< Ezekieli 23 >

1 Kiugo kĩa Jehova nĩkĩanginyĩrĩire, ngĩĩrwo atĩrĩ:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mũrũ wa mũndũ, nĩ kwarĩ na andũ-a-nja eerĩ, airĩtu a nyina ũmwe.
Ry zanak’ olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
3 Nĩmatuĩkire ahũũri maraya kũu bũrũri wa Misiri, makĩambĩrĩria ũmaraya kuuma marĩ ethĩ. Marĩ kũu bũrũri-inĩ ũcio nĩmahutagio nyondo, na makahambatwo ithũri cia ũirĩtu wao.
ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon’ ny fahavirijinany.
4 Ũrĩa mũkũrũ eetagwo Ohola, nake mwarĩ wa nyina eetagwo Oholiba. Maarĩ akwa, nao magĩciara aanake na airĩtu. Ohola nĩwe Samaria, nake Oholiba nĩwe Jerusalemu.
Ny anaran’ ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
5 “Ohola nĩahũũraga ũmaraya o na arĩ wakwa; nake nĩeriragĩria endwa ake, na nĩo andũ a Ashuri, o acio maarĩ njamba cia ita
Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
6 mehumbĩte nguo cia rangi wa bururu, na aathani na anene a ita, acio othe maarĩ andũ ethĩ ciĩrorerwa, o arĩa maathiiaga mahaicĩte mbarathi.
izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7 Nĩeneanire ta mũmaraya harĩ andũ othe arĩa atĩĩku thĩinĩ wa Ashuri, na agĩĩthaahia na mĩhianano yothe ya mũndũ o wothe ũrĩa eeriragĩria.
Nijangajanga tamin’ ireny izy, dia tamin’ izay tsara indrindra tamin’ ny zanakalahin’ i Asyria sy tamin’ izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
8 Ndaatiganire na ũmaraya ũcio aambĩrĩirie arĩ bũrũri wa Misiri, rĩrĩa andũ maakomaga nake arĩ mwĩthĩ na makahambataga gĩthũri kĩa ũirĩtu wake, o na magĩkĩrĩrĩria kũhũũra ũmaraya nake.
Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9 “Nĩ ũndũ ũcio ngĩmũneana harĩ endwa ake, nĩo andũ a Ashuri o acio eeriragĩria.
Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan’ ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan’ ny Asyriana izay nahamaimay azy.
10 Nĩmamũrutire nguo, makĩmũtunya ariũ na aarĩ ake, na makĩmũũraga na rũhiũ rwa njora. Nĩatuĩkire wa kuunagwo thimo gatagatĩ-inĩ ka andũ-a-nja, nake nĩ aaherithirio.
Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.
11 “Mwarĩ wa nyina Oholiba nĩeyoneire maũndũ macio, no merirĩria-inĩ make o na ũmaraya-inĩ wake nĩeekire mĩtugo mĩaganu gũkĩra mwarĩ wa nyina.
Ary nony hitan’ i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ ny rahavaviny,
12 O nake nĩeriragĩria andũ a Ashuri, arĩa maarĩ aathani na anene a ita, na njamba cia ita ciĩhumbĩte nguo irĩ riiri, o arĩa maathiiaga mahaicĩte mbarathi, acio othe maarĩ andũ ethĩ ciĩrorerwa.
Maimay tamin’ ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
13 Nĩndonire atĩ o nake nĩethaahĩtie; eerĩ maathiiaga na mĩthiĩre ĩhaanaine.
Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’ izy mirahavavy;
14 “No rĩrĩ, we nĩakĩrĩrĩirie kũhũũra ũmaraya. Nĩoonire arũme makururĩtwo rũthingo-inĩ, nayo yarĩ mĩhiano ya Akalidei ĩkururĩtwo na rangi mũtune,
ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin’ ny rindrina izy sy ny sarin’ ny Kaldeana voasoratra tamin’ ny loko mena.
15 meeohete mĩcibi njohero na iremba mĩtwe icunjuurĩte; othe monekaga mahaana ta atwarithia a ngaari cia mbarathi cia ita a Babuloni, andũ a gũciarĩrwo Kalidei.
samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak’ andriana, dia tahaka ny zanakalahin’ i Babylona, izay teraka tany amin’ ny tany Kaldea.
16 O rĩrĩa aamoonire, nĩamerirĩirie, akĩmatũmĩra andũ kũu Kalidei.
Ary raha vao hitan’ ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17 Ningĩ andũ a Babuloni magĩũka kũrĩ we, kũu kĩrĩrĩ-inĩ kĩa wendo, nao makĩmũthaahia nĩ ũndũ wa merirĩria mao. Thuutha wa gũthaahio nĩo, agĩtigana nao, akĩira ngoro nĩo.
Ary tonga tany aminy ho ao amin’ ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’ i Babylona ka nandoto azy tamin’ ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
18 Rĩrĩa aathiire na mbere na ũmaraya wake atekũhitha, na akĩguũria njaga yake, niĩ na niĩ nĩndatiganire nake ngĩmũmena, ngĩtigana nake o ta ũrĩa ndaatiganire na mwarĩ wa nyina.
