< Ayubu 9 >

1 Ningĩ Ayubu agĩcookia, akiuga atĩrĩ:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 “Ti-itherũ nĩnjũũĩ ũhoro ũcio nĩ wa ma. No rĩrĩ, mũndũ angĩhota atĩa gũkorwo arĩ mũthingu mbere ya Mũrungu?
Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
3 O na korwo mũndũ enda gũkararania na Ngai-rĩ, ndangĩhota kũmũcookeria kĩũria o na kĩmwe harĩ ciũria ngiri.
Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
4 Ũũgĩ wake nĩ mũingĩ mũno, na ũhoti wake nĩ mũnene. Nũũ wanaregana nake akĩgaacĩra?
Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Eeheragia irĩma itekũmenya, na agacingʼaũrania nĩ kũrakara.
Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
6 Athingithagia thĩ ĩkoima handũ hayo, na akainainia itugĩ ciayo.
Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Aathaga riũa rĩkaaga kũratha; nake agiragĩrĩria ũtheri wa njata.
Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Nĩwe watambũrũkirie igũrũ arĩ o wiki, na athiiaga agĩkinyangaga makũmbĩ ma iria.
Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Nĩwe Mũũmbi wa njata iria ciĩtagwo Nduba, na Karaũ, na Kĩrĩmĩra, o na ikundi cia njata cia mwena wa gũthini.
Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
10 Nĩekaga magegania matangĩmenyeka, na akaringa ciama itangĩtarĩka.
Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
11 Rĩrĩa aahĩtũkĩra harĩa ndĩ, ndingĩmuona; o na rĩrĩa aathiĩra harĩa ndĩ ndimenyaga.
Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Angĩgutha kĩndũ-rĩ, nũũ ũngĩhota kũmũgiria? Nũũ ũngĩmũũria atĩrĩ, ‘Nĩ atĩa ũreka?’
Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Ngai ndahingagĩrĩria marakara make; o na arĩa maateithagĩrĩria Rahabu nĩmamũinamagĩrĩra.
Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
14 “Niĩ-rĩ, ndaakĩhota atĩa kũmũkararia? Ingĩruta kũ ciugo cia kũmũcookeria?
Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 O na korwo ndihĩtĩtie-rĩ, ndingĩhota kũmũcookeria ũndũ; ũrĩa ingĩĩka no gũthaitha ingĩthaitha Mũnjiirithia anjiguĩre tha.
Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16 O na ingĩamwĩtire nake anjĩtĩke-rĩ, ndingĩĩtĩkia nĩangĩathikĩrĩirie.
Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 We angĩamemendire na kĩhuhũkanio, na aingĩhie ironda ciakwa hatarĩ gĩtũmi.
Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Ndarekaga njookererwo nĩ mĩhũmũ, no nĩahatagĩrĩria na mathĩĩna.
Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 Korwo no ũhoro wa hinya-rĩ, we arĩ hinya mũno! Na korwo no ũhoro wa ciira wa kĩhooto-rĩ, nũũ ũngĩmwĩta?
Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 O na korwo ndiahĩtĩtie-rĩ, kanua gakwa no kandue mũhĩtia; korwo ndiarĩ na ũcuuke-rĩ, nĩkangĩanduire mũhĩtia.
Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 “O na gũtuĩka ndirĩ na ũcuuke-rĩ, ndikwĩrĩrĩra; muoyo wakwa nĩndĩwagĩire kĩene.
Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22 Ũhoro no ũrĩa ũmwe; nĩkĩo ndĩroiga atĩrĩ, ‘Aniinaga arĩa matarĩ ũcuuke o na akaniina arĩa aaganu.’
Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Hĩndĩ ĩrĩa ihũũra rĩarehe gĩkuũ kĩa narua, nĩathekagĩrĩra kũũrwo nĩ hinya kwa arĩa matarĩ na mahĩtia.
Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24 Hĩndĩ ĩrĩa bũrũri wagĩa moko-inĩ ma andũ aaganu, nĩahingaga aciirithania maitho. Akorwo ti we-rĩ, nũũ wĩkaga ũguo?
Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 “Matukũ makwa marahanyũka gũkĩra mũkinyia-ũhoro; mombũkaga matarĩ na gĩkeno o na kĩnini.
Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Mahĩtũkaga na ihenya mũno ta tũtarũ twa irura, kana ta nderi igũcuuhũkĩra kĩndũ gĩa kũrĩa.
Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
27 Ingiuga atĩrĩ, ‘Nĩngũriganĩrwo nĩ mateta makwa, nĩngũtiga gũtukia gĩthiithi, ngene,’
Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 no ngeetigĩra mĩnyamaro yakwa yothe, nĩgũkorwo nĩnjũũĩ ndũkandua atĩ ndiĩhĩtie.
Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Kuona atĩ nĩndĩkĩtie gũtuuo mũhĩtia-rĩ, nĩ kĩĩ gĩgũtũma ndĩĩnogie tũhũ?
Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 O na ingĩĩthamba na thabuni, na ndĩĩthambe moko na igata-rĩ,
Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
31 no ũndikirie irima rĩa gĩcoro nĩgeetha o na nguo ciakwa iithũũre.
Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32 “We ti mũndũ ta niĩ atĩ nĩguo ndĩmũcookerie, nĩguo tũngʼethanĩre igooti-inĩ.
Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
33 Naarĩ korwo nĩ harĩ mũndũ ũngĩtũiguithania, atũigĩrĩre guoko gwake ithuĩ eerĩ,
Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 mũndũ wa kũnjehereria rũthanju rwa Ngai, nĩgeetha ndigacooke kũmakio nĩ itebeebania rĩake.
Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Hĩndĩ ĩyo nĩingĩacooka kwaragia itekũmwĩtigĩra, no ũrĩa ndariĩ rĩu-rĩ, ndingĩhota.
Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.

< Ayubu 9 >