< Thaama 30 >
1 “Thondeka kĩgongona kĩa mbaũ cia mũgaa gĩa gũcinagĩra ũbumba.
Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
2 Nĩgĩkorwo kĩiganaine mĩena yothe mũkono ũmwe kũraiha na mũkono ũmwe kwarama na mĩkono ĩĩrĩ kũraiha na igũrũ, hĩa ciakĩo ituĩke kĩndũ o ro kĩmwe na kĩgongona.
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
3 Kĩgemie igũrũ, o na mĩena yothe, o na hĩa ciakĩo, na thahabu therie, na ũgĩtirihe na mũcibi wa thahabu ũgĩthiũrũrũkĩrie.
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
4 Thondekera kĩgongona kĩu mĩrĩnga ĩĩrĩ, ũmĩoherere thĩ wa mũcibi ũcio, ĩĩrĩ mwena ũmwe, na ĩĩrĩ mwena ũrĩa ũngĩ ĩnyiitagĩrĩre mĩtĩ ĩrĩa mĩraaya ĩtũmagĩrwo gũgĩkuua.
Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ ny bao ireo hilanjana azy.
5 Thondeka mĩtĩ mĩraaya ya mbaũ cia mũgaa, na ũmĩgemie na thahabu.
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
6 Iga kĩgongona kĩu mbere ya gĩtambaya gĩa gũcuurio kĩrĩa kĩrĩ mbere ya ithandũkũ rĩa Ũira, mbere ya gĩtĩ gĩa tha kĩrĩa kĩrĩ igũrũ rĩa ithandũkũ rĩa Ũira, harĩa ngaacemania nawe.
Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7 “Harũni no nginya acinĩre ũbumba mũnungi wega hau igũrũ rĩa kĩgongona o rũciinĩ rĩrĩa egũthondeka matawa.
Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8 No nginya acine ũbumba rĩngĩ agĩakia matawa hwaĩ-inĩ kũrĩ mairia, nĩgeetha ũbumba ũikarage ũgĩcinagwo mahinda mothe mbere ya Jehova, njiarwa na njiarwa iria igooka.
ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Ndũkanacinĩre ũbumba wa mũthemba ũngĩ kĩgongona-inĩ gĩkĩ kana ũrutĩre ho iruta rĩa njino, kana rĩa mũtu, na ndũkanaitĩrĩrie iruta rĩa kũnyuuo igũrũ rĩakĩo.
Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10 Harũni nĩarutage horohio hĩa-inĩ cia kĩgongona kĩu o mwaka riita rĩmwe. Horohio ĩno ya o mwaka no nginya ĩrutagwo na thakame ya iruta rĩa kũhoroheria mehia, nginya njiarwa iria igooka. Horohio ĩyo nĩ igongona itheru mũno harĩ Jehova.”
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
11 Hĩndĩ ĩyo Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
12 “Rĩrĩa ũgũtara andũ a Isiraeli-rĩ, o mũndũ no nginya arutagĩre Jehova kĩndũ gĩa gũkũũra muoyo wake rĩrĩa egũtarwo. Na gũtirĩ mũthiro ũkaamakora ũkĩmatara.
Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
13 Mũndũ o wothe ũrĩkĩraga agathiĩ mwena wa andũ arĩa marĩkĩtie gũtarwo, nĩarĩrutaga nuthu ya cekeri kũringana na ũrĩa cekeri ya harĩa haamũre ĩtariĩ ĩrĩa ĩrĩ na ũritũ wa geera mĩrongo ĩĩrĩ. Nuthu ĩyo ya cekeri nĩ iruta kũrĩ Jehova.
Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
14 Arĩa othe marĩkĩraga magathiĩ mwena wa arĩa marĩkĩtie gũtarwo, marĩ na ũkũrũ wa mĩaka mĩrongo ĩĩrĩ na makĩria, no nginya maheage Jehova iruta rĩu.
