< Hosea 9 >

1 Wee Isiraeli-rĩ, tiga gũkena; tiga gũkũngũĩra ta ndũrĩrĩ iria ingĩ. Nĩgũkorwo ũkoretwo ũtarĩ mwĩhokeku harĩ Ngai waku; wee nĩwendete mũcaara wa maraya, ũkaũcaragia kũrĩa guothe kũhuhagĩrwo ngano.
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 Ihuhĩro cia ngano na ihihĩro cia ndibei itikahũũnia andũ, o na gũtigakorwo na ndibei ya mũhihano.
Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3 Matigaatũũra bũrũri wa Jehova; Efiraimu agaacooka bũrũri wa Misiri, na arĩe irio irĩ thaahu kũu Ashuri.
Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4 Matigaitĩra Jehova maruta ma ndibei, kana magongona mao mamũkenie. Kũrĩo magongona ta macio makaahaana ta mũgate wa andũ megũcakaya; arĩa othe makaamarĩa nĩmakanyiitwo nĩ thaahu. Irio icio igaakorwo irĩ ciao o ene; itikareehwo hekarũ-inĩ ya Jehova.
Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
5 Mũgeeka atĩa mũthenya ũrĩa mwamũre wa ciathĩ cianyu, mĩthenya ĩyo ya gĩathĩ kĩa Jehova?
Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
6 O na mangĩkaahonoka kwanangwo, andũ a bũrũri wa Misiri nĩmakamacookereria, nao andũ a Memufisi mamathike. Congʼe nĩguo ũgaacooka handũ ha igĩĩna ciao cia betha, nayo mĩigua ĩhumbĩre hema ciao.
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
7 Matukũ ma kũherithio nĩmakinyu, ĩĩ, matukũ ma kũrĩhania nĩmakinyĩte. Isiraeli nĩamenye ũguo. Tondũ mehia manyu nĩ maingĩ mũno, na rũmena rwanyu rũkaneneha mũno, mũnabii akoonagwo arĩ mũndũ mũkĩĩgu, na mũndũ ũrĩa ũrĩ na ũrathi akonwo arĩ mũgũrũki.
Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
8 Mũnabii nĩwe ũtuĩtwo mũrangĩri wa Efiraimu nĩ Ngai wakwa; no rĩrĩ, mĩtego ĩmwetereire njĩra-inĩ ciake ciothe, na rũmena rũkamweterera nyũmba-inĩ ya Ngai wake.
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
9 Nĩmatoonyereire, makarikĩra mũno ũũru-inĩ, o ta ũrĩa meekire matukũ-inĩ ma Gibea. Nake Ngai nĩakaririkana waganu wao, na amaherithie nĩ ũndũ wa mehia mao.
Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
10 “Rĩrĩa ndaamenyire Isiraeli, kwarĩ ta mũndũ onete thabibũ werũ-inĩ; rĩrĩa ndonire maithe manyu-rĩ, kwarĩ ta mũndũ onete matunda ma mũtĩ wa mũkũyũ marĩa maambaga kwĩrua. No rĩrĩa Isiraeli mookire Baali-Peoru, nĩmeyamũrĩire mũhianano ũcio wa gĩconoko, na magĩthũka, magĩtuĩka o ta kĩndũ kĩu mendete.
Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
11 Riiri wa Efiraimu ũkoombũka ta nyoni ũũre: gũtigakorwo ũhoro wa gũciara, kana gũkuua nda, o na kana kũgĩa nda.
Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
12 O na mangĩkaarera ciana-rĩ, nĩngaciũraga ciothe. Rĩrĩa ngaagarũrũka ndĩmatige, kaĩ nĩmagakorwo na haaro-ĩ!
Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
13 Nĩnyonete Efiraimu, ahaandĩtwo handũ hega, o ta Turo. No rĩrĩ, Efiraimu akaaruta ciana ciake, acineane kũrĩ mũũragani.”
Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
14 Mahe, Wee Jehova; no nĩ kĩĩ ũkũmahe? Mahe nda iria ihunaga, na ũmahe nyondo iria itarĩ iria.
Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
15 “Nĩ ũndũ wa waganu wao wothe marĩ kũu Giligali, nĩkĩo ndamamenire marĩ o kũu. Nĩ ũndũ wa ciĩko ciao cia mehia-rĩ, nĩngamarutũrũra moime nyũmba yakwa, na ndigacooka kũmenda rĩngĩ; atongoria ao othe nĩ aremi.
Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 Andũ a Efiraimu nĩacine nĩ mbaa, naguo mũri wao nĩũhoohete, maticiaraga maciaro. O na mangĩciara ciana-rĩ, nĩngooraga ciana icio ciao mendete.”
Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
17 Ngai wakwa nĩakamarega, nĩgũkorwo matiamwathĩkĩire; magaatuĩka andũ a kũũrũũraga ndũrĩrĩ-inĩ.
Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.

< Hosea 9 >