< Kĩambĩrĩria 48 >
1 Thuutha-inĩ ũcio Jusufu akĩĩrwo atĩrĩ, “Thoguo nĩ mũrũaru.” Nĩ ũndũ ũcio akĩoya ariũ ake eerĩ, Manase na Efiraimu, agĩthiĩ kũmũrora.
Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Na rĩrĩa Jakubu eerirwo atĩrĩ, “Mũrũguo Jusufu nĩoka gũkuona,” Isiraeli akĩĩyũmĩrĩria, agĩikara thĩ ũrĩrĩ-inĩ.
Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara.
3 Jakubu akĩĩra Jusufu atĩrĩ, “Ngai Mwene-Hinya-Wothe nĩanyumĩrĩire ndĩ Luzu bũrũri-inĩ wa Kaanani, na akĩndathima,
Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
4 akĩnjĩĩra atĩrĩ, ‘Nĩngatũma ũciarane na ũingĩhe. Nĩngagũtua kĩrĩndĩ kĩa andũ, na nĩngaheana bũrũri ũyũ kũrĩ njiaro ciaku iria igooka thuutha waku ũtuĩke wacio tene na tene.’
Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5 “Rĩu-rĩ, ariũ aku eerĩ arĩa maaciarĩirwo gũkũ Misiri itanooka kũrĩ we-rĩ, megũtuuo ta marĩ akwa; Efiraimu na Manase meegũtuĩka akwa, o ta ũrĩa Rubeni na Simeoni marĩ akwa.
Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.
6 Ciana iria ingĩ ũngĩciarĩrwo thuutha wao nĩ ciaku; kũrĩa makagaya mageetanagio na marĩĩtwa ma ariũ a ithe wao.
Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny.
7 Na rĩrĩa ndacookaga kuuma Padani, ngĩnyiitwo nĩ kĩeha gĩa gũkuĩrwo nĩ Rakeli kũu bũrũri-inĩ wa Kaanani tũrĩ o rũgendo-inĩ, hakuhĩ na Efiratha. Nĩ ũndũ ũcio ngĩmũthika hau mũkĩra-inĩ wa njĩra ya gũthiĩ Efiratha” (na nokuo Bethilehemu).
Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
8 Na rĩrĩa Isiraeli onire ariũ a Jusufu, akĩũria atĩrĩ, “Aya nĩ a?”
Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
9 Jusufu akĩĩra ithe atĩrĩ, “Nĩ ariũ akwa arĩa Ngai aaheete ndĩ gũkũ”. Nake Isiraeli akiuga atĩrĩ, “Mareharehe harĩ niĩ ndĩmarathime.”
Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
10 Na rĩrĩ, maitho ma Isiraeli nĩmoorĩte nĩ gũkũra, na ndoonaga wega. Jusufu agĩkĩrehe ariũ ake hakuhĩ na Isiraeli, nake Jakubu akĩmamumunya na akĩmahĩmbĩria.
Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
11 Isiraeli akĩĩra Jusufu atĩrĩ, “Ndieciragia nĩngona ũthiũ waku rĩngĩ, na rĩu Ngai nĩanjĩtĩkĩrĩtie nyone o na ciana ciaku.”
Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
12 Nake Jusufu akĩmaruta maru-inĩ ma Isiraeli, akĩinamĩrĩria ũthiũ akĩũturumithia thĩ.
Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
13 Jusufu akĩoya ariũ ake eerĩ, Efiraimu arĩ mwena wake wa ũrĩo aamwerekeirie guoko-inĩ kwa ũmotho gwa Isiraeli, na Manase arĩ mwena wake wa ũmotho aamwerekeirie guoko-inĩ kwa ũrĩo gwa Isiraeli, akĩmarehe hakuhĩ nake.
Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14 No Isiraeli agĩtambũrũkia guoko gwake kwa ũrĩo agĩkũigĩrĩra mũtwe wa Efiraimu, o na gũtuĩka nĩwe warĩ mũnini, na akĩhĩtũkania moko make, akĩigĩrĩra guoko gwake kwa ũmotho mũtwe-inĩ wa Manase, o na gũtuĩka Manase nĩwe warĩ irigithathi.
Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
15 Ningĩ akĩrathima Jusufu, akiuga atĩrĩ, “Ngai ũrĩa maithe makwa Iburahĩmu na Isaaka maatungatagĩra, Ngai ũrĩa ũkoretwo arĩ mũrĩithi wakwa mũtũũrĩre-inĩ wakwa wothe nginya ũmũthĩ,
Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
16 na Mũraika ũrĩa ũũhonoketie kuuma mĩtino-inĩ yothe, arorathima imwana ici. Iroetanagio na rĩĩtwa rĩakwa, na ciĩtanagio na marĩĩtwa ma maithe makwa, Iburahĩmu na Isaaka, na maroingĩha mũno gũkũ thĩ.”
ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
17 Na rĩrĩa Jusufu onire atĩ ithe aigĩrĩire guoko gwake kwa ũrĩo mũtwe-inĩ wa Efiraimu-rĩ, ndaakenire; akĩnyiita guoko gwa ithe akweherie kuuma mũtwe-inĩ wa Efiraimu, akũigĩrĩre mũtwe-inĩ wa Manase.
Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,
18 Jusufu akĩmwĩra atĩrĩ, “Aca, baba ũyũ nĩwe irigithathi; mũigĩrĩre guoko gwaku kwa ũrĩo mũtwe.”
ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana.
19 No ithe akĩrega, akiuga atĩrĩ, “Nĩnjũũĩ ũguo mũrũ wakwa, nĩnjũũĩ. O nake nĩagatuĩka rũrĩrĩ, na nĩakaneneha. No rĩrĩ, mũrũ wa nyina ũrĩa mũnini nĩakaneneha kũmũkĩra, nacio njiaro ciake ituĩke gĩkundi kĩa ndũrĩrĩ.”
Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
20 Akĩmarathima mũthenya ũcio, akiuga atĩrĩ, “Isiraeli akaarathimanaga akĩgwetaga rĩĩtwa rĩaku akoiga atĩrĩ: ‘Ngai arotũma ũtuĩke o ta Efiraimu na Manase.’” Nĩ ũndũ ũcio akĩgweta Efiraimu mbere ya Manase.
Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase.
21 Ningĩ Isiraeli akĩĩra Jusufu atĩrĩ, “Ndĩ hakuhĩ gũkua, no Ngai nĩegũkorwo hamwe na inyuĩ, na nĩakamũcookia bũrũri-inĩ wa maithe manyu.
Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
22 Nawe, ũrĩ ta mwathi wa ariũ a thoguo-rĩ, nĩndakũhe rũgongo rwa bũrũri ũrĩa ndaatunyire Aamori na rũhiũ rwakwa rwa njora na ũta wakwa.”
Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita.