< Kĩambĩrĩria 13 >

1 Nĩ ũndũ ũcio Aburamu akĩambata akiuma Misiri agĩthiĩ Negevu, arĩ na mũtumia wake na indo ciothe iria aarĩ nacio, na Loti agĩthiĩ hamwe nake.
Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
2 Aburamu nĩatongete mũno na ũtonga wa mahiũ, na wa betha, na wa thahabu.
Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Kuuma kũu Negevu nĩathiire kũndũ na kũndũ o nginya agĩkinya Betheli, o harĩa aambĩte hema yake rĩa mbere gatagatĩ ka Betheli na Ai,
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ ny lainy tamin’ ny voalohany, teo anelanelan’ i Betela sy Ay,
4 na hau nĩho aakĩte kĩgongona ihinda rĩa mbere. Na Aburamu agĩkaĩra rĩĩtwa rĩa Jehova ho.
dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
5 Na rĩrĩ, Loti, ũrĩa matwaranaga na Aburamu, o nake aarĩ na ndũũru cia mbũri, na cia ngʼombe, na ndungata nyingĩ.
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Nĩ ũndũ ũcio bũrũri ũcio ndũngĩahotire kũmaigania ũrĩithio marĩ hamwe, nĩ tondũ indo ciao ciarĩ nyingĩ mũno, ũndũ matangĩahotire gũikarania hamwe.
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7 Na nĩ kwagĩire ngũĩ gatagatĩ ka arĩithi a Aburamu na arĩithi a Loti. Akaanani na Aperizi o nao maatũũraga o bũrũri-inĩ ũcio hĩndĩ ĩyo.
Dia niady ny mpiandry ombin’ i Abrama sy ny mpiandry ombin’ i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 Nĩ ũndũ ũcio Aburamu akĩĩra Loti atĩrĩ, “Nĩtũtige kũgĩa na ngũĩ gatagatĩ gaitũ nawe, kana gatagatĩ ka arĩithi aku na arĩithi akwa, nĩ tondũ tũrĩ andũ a nyũmba ĩmwe.
Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 Githĩ bũrũri ũyũ wothe ndũrĩ mbere yaku? Reke tũtigane. Wathiĩ mwena wa ũmotho, na niĩ ngũthiĩ mwena wa ũrĩo; wathiĩ mwena wa ũrĩo, na niĩ ngũthiĩ mwena wa ũmotho.”
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10 Loti nĩatiirire maitho, akĩbaara, akĩona atĩ kĩaragana gĩothe kĩa Jorodani kĩarĩ na maaĩ maingĩ, gĩgakĩhaana o ta mũgũnda ũrĩa wa Jehova, na o ta bũrũri wa Misiri, ũrĩa ũngʼetheire Zoari. (Hĩndĩ ĩyo nĩ mbere ya Jehova kũnũha Sodomu na Gomora.)
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 Nĩ ũndũ ũcio Loti agĩĩthuurĩra kĩaragana kĩa Jorodani gĩothe na akiumagara erekeire irathĩro. Andũ acio eerĩ magĩtigana:
Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12 Aburamu agĩtũũra bũrũri wa Kaanani, nake Loti agĩtũũra matũũra-inĩ ma kĩaragana kĩu, akĩamba hema ciake hakuhĩ na Sodomu.
Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Na rĩrĩ, andũ a Sodomu maarĩ aaganu, na makehagĩria Jehova mũno.
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
14 Aburamu na Loti maatigana-rĩ, Jehova akĩĩra Aburamu atĩrĩ, “Ta tiira maitho maku na igũrũ ũrĩ o hau ũrĩ, ũrore mwena wa gathigathini na gũthini, irathĩro na ithũĩro.
Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 Bũrũri ũrĩa wothe ũkuona nĩngũkũhe ũtuĩke waku, na wa rũciaro rwaku nginya tene.
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 Nĩngaatũma rũciaro rwaku rũingĩhe o ta rũkũngũ rwa thĩ, na kũngĩkorwo kũrĩ mũndũ ũngĩhota gũtara rũkũngũ rwa thĩ-rĩ, o na rũciaro rwaku no rũgĩtarĩke.
Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17 Ũkĩra ũthiĩ, ũtuĩkanie bũrũri ũyũ ũraihu waguo na wariĩ waguo, tondũ nĩngũkũhe guo.”
Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ ny lavany sy any amin’ ny sakany; fa homeko anao izy.
18 Nĩ ũndũ ũcio Aburamu akĩambũra hema ciake, agĩthiĩ gũtũũra hakuhĩ na mĩtĩ ĩrĩa mĩnene ya mĩgandi ya Mamure kũu Hebironi, na agĩakĩra Jehova kĩgongona hau.
Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.

< Kĩambĩrĩria 13 >