< Isaia 30 >

1 Jehova ekuuga atĩrĩ, “Kaĩ ciana iria nemi irĩ na haaro-ĩ! o icio ihingagia mĩbango ĩtarĩ yakwa, na igathondeka ngwatanĩro, no ti na Roho wakwa, igakĩiganĩrĩra mehia igũrũ rĩa mehia;
Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
2 o icio ciikũrũkaga igathiĩ bũrũri wa Misiri itaahoete kĩrĩra; icio ciethaga ũteithio wa kũgitĩrwo nĩ Firaũni, na ikehoka kĩĩruru kĩa bũrũri wa Misiri gĩtuĩke rĩũrĩro rĩacio.
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
3 No ũgitĩri ũcio wa Firaũni ũgaatuĩka wa kũmũconorithia, na kwĩhoka kĩĩruru kĩa bũrũri wa Misiri gũkaamũrehera thoni.
Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
4 O na akorwo marĩ na anene kũu Zoani, na mabarũthi mao nĩmakinyĩte Hanesi-rĩ,
Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
5 andũ othe nĩmagaconorithio nĩ ũndũ wa andũ matangĩmaguna na ũndũ o na ũrĩkũ, arĩa matangĩmateithia kana mamagune, tiga o kũmaconorithia na kũmarehera thoni.”
Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
6 Ĩno nĩyo ndũmĩrĩri nditũ ĩkoniĩ nyamũ cia Negevu: Mabarũthi mao makuuaga ũtonga wao na ndigiri, na igĩĩna ciao magaaciigĩrĩra maguku-inĩ ma ngamĩĩra, magatuĩkanĩria bũrũri wa thĩĩna na wa mĩnyamaro, bũrũri ũrĩ mĩrũũthi ya njamba na ya nga, na nduĩra na nyoka iria ĩticũkaga, macitware bũrũri wa andũ matangĩmaguna o na atĩa.
Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
7 Nĩgũkorwo ũteithio wa Misiri nĩ wa tũhũ na ndũrĩ kĩguni. Nĩ ũndũ bũrũri ũcio ndĩwĩtĩte Rahabu ũrĩa Ũtarĩ-ũndũ-Ekaga.
Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
8 Na rĩrĩ, rĩu thiĩ ũmakururĩre ũhoro ũyũ kĩbaũ-inĩ, na ũwandĩke ibuku-inĩ rĩa gĩkũnjo, nĩgeetha ũgaatuĩka ũira wa gũtũũra matukũ marĩa magooka.
Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
9 Nĩgũkorwo aya nĩ andũ aremi na nĩ ciana itũire iheenanagia, ciana itendaga gũthikĩrĩria ũtaaro wa Jehova.
Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
10 Nacio ciĩraga ooni-maũndũ atĩrĩ, “Mũtigatuonere maũndũ mangĩ!” na ikeera anabii atĩrĩ, “Tigai gũtũrathĩra maũndũ ma ũhoro wa ma! Twĩragei maũndũ marĩa mangĩtũkenia, na mũtũrathagĩre maũndũ ma maheeni.
Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
11 Eherai njĩra-inĩ ĩno, muume gacĩra-inĩ gaka, na mũtige gũtwĩra ũhoro wa Ũrĩa Mũtheru wa Isiraeli!”
Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
12 Nĩ ũndũ ũcio Ũrĩa Mũtheru wa Isiraeli ekuuga atĩrĩ: “Tondũ nĩmũregete ndũmĩrĩri ĩno, mũkehoka ũhinyanĩrĩria, na mũgatua maheeni kĩndũ gĩa gwĩtiiranagia nakĩo,
Koa izao no lazain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin’ izany,
13 rĩhia rĩĩrĩ rĩgũtuĩka ta rũthingo rũraihu na igũrũ, rũrĩ na mwatũka ũrĩa ũikaraga o ũkĩaramaga, rũrĩa rũmomokaga o narua, o rĩmwe.
Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
14 Rũkoinĩkanga tũcunjĩ ta nyũngũ, rũthethereke rũtegũcaĩrwo, ũndũ hakaaga gacunjĩ o na kamwe gakoneka kangĩruta mwaki riiko, kana kangĩtaha maaĩ kuuma gĩthima-inĩ.”
Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
15 Mwathani Jehova Ũrĩa Mũtheru wa Isiraeli ekuuga atĩrĩ: “Njĩra ĩrĩa ĩngĩtũma mũhonoke no ya kwĩrira na gũikara mũtegwĩtanga, naguo hinya ũrĩa mũkaagĩa naguo ũkooneka nĩ ũndũ wa gũikara mũhooreire na kwĩhoka, no macio mothe nĩmũmaregete.
Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
16 Mwoigire atĩrĩ, ‘Aca, nĩtũkoora tũhaicĩte mbarathi.’ Nĩ ũndũ ũcio nĩmũgakĩũra! Ningĩ mũkiuga atĩrĩ, ‘Tũkaahaica mbarathi iria irĩ ihenya mũno tũũre!’ Nĩ ũndũ ũcio arĩa makaamũtengʼeria magaakorwo marĩ na ihenya mũno o nao!
Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
17 Andũ ngiri makoora nĩ kũmakio nĩ mũndũ ũmwe; na inyuĩ inyuothe mũũre nĩ kũmakio nĩ andũ atano, nginya mũtigwo mũhaana ta mũtĩ wa bendera ũrĩ kĩrĩma-igũrũ, o na ta bendera ĩrĩ karĩma-igũrũ.”
Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
18 O na gũtariĩ ũguo-rĩ, Jehova eriragĩria kũmũtuga; arahũkaga nĩguo amũiguĩre tha. Nĩgũkorwo Jehova nĩ Ngai ũtuanagĩra ciira na kĩhooto. Kũrathimwo-rĩ, nĩ arĩa othe mamwetagĩrĩra.
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
19 Inyuĩ andũ a Zayuni, o inyuĩ mũtũũraga Jerusalemu, mũtigacooka kũrĩra. Hĩ, kaĩ nĩakamũtuga rĩrĩa mũkaamũkaĩra amũteithie-ĩ! Na rĩrĩa akaamũigua nĩakamwĩtĩka.
Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
20 O na gũtuĩka Mwathani nĩamũheaga irio cia thĩĩna na maaĩ ma mĩnyamaro-rĩ, arutani anyu matigacooka kũhithwo rĩngĩ; mũkaameyonera na maitho manyu.
Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
21 O na mũngĩkagarũrũka na mwena wa ũrĩo kana wa ũmotho, matũ manyu nĩmakaiguaga mũgambo thuutha wanyu ũkiuga atĩrĩ, “Ĩno nĩyo njĩra; gererai yo.”
Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
22 Ningĩ nĩmũgathaahia mĩhianano yanyu ya kũhooywo ĩrĩa ĩgemetio na betha igũrũ, na mĩhiano yanyu ĩrĩa ĩgemetio na thahabu igũrũ; mũkaamĩte ta taama ũrĩ thaahu wa mũndũ-wa-nja hĩndĩ ya mweri, mũmĩĩre atĩrĩ, “Thiĩi na kũu muume haha!”
Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
23 Ningĩ nĩakamuurĩria mbura nĩ ũndũ wa mbeũ iria mũhaandĩte mĩgũnda, nacio irio iria ikoima mĩgũnda ĩyo igaakorwo irĩ njega na ikaingĩha. Hĩndĩ ĩyo ‎‎‎ngʼombe cianyu ikaarĩithagio kũndũ kũrĩ ũrĩithio mwariĩ mũno.
Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
24 Ndegwa na ndigiri iria ikaarĩmaga mĩgũnda ikaarĩĩaga mahuti mathuuranĩre na irio huhe, ciaraganĩtio na hũũma na iciko cia tĩĩri.
Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.
25 Mũthenya ũcio gũkooraganwo mũno, rĩrĩa mĩthiringo ĩrĩa mĩraihu na igũrũ ĩkaamomoka, tũrũũĩ nĩtũgaatherera kuuma kĩrĩma-inĩ o gĩothe kĩraihu na karĩma o gothe gatũũgĩru.
Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
26 Naguo mweri ũkaara ta riũa, na ũtheri wa riũa ũnenehio maita mũgwanja, ũhaane ta ũtheri wa mĩthenya mũgwanja mĩgima, rĩrĩa Jehova akooha nguraro cia andũ ake na amahonie ironda iria aamatiihirie.
Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
27 Atĩrĩrĩ, Rĩĩtwa rĩa Jehova rĩrooka riumĩte kũraya, rĩrĩ na marakara mahiũ na matu mathimbu ma ndogo; nacio iromo ciake ciyũrĩtwo nĩ mangʼũrĩ, na rũrĩmĩ rwake nĩ mwaki ũniinanaga.
Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
28 Mĩhũmũ yake nĩ ta rũũĩ rũratherera na hinya rũkambata rũgakinya o nginya ngingo. Athũngũthagia ndũrĩrĩ gĩcungi-inĩ kĩa mwanangĩko; ekagĩra andũ matamu kanua nĩgeetha amahĩtithie.
Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ ny valanoranon’ ny olona.
29 Na inyuĩ nĩmũkaina, ta ũrĩa mũinaga ũtukũ ũrĩa mũkũngũyagĩra gĩathĩ kĩrĩa kĩamũre; nacio ngoro cianyu nĩigakena ta ũrĩa andũ makenaga makĩambata kĩrĩma kĩa Jehova makĩhuhaga mĩtũrirũ, o ũcio Rwaro-rwa-Ihiga rwa Isiraeli.
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
30 Jehova nĩagatũma mũgambo wake ũrĩ riiri ũiguuo nĩ andũ, na nĩagatũma mone guoko gwake gũgĩikũrũka, arĩ na marakara maingĩ na mwaki wa kũniinana, hamwe na mbura ya marurumĩ, na kĩhuhũkanio, na mbura ya mbembe.
Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
31 Mũgambo wa Jehova nĩũgathethera Ashuri; nĩakamagũtha na rũthanju rwake, amaniine magũe.
Fa ny feon’ i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin’ ny tsorakazo ireo.
32 Igũtha o rĩothe rĩrĩa Jehova akaamagũtha na rũthanju rwake rwa kũherithania-rĩ, rĩkaahaana ta rwĩmbo rũrainwo na tũhembe na inanda cia mũgeeto, akĩrũa mbaara nao ategũtigithĩria kũmahũũra na guoko gwake.
Ary na aiza na aiza no amelezan’ ny tsorakazo voatendry, izay amelin’ i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin’ ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
33 Tofeti gũtũũrĩĩte kũhaarĩirio; gũthondeketwo nĩ ũndũ wa mũthamaki. Irima rĩakuo rĩa mwaki nĩirikie na rĩkaaramio, narĩo rĩrĩ na mwaki mũingĩ na ngũ nyingĩ, nayo mĩhũmũ ya Jehova nĩyo ĩraakia mwaki ũcio, ĩhaana ta rũũĩ rwa ũbiriti.
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’ i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.

< Isaia 30 >