< Ayubu 12 >

1 Ningĩ Ayubu agĩcookia atĩrĩ:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 “Hatirĩ nganja inyuĩ nĩ inyuĩ andũ, naguo ũũgĩ ũgaathiranĩra na inyuĩ rĩrĩa mũgaakua!
Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 No rĩrĩ, ndĩ na ũmenyo o ta inyuĩ; mũtirĩ oogĩ kũngĩra. Nũũ ũtooĩ maũndũ macio mothe?
Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4 “Nduĩkĩte mũndũ wa gũthekererwo nĩ arata akwa, o na gũtuĩka nĩndakaĩire Ngai nake akĩnjigua: niĩ nduĩkĩte mũndũ wa gũthekererwo, o na gũtuĩka ndĩ mũthingu na ndirĩ ũcuuke!
Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5 Andũ arĩa maikaraga megangarĩte manyũrũragia mũtino, makona ta ũndũ ũcio ũkoraga o andũ arĩa magũrũ mao matenderũkaga.
Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa.
6 Hema cia atunyani nĩcio ciikaraga igaacĩire, na andũ arĩa marakaragia Mũrungu nĩo maikaraga na thayũ, o acio makuuaga ngai yao na moko.
Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny
7 “No ta kĩũrie nyamũ, na nĩigũkũruta ũhoro, kana ũrie nyoni cia rĩera-inĩ, na nĩigũkwĩra;
Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
8 kana warĩrie thĩ, na nĩĩgũkũruta ũhoro, kana ũkĩarĩrie thamaki cia iria-inĩ, nacio nĩigũkũhe ũhoro.
Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
9 Nĩ irĩkũ cia icio ciothe itooĩ atĩ nĩ guoko kwa Jehova gwĩkĩte ũndũ ũyũ?
Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
10 Mĩoyo ya ciũmbe ciothe ĩrĩ guoko-inĩ gwake, o na mĩhũmũ ya andũ othe.
Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra?
11 Githĩ gũtũ gũtithuuranagia ciugo o ta ũrĩa rũrĩmĩ rũcamaga irio?
Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12 Githĩ ũũgĩ ndũkoragwo na andũ arĩa akũrũ? Githĩ gũtũũra mũno gũtirehaga ũmenyo?
Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 “Ũũgĩ na hinya nĩ cia Ngai; mataaro na ũmenyo nĩ ciake.
Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14 Kĩrĩa amomoraga gĩtingĩakwo rĩngĩ; mũndũ ũrĩa aahingĩra njeera gũtirĩ mũndũ ũngĩmuohora.
Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 Ahingagĩrĩria maaĩ, gũkaaga mbura; ningĩ aamarekereria makaananga bũrũri.
Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 Hinya na ũtooria nĩ ciake; mũheenio na mũheenania eerĩ no ake.
Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17 Aheani kĩrĩra amatongoragia matarĩ nguo, na agatua aciirithania irimũ.
Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
18 Nĩohoraga mĩnyororo ĩrĩa athamaki moohaga andũ nayo, akamooha mũcibi njohero.
Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19 Athĩnjĩri-Ngai amatongoragia marutĩtwo nguo, na akangʼaũrania andũ arĩa mehaandire tene.
Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20 Nĩakiragia mĩromo ya aheani kĩrĩra arĩa meehoketwo, nao athuuri akamatunya ũhoro wa gũkũũrana maũndũ.
Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny.
21 We nĩagagĩra arĩa atĩĩku bata, nao arĩa marĩ na hinya nĩamatunyaga indo ciao cia mbaara.
Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka.
22 Nĩaguũragia maũndũ marĩa mariku ma nduma, na nduma nene ya gĩkuũ akamiumĩria ũtheri-inĩ.
Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava.
23 Anenehagia ndũrĩrĩ, agacooka agaciananga; aingĩhagia ndũrĩrĩ, agacooka agacihurunja.
Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
24 Nĩagaagagia meciiria ma atongoria a gũkũ thĩ; akamaingata, morũũrage werũ-inĩ mũtheri ũtarĩ njĩra.
Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
25 Mahambaataga nduma-inĩ kũrĩa gũtarĩ ũtheri; ningĩ atũmaga matũgũũge ta mũndũ mũrĩĩu.
Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.

< Ayubu 12 >