< Ezekieli 44 >

1 Ningĩ mũndũ ũcio akĩnjookia nginya kĩhingo-inĩ kĩa nyumĩrĩra ya handũ-harĩa-haamũre, kĩrĩa kĩangʼetheire mwena wa irathĩro, nakĩo kĩarĩ kĩhinge.
Dia nentiny niverina aho tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ivelany amin’ ny fitoerana masìna, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
2 Nake Jehova akĩnjĩĩra atĩrĩ, “Kĩhingo gĩkĩ kĩrĩikaraga kĩrĩ kĩhinge. Gĩtikanahingũrwo; gũtirĩ mũndũ ũgaagĩtoonyera. Kĩrĩikaraga kĩhingĩtwo tondũ nĩkĩo Jehova, Ngai wa Isiraeli, aatoonyeire.
Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’ olona; fa efa nidiran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
3 Mũthamaki we mwene nowe wiki ũngĩikara mwena wa thĩinĩ wa itoonyero rĩu na arĩĩre irio hau mbere ya Jehova. Arĩĩtoonyagĩra gĩthaku gĩa itoonyero rĩu, na akiuma na nja akoimĩra njĩra o ro ĩyo.”
Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4 Ningĩ mũndũ ũcio akĩndwara na njĩra ya kĩhingo kĩa mwena wa gathigathini nginya hau mbere ya hekarũ. Ngĩcũthĩrĩria, ngĩona riiri wa Jehova ũiyũrĩte hekarũ ĩyo ya Jehova, na niĩ ngĩĩgũithia, ngĩturumithia ũthiũ thĩ.
Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
5 Nake Jehova akĩnjĩĩra atĩrĩ, “Mũrũ wa mũndũ, rora wega, na ũthikĩrĩrie wega, na ũrũmbũiye maũndũ mothe marĩa ngũkwĩra makoniĩ mawatho mothe megiĩ hekarũ ya Jehova. Rũmbũiya ũhoro wa itoonyero rĩa hekarũ, na njĩra ciothe cia kuuma handũ-harĩa-haamũre.
Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak’ olona, mandiniha tsara, ka mijere amin’ ny masonao, ary aoka hohenoin’ ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ ny didy sy ny lalàna rehetra amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin’ ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ ny fitoerana masìna.
6 Ĩra andũ aya aremi a nyũmba ya Isiraeli atĩrĩ, ‘Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Inyuĩ andũ a nyũmba ya Isiraeli, maũndũ manyu ma magigi nĩmaiganĩte!
Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
7 Hamwe na maũndũ marĩa mothe marĩ magigi mwekire, nĩmwatoonyirie andũ a kũngĩ matarĩ aruu ngoro na mwĩrĩ handũ-hakwa-harĩa-haamũre, mũgĩthaahia hekarũ yakwa rĩrĩa mwandutĩire irio, na maguta, na thakame, na mũgĩthũkia kĩrĩkanĩro gĩakwa.
dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
8 Handũ ha kũruta wĩra wanyu ũrĩa wagĩrĩire ũkoniĩ maũndũ makwa marĩa matheru, mwatuire andũ angĩ arũgamĩrĩri a handũ-hakwa-harĩa-haamũre.
ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin’ ny fitoerana masìna hisolo anareo.
9 Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Gũtirĩ mũndũ wa kũngĩ ũtarĩ mũruu ngoro na mwĩrĩ ũngĩtoonya handũ-hakwa-harĩa-haamũre, o na angĩkorwo nĩ andũ a kũngĩ arĩa matũũranagia na andũ a Isiraeli.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ ny zanak’ Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ ny fitoerako masìna.
10 “‘Alawii arĩa maanjehereire makĩndaihĩrĩria hĩndĩ ĩrĩa andũ a Isiraeli maaturuurire na makĩehera harĩ niĩ makĩrũmĩrĩra mĩhianano yao-rĩ, no nginya magaacookererwo nĩ mehia mao.
Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11 Andũ acio no matungatage handũ-hakwa-harĩa-haamũre, na maikaragie ihingo cia hekarũ o na matungatage thĩinĩ wayo; no mathĩnje nyamũ cia maruta ma njino, na marutagĩre andũ magongona mao, na marũgamage mbere ya andũ makamatungatĩra.
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
12 No rĩrĩ, tondũ nĩo maamatungatĩire marĩ mbere ya mĩhianano yao, na magĩtũma andũ a nyũmba ya Isiraeli magũe mehia-inĩ-rĩ, nĩ ũndũ ũcio na niĩ nĩndĩhĩtĩte njoete guoko na igũrũ atĩ no nginya magaacookererwo nĩ mehia mao, ũguo nĩguo Mwathani Jehova ekuuga.
Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13 Andũ acio matigacooka kũnguhĩrĩria mandungatagĩre ta athĩnjĩri-Ngai, kana makuhĩrĩrie kĩndũ o na kĩrĩkũ kĩa indo ciakwa iria theru, kana maruta makwa marĩa matheru mũno; no nginya magaacookererwo nĩ gĩconoko kĩa maũndũ marĩa marĩ magigi maneeka.
ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14 No nĩngamatua arũgamĩrĩri a maũndũ ma hekarũ, na mawĩra mothe marĩa mabataire kũrutwo kũu thĩinĩ.
Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15 “‘No rĩrĩ, athĩnjĩri-Ngai, acio marĩ Alawii na a rũciaro rwa Zadoku, o acio maarutire mawĩra ma handũ-hakwa-harĩa-haamũre na wĩhokeku rĩrĩa andũ a Isiraeli meeherire makiuma harĩ niĩ, nĩo marĩnguhagĩrĩria makandungatĩra; marĩrũgamaga mbere yakwa makaruta magongona ma maguta na ma thakame, ũguo nĩguo Mwathani Jehova ekuuga.
Fa ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna, tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
16 Acio oiki nĩo marĩtoonyaga handũ-hakwa-harĩa-haamũre; acio oiki nĩo marĩĩkuhagĩrĩria metha yakwa makandungatĩra na makaruta wĩra wakwa.
Eny, izy no hiditra ao amin’ ny fitoerako masìna sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17 “‘Hĩndĩ ĩrĩa megũtoonya ihingo-inĩ cia nja ya na thĩinĩ, marĩĩhumbaga nguo cia gatani; matikanehumbe nguo o na ĩmwe ya guoya wa ngʼondu hĩndĩ ĩrĩa megũtungata ihingo-inĩ cia nja ĩrĩa ya na thĩinĩ, kana kũu hekarũ thĩinĩ.
Ary raha miditra any amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon’ ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin’ ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18 Nĩmeyohage iremba cia gatani mĩtwe, na nguo cia gatani cia thĩinĩ njohero-inĩ. Matikanehumbe kĩndũ o na kĩrĩkũ kĩngĩtũma mathigine.
Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19 Hĩndĩ ĩrĩa mekuuma matoonye nja ya nyumĩrĩra kũrĩa andũ marĩ-rĩ, makaruta nguo iria megũtungataga nacio, na magacitiga tũnyũmba-inĩ tũrĩa twamũre, na makehumba nguo ingĩ, nĩgeetha matikae kwamũra andũ acio na ũndũ wa nguo icio ciao.
Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.
20 “‘Matikanenjwo njuĩrĩ ĩthire mĩtwe, kana mareke njuĩrĩ ciao iraihe mũno, no nĩ maigage njuĩrĩ ciao cia mĩtwe irĩ nenge.
Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
21 Ningĩ gũtikanagĩe na mũthĩnjĩri-Ngai ũkũnyua ndibei rĩrĩa egũtoonya nja ya na thĩinĩ.
Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
22 Matikanahikie atumia a ndigwa, kana mahikie atumia arĩa matiganĩte na athuuri ao; no rĩrĩ, no mahikie airĩtu gathirange a rũciaro rwa andũ a Isiraeli, kana atumia a ndigwa a athĩnjĩri-Ngai.
Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin’ ny taranak’ Isiraely, na izay novinadin’ ny mpisorona efa maty no hovadiny.
23 No nginya marutage andũ akwa ũtiganu wa maũndũ marĩa matheru na marĩa ma ndũire, na mamoonagie gũkũũrana maũndũ marĩa marĩ thaahu na marĩa matarĩ thaahu.
Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
24 “‘Kũngĩgĩa ngarari-rĩ, athĩnjĩri-Ngai no nginya matuithanagie ciira, na maũtue kũringana na matuĩro makwa ma ciira. Nĩmarĩmenyagĩrĩra mawatho makwa na kĩrĩra kĩa watho wakwa wa kũrũmĩrĩrwo igũrũ rĩa ciathĩ ciakwa ciothe iria njathane, na maikaragie Thabatũ ciakwa irĩ theru.
Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25 “‘Mũthĩnjĩri-Ngai ndakanethaahie na ũndũ wa gũkuhĩrĩria kĩimba; no rĩrĩ, ũrĩa ũkuĩte angĩkorwo nĩ ithe kana nyina, kana mũriũ kana mwarĩ, kana mũrũ wa nyina kana mwarĩ wa nyina ũtahikĩte-rĩ, hĩndĩ ĩyo no ethaahie.
Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
26 Aarĩkia gũtherio-rĩ, no nginya eterere mĩthenya mũgwanja.
Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27 Mũthenya ũrĩa agaacooka gũtoonya nja ĩrĩa ya na thĩinĩ ya handũ-harĩa-haamũre nĩguo agatungate thĩinĩ wa handũ-harĩa-haamũre-rĩ, no nginya erutĩre iruta rĩa mehia, ũguo nĩguo Mwathani Jehova ekuuga.
Ary amin’ ny andro hidirany ao amin’ ny fitoerana masìna, dia any amin’ ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28 “‘Niĩ no niĩ igai rĩa athĩnjĩri-Ngai. Mũtikanamagaĩre igai gũkũ bũrũri wa Isiraeli; Nĩ niĩ ngũtuĩka igai rĩao.
Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
29 Marĩĩrĩĩaga maruta ma ngano, na maruta ma mehia, na maruta ma mahĩtia; nakĩo kĩndũ o gĩothe kĩrĩa kĩrutĩirwo Jehova gũkũ bũrũri wa Isiraeli gĩgaatuĩka kĩao.
Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.
30 Maciaro mothe ma mbere marĩa mega, na iheo cianyu ciothe cia mwanya, igaatuĩka cia athĩnjĩri-Ngai. No nginya mũmaheage gĩcunjĩ kĩa mbere kĩa mũtu ũrĩa mũhinyu nĩgeetha kĩrathimo gĩtũũre kwanyu mĩciĩ.
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31 Athĩnjĩri-Ngai matikanarĩe nyamũ o na ĩrĩkũ ĩngĩkorwo ĩkuĩte, ĩrĩ nyoni, kana matigari ma nyamũ yũragĩtwo nĩ nyamũ ĩngĩ.
Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin’ ny mpisorona.

< Ezekieli 44 >