fahavalonareo.
9 Nĩ ũndũ ũcio mũhĩrĩga wa Rubeni, na wa Gadi, na nuthu ya Manase magĩtiga andũ a Isiraeli Shilo kũu Kaanani nĩguo macooke Gileadi, bũrũri wao kĩũmbe, ũrĩa meegwatĩire naguo o ta ũrĩa Jehova aathĩte Musa.
Dia nody ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nandao ny Zanak’ Isiraely tao Silo, izay ao amin’ ny tany Kanana, hankany amin’ ny tany Gileada ho any amin’ ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin’ i Jehovah nasainy nolazain’ i Mosesy.
10 Rĩrĩa maakinyire Gelilothu gũkuhĩ na Rũũĩ rwa Jorodani kũu bũrũri wa Kaanani-rĩ, mũhĩrĩga wa Rubeni, na wa Gadi, na nuthu ya mũhĩrĩga wa Manase nĩmakire kĩgongona kĩnene biũ o kũu hũgũrũrũ-inĩ cia Rũũĩ rwa Jorodani.
Ary raha tonga teo amoron’ i Jordana eo amin’ ny tany Kanana ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
11 Na rĩrĩa andũ a Isiraeli maaiguire atĩ nĩmakĩte kĩgongona kĩu mũhaka-inĩ wa Kaanani kũu Gelilothu gũkuhĩ na Rũũĩ rwa Jorodani mwena wa andũ a Isiraeli-rĩ,
Ary ny Zanak’ Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nanorina alitara an-tsisin’ ny tany Kanana, eo amoron’ i Jordana, anatin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely.
12 kĩungano gĩothe gĩa Isiraeli gĩkĩũngana Shilo nĩguo gĩkarũe nao.
Ary nony ren’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
13 Nĩ ũndũ ũcio andũ a Isiraeli magĩtũma Finehasi mũrũ wa Eleazaru ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai athiĩ bũrũri wa Gileadi; athiĩ kũrĩ mũhĩrĩga wa Rubeni, na wa Gadi na nuthu ya Manase.
Dia naniraka an’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, any amin’ ny tany Gileada,
14 O hamwe nake, magĩtũma atongoria ikũmi o mũtongoria ũmwe akarũgamĩrĩra mũhĩrĩga o mũndũ ũmwe wa Isiraeli, o ũmwe wao nĩwe warĩ mũnene wa nyũmba ya ithe thĩinĩ wa mbarĩ cia andũ a Isiraeli.
sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’ ny Isiraely rehetra: samy lohan’ ny fianakaviany tamin’ ny arivon’ ny Isiraely ireo.
15 Rĩrĩa maathiire Gileadi, magĩthiĩ kũrĩ mũhĩrĩga wa Rubeni, na Gadi, na nuthu ya Manase, makĩmeera atĩrĩ,
Dia tonga tany amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase tany amin’ ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16 “Kĩũngano gĩothe kĩa Jehova gĩkũmũũria atĩrĩ, ‘Nĩ kĩĩ gĩtũmĩte mwage kwĩhokeka harĩ Ngai wa Isiraeli? Mwahota atĩa kũhutatĩra Jehova mũkeyakĩra kĩgongona nĩguo mũũkĩrĩre Jehova mũmũremere?
Izao no lazain’ ny fiangonan’ i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin’ Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo androany tamin’ ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
17 Mehia marĩa meekĩirwo Peori matitũiganĩte? Nginya ũmũthĩ ũyũ tũtirĩ twetheria mehia macio, o na gũtuĩka mũthiro nĩwokire igũrũ rĩa kĩrĩndĩ kĩa Jehova!
Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,
18 Rĩu na inyuĩ nĩ Jehova mũrahutatĩra? “‘Mũngĩremera Jehova ũmũthĩ, rũciũ nake nĩakarakarĩra kĩrĩndĩ gĩothe gĩa Isiraeli.
no dia mihodìna miala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin’ i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
19 Angĩkorwo bũrũri ũrĩa mwĩgwatĩire nĩmũthaahu-rĩ, ringai mũũke bũrũri wa Jehova, kũrĩa hema ya Jehova ĩrĩ, mũgayane bũrũri na ithuĩ. No rĩrĩ, mũtikaremere Jehova kana mũtũremere na ũndũ wa kwĩyakĩra kĩgongona kĩanyu inyuĩ ene, o tiga kĩgongona kĩrĩa kĩrĩ kĩa Jehova Ngai witũ.
Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin’ ny tanin’ i Jehovah, izay itoeran’ ny tabernakelin’ i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin’ i Jehovah, na miodina aminay, amin’ ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika.
20 Rĩrĩa Akani mũrũ wa Zera aagire kwĩhokeka maũndũ-inĩ makoniĩ indo iria ciamũrĩtwo cia kũniinwo-rĩ, githĩ mangʼũrĩ matiakinyĩrĩire kĩrĩndĩ gĩothe gĩa Isiraeli? Mũndũ ũcio to we wiki wakuire nĩ ũndũ wa mehia make.’”
Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’ i Zera, tamin’ ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’ izany helony izany.
21 Hĩndĩ ĩyo andũ a Rubeni, na a Gadi, na a nuthu ya Manase magĩcookeria anene a mbarĩ cia Isiraeli makĩmeera atĩrĩ:
Dia namaly ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nanao tamin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely hoe:
22 “Jehova, Ngai, Mwene-Hinya, o we Jehova! Jehova, Ngai, Mwene-Hinya, o we Jehova! Nĩwe ũũĩ! Narĩo Isiraeli nĩrĩmenye! Angĩkorwo ũndũ ũyũ nĩ wa ũremi o na kana kwaga gwathĩkĩra Jehova, mũtigatũtigie muoyo ũmũthĩ.