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ ny fanahiko niala tamin’ ny rahavaviny ihany.
19 No rĩrĩ, we aakĩrĩrĩirie kũhũũra ũmaraya aaririkana matukũ marĩa aarĩ mwĩthĩ, rĩrĩa aarĩ mũmaraya kũu bũrũri wa Misiri.
Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ ny tany Egypta.
20 Arĩ kũu, akĩĩrirĩria endwa ake, arĩa ciĩga ciao ciatariĩ ta cia ndigiri, na hinya wao wa ũndũrũme woimaga ta wa mbarathi.
Fa izy dia maimay tamin’ ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ ny soavaly.
21 Nĩ ũndũ ũcio ũkĩĩrirĩria ũũra-thoni wa wĩthĩ waku, rĩrĩa wahambatagwo gĩthũri na ũkahutio nyondo ciaku cia ũirĩtu ũrĩ kũu bũrũri wa Misiri.
Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo.
22 “Nĩ ũndũ ũcio, wee Oholiba, Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Nĩngarahũra endwa aku magũũkĩrĩre, acio watiganire nao ũkĩmamena, ndĩmarehe magũũkĩrĩre kuuma mĩena yothe,
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23 andũ a Babuloni na Akalidei othe, na andũ a kuuma Pekodi, na Shoa, na Koa, marĩ hamwe na andũ a Ashuri othe, aanake arĩa ciĩrorerwa, arĩa othe matuĩtwo abarũthi na anene a ita, na anene a ngaari cia mbarathi cia ita na andũ arĩa marĩ igweta inene, nao othe mathiiaga mahaicĩte mbarathi.
dia ireny zanakalahin’ i Babylona mbamin’ ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andriandahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’ andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
24 Nĩmagagũũkĩrĩra marĩ na matharaita, na ngaari cia mbarathi cia ita, na makaari, na marĩ na kĩrĩndĩ kĩingĩ; nao mabange magũũkĩrĩre kuuma mĩena yothe, marĩ na ngo iria nene na iria nini, na mekĩrĩte ngũbia cia kĩgera mĩtwe. Nĩngakũneana kũrĩ o ũherithio, nao nĩmagakũherithia kũringana na ũrĩa matuuanagĩra ciira.
Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25 Nĩngerekeria marakara makwa ndĩ na ũiru ngũũkĩrĩre, nao nĩmagakũherithia marĩ na marakara manene. Nĩmagagũtinia maniũrũ na matũ, nao andũ anyu arĩa magaatigara nĩmakaniinwo na rũhiũ rwa njora. Magaataha ariũ anyu na aarĩ anyu, nao arĩa anyu magaatigara nĩmakaniinwo na mwaki.
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ ny afo.
26 Ningĩ nĩmagakũruta nguo na makuue mathaga maku marĩa mega.
Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27 Nĩ ũndũ ũcio nĩnganiina ũũra-thoni na ũmaraya ũrĩa wee waambĩrĩirie ũrĩ kũu bũrũri wa Misiri. Ndũkarora maũndũ macio ũmerirĩrie, kana ũririkane bũrũri wa Misiri rĩngĩ.
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
28 “Nĩgũkorwo Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Ndĩ hakuhĩ gũkũneana kũrĩ acio ũthũire, ngũneane kũrĩ acio wamenire ũkĩmahutatĩra.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’ izay halanao ianao, dia eo an-tanan’ izay efa niombotan’ ny fanahinao;
29 Magaakũherithia marĩ na rũthũũro, na magũtunye indo ciaku ciothe iria ũnogeire. Magaagũtiga njaga, ũrĩ ũtheri, nacio thoni cia ũmaraya waku nĩikaguũrio. Naguo ũũra-thoni na ũmaraya waku.
ary hamely anao amin’ ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30 nĩcio ikũreheire maũndũ macio, nĩgũkorwo nĩwerirĩirie ndũrĩrĩ icio, na ũgĩĩthaahia na mĩhianano yacio.
Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ ny sampiny.
31 Wee ũrũmĩrĩire mĩthiĩre ya mwarĩ wa nyũkwa; nĩ ũndũ ũcio nĩngakũnengera gĩkombe gĩake ũkĩnyiite na guoko gwaku.
Tamin’ ny nalehan’ ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32 “Mwathani Jehova ekuuga ũũ: “Wee ũkaanyuĩra gĩkombe kĩa mwarĩ wa nyũkwa, gĩkombe kĩnene na kĩriku; nĩgĩkarehe kĩnyararo na itheko, nĩgũkorwo nĩkĩiyũrĩrĩru mũno.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 Wee nĩũkaiyũrwo nĩ ũrĩĩu na kĩeha, gĩkombe kĩu kĩa mwanangĩko na ihooru, gĩkombe kĩu kĩa mwarĩ wa nyũkwa Samaria.
Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak’ i Samaria rahavavinao.
34 Ũgaakĩnyuĩra na ũkĩinĩkĩrĩre; ũgaakĩringithia thĩ, kĩenyũkange icere, na wĩtarũrange nyondo. Nĩ niĩ njarĩtie ũhoro ũcio, ũguo nĩguo Mwathani Jehova ekuuga.
Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35 “Nĩ ũndũ ũcio Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Kuona atĩ wee nĩũriganĩirwo nĩ niĩ na ũkanjikia na thuutha waku, no nginya ũcookererwo nĩ maciaro ma ũũra-thoni waku na ũmaraya waku.”
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 Jehova aanjĩĩrire atĩrĩ: Mũrũ wa mũndũ, nĩũgũtuĩra Ohola na Oholiba ciira? Nĩ ũndũ ũcio marũithie nĩ ũndũ wa mĩtugo yao ĩrĩ magigi,
Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
37 nĩgũkorwo nĩmatharĩtie, namo moko mao maiyũrĩte thakame. Matharĩtie na mĩhianano yao; o na makamĩrutĩra ciana ciao magongona, iria manjiarĩire, ituĩke irio ciayo.
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ ireny mba ho levona.
38 O na ningĩ ũndũ ũngĩ manjĩkĩte nĩ ũyũ: Ihinda o rĩu nĩmathaahirie handũ-hakwa-harĩa-haamũre, na magĩthũkia Thabatũ ciakwa.
Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
39 Mũthenya o ro ũcio maarutire ciana ciao igongona kũrĩ mĩhianano yao-rĩ, noguo maatoonyire handũ-hakwa-harĩa-haamũre na makĩhathaahia. Ũguo nĩguo meekire thĩinĩ wa nyũmba yakwa.
Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.
40 “O na ningĩ magĩtũmanĩra arũme arĩa mookire kuuma kũraya, na hĩndĩ ĩrĩa maakinyire, mũgĩĩthamba nĩ ũndũ wao, na mũkĩĩhaka rangi maitho, na mũkĩĩgemia na mathaga.
Ary koa, naniraka ho any amin’ ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
41 Ningĩ mũgĩikarĩra ũrĩrĩ warĩtwo na ũkagemio mũno, na hau mbere yaguo hakaigwo metha ĩrĩa mwaigagĩrĩra ũbumba na maguta marĩa maarĩ makwa.
ary nipetrahanao tamin’ ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42 “Nake nĩarigiicĩirio nĩ kĩrĩndĩ kĩingĩ kĩanegenaga gĩtekũmaka; andũ a Sabea makĩrehwo kuuma werũ-inĩ, marĩ hamwe na gĩkundi kĩa andũ matarĩ igweta, nao magĩĩkĩra mũtumia ũcio na mwarĩ wa nyina bangiri moko, na makĩmekĩra tanji thaka mĩtwe.
Ary teo aminy nisy ny feon’ ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ ireo haba teny an-tànan’ izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43 Ningĩ ngĩaria ũhoro wa ũcio waniinĩtwo hinya nĩ ũtharia, ngiuga atĩrĩ, ‘Rĩu nĩmarekwo mamũhũthĩre ta mũmaraya, nĩgũkorwo ũguo nĩguo atariĩ.’
Dia hoy Izaho ny amin’ ilay efa tontan’ ny fijangajangana ela: Amin’ izao dia mbola hisy hijangajanga amin’ io ihany va?
44 Nao magĩkoma nake. O ta ũrĩa arũme makomaga na mũmaraya, ũguo nĩguo maakomire na andũ-a-nja acio maagĩte thoni, nao nĩo Ohola na Oholiba.
Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin’ ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin’ i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45 No andũ arĩa athingu nĩmakamaherithia na iherithia rĩa andũ-a-nja arĩa matharagia na magaitithia thakame, tondũ nĩmatharagia, na moko mao maiyũrĩte thakame.
Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
46 “Mwathani Jehova ekuuga ũũ: Mareherei kĩrĩndĩ kĩmookĩrĩre, na mũmaneane maguoyohithio na matahwo.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
47 Kĩrĩndĩ kĩu nĩgĩkamahũũra na mahiga nyuguto na kĩmatemange na hiũ ciao cia njora; gĩkooraga aanake na airĩtu ao, na gĩcine nyũmba ciao.
Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin’ ny afo koa ny tranony.
48 “Nĩ ũndũ ũcio nĩnganiina ũũra-thoni kũu bũrũri ũcio nĩguo andũ-a-nja othe makaanio, matikaneke maũndũ ma ũtharia ta inyuĩ.
Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
49 Inyuĩ nĩmũkaherithio nĩ ũndũ wa ũũra-thoni wanyu, na mũcookererwo nĩ maciaro ma mehia manyu ma kũhooya mĩhianano. Na inyuĩ hĩndĩ ĩyo nĩmũkamenya atĩ niĩ nĩ niĩ Mwathani Jehova.”
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

< Ezekieli 23 >