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23 Angĩkorwo nĩtwakĩte kĩgongona giitũ ithuĩ ene nĩguo tũhutatĩre Jehova, na tũrutage maruta ma njino na ma mũtu, o na kana tũkarutagĩra igongona rĩa ũiguano igũrũ rĩakĩo-rĩ, Jehova aroĩyũrĩria gĩtũmi kĩa ũhoro ũcio harĩ ithuĩ.
raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
24 “Aca! Ithuĩ twekire ũguo nĩ ũndũ wa gwĩtigĩra atĩ mũthenya ũmwe njiaro cianyu ciahota gũkeera ciitũ atĩrĩ, ‘Inyuĩ nĩ ũhoro ũrĩkũ mũrĩ naguo na Jehova Ngai wa Isiraeli?
fa tahotra tokoa no anton’ ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
25 Jehova nĩekĩrĩte mũhaka wa Rũũĩ rwa Jorodani ũtuĩke wa gũtũhakania ithuĩ na inyuĩ, na andũ aya a Rubeni na Gadi! Gũtirĩ ũndũ mwĩtainwo na Jehova.’ Nĩ ũndũ ũcio njiaro cianyu ciahota gũtũma ciitũ itige gũcooka gwĩtigĩra Jehova.
fa Jordana no nataon’ i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak’ i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan’ ny taranakareo tsy hatahotra an’ i Jehovah ny taranakay,
26 “Kĩu nĩkĩo gĩatũmire tuuge atĩrĩ, ‘Nĩtwĩhaarĩrie twĩakĩre kĩgongona, no ti kĩa maruta ma njino o na kana magongona mangĩ.’
Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
27 No rĩrĩ, nĩ gĩtuĩke ũira gatagatĩ gaitũ na inyuĩ na njiarwa iria igooka, atĩ tũrĩhooyagĩra Jehova hema-inĩ yake tũrĩ na maruta maitũ ma njino, na magongona na maruta ma ũiguano. Ningĩ matukũ ma thuutha njiaro cianyu itikeera njiaro ciitũ atĩrĩ, ‘Mũtirĩ na igai harĩ Jehova.’
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an’ i Jehovah eo anatrehany amin’ ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ ny taranakareo amin’ ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo.
28 “Na ithuĩ tũkiuga atĩrĩ, ‘Mangĩgaatwĩra ũguo, o na kana meere njiaro ciitũ ũguo-rĩ, nĩtũkamacookeria, tũmeere atĩrĩ: Ta rorai muone mũhianĩre wa kĩgongona kĩa Jehova, kĩrĩa maithe maitũ maakire, gĩtiakirwo nĩ ũndũ wa maruta ma njino na magongona mangĩ, no gĩakirwo nĩguo gĩtuĩke ũira gatagatĩ gaitũ na inyuĩ.’
Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’ i Jehovah, izay nataon’ ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
29 “Kũroaga gũtuĩka ũguo, atĩ no tũremere Jehova tũmũhutatĩre ũmũthĩ na ũndũ wa gwaka kĩgongona kĩngĩ gĩa keerĩ gĩa kũrutĩra maruta ma njino, na maruta ma mũtu na magongona mangĩ, tiga o kĩgongona kĩa Jehova Ngai witũ kĩrĩa gĩakĩtwo hema-inĩ yake.”
Sanatria aminay raha hiodina amin’ i Jehovah ka hiala anio amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan’ ny tabernakeliny.
30 Rĩrĩa Finehasi, mũthĩnjĩri-Ngai hamwe na atongoria a kĩrĩndĩ, o acio atongoria a mbarĩ cia andũ a Isiraeli maaiguire ũrĩa Rubeni, na Gadi, na Manase moigire-rĩ, magĩkena.
Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.
31 Nake Finehasi mũrũ wa Eleazaru ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai akĩĩra Rubeni, na Gadi, na Manase atĩrĩ, “Ũmũthĩ nĩtwamenya atĩ Jehova arĩ hamwe na ithuĩ, tondũ mũtihĩtĩirie Jehova ũndũ-inĩ ũyũ. Rĩu nĩmũteithũkĩtie andũ a Isiraeli kuuma guoko-inĩ kwa Jehova.”
Ary hoy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, tamin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’ i Jehovah ianareo; ary amin’ izany dia efa namonjy ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tànan’ i Jehovah ianareo.
32 Nake Finehasi mũrũ wa Eleazaru, ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai, hamwe na atongoria magĩcooka Kaanani thuutha wa gũcemania na andũ a Rubeni na Gadi kũu Gileadi, nao magĩcookeria andũ a Isiraeli ũhoro.
Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’ i Robena sy Gada tany amin’ ny tany Gileada ka nankany amin’ ny tany Kanana ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
33 Nĩmakenire nĩ kũigua ũhoro ũcio, na makĩgooca Ngai. Na matiigana gũcooka kwaria ũhoro wa kũrũa nao atĩ nĩguo maharaganie bũrũri ũrĩa andũ a Rubeni na Gadi matũũraga.
Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
34 Nao andũ a Rubeni na Gadi magĩĩta kĩgongona kĩu ũũ: Mũira Gatagatĩ Gaitũ atĩ Jehova nĩwe Ngai.
Dia nasian’ ny taranak’ i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.

< Joshua 22 >