Izay rehetra voalamina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
15 Arĩa atongu matirĩheanaga makĩria ya nuthu ya cekeri, nao arĩa athĩĩni matirĩheanaga kĩndũ kĩnini gũkĩra nuthu ya cekeri hĩndĩ ya kũrutĩra Jehova horohio ya mĩoyo yao.
Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
16 Amũkĩra mbeeca cia horohio kuuma kũrĩ andũ a Isiraeli nawe ũcihũthĩre ũtungata-inĩ wa Hema-ya-Gũtũnganwo. Ũguo ũgaatuĩka kĩririkano kĩa andũ a Isiraeli mbere ya Jehova makĩrutĩra mĩoyo yao horohio.”
Ary handray ny vola avotra amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao, ka hataonao amin’ ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
17 Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
18 “Thondeka kĩraĩ gĩa gwĩthambagĩra gĩa gĩcango, kĩrĩ na kĩgũrũ gĩakĩo gĩa gĩcango. Ũkĩige gatagatĩ ka Hema-ya-Gũtũnganwo na kĩgongona, na ũgĩĩkĩre maaĩ.
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19 Harũni na ariũ ake marĩĩthambaga moko mao na nyarĩrĩ na maaĩ macio.
Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
20 Rĩrĩa rĩothe marĩtoonyaga Hema-ya-Gũtũnganwo, marĩĩthambaga na maaĩ nĩgeetha matigakue. O na ningĩ rĩrĩa mathengerera kĩgongona nĩguo marutĩre Jehova iruta rĩa gũcinwo na mwaki,
Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,
21 marĩĩthambaga moko na nyarĩrĩ nĩgeetha matigakue. Ũndũ ũcio ũgaatuĩka watho wa kũrũmĩrĩrwo tene na tene nĩ Harũni na njiaro ciake, na njiarwa ciao ciothe iria igooka.”
dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ ny taranany fara mandimby.
22 Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
23 “Oya mahuti maya manungi wega: cekeri 500 cia manemane ĩrĩa ndwekie, nuthu yamo (nacio icio nĩ cekeri 250) cia ndarathini nungi wega, na cekeri 250 cia karamathi nungi wega,
Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
24 cekeri 500 cia mwĩnũ, ciothe kũringana na cekeri ya handũ-harĩa-haamũre, na hini ya maguta ma mĩtamaiyũ.
sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masìna, ary diloilon’ oliva eran’ ny hina;
25 Indo ici ũcithondeke ituĩke maguta matheru ma gũitanĩrĩrio matukanĩtio makanunga wega marutĩirwo wĩra nĩ mũthondeki mũũgĩ wa maguta. Macio matuĩke maguta matheru ma gũitanagĩrĩrio.
dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
26 Ningĩ ũhũthĩre maguta macio gũitĩrĩria Hema-ya-Gũtũnganwo, na ithandũkũ rĩa Ũira,
Ary hosory amin’ izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ ny Vavolombelona,
27 na metha na indo ciayo ciothe, na mũtĩ wa kũigĩrĩrwo matawa na indo ciaguo, na kĩgongona gĩa gũcinĩra ũbumba, na
sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28 kĩgongona kĩa iruta rĩa njino na indo ciakĩo ciothe, na kĩraĩ na kĩgũrũ gĩakĩo.
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
29 Nĩũgaciamũra nĩgeetha ituĩke theru mũno makĩria, nakĩo kĩrĩa gĩothe gĩgacihutia nĩgĩgatuĩka gĩtheru.
Ary hamasino ireo mba ho masìna indrindra; ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
30 “Itĩrĩria Harũni na ariũ ake maguta ũmaamũre nĩgeetha mandungatagĩre marĩ athĩnjĩri-Ngai.
Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31 Ĩra andũ a Isiraeli atĩrĩ, ‘Maya nĩmo maguta makwa marĩa matheru ma gũitanagĩrĩrio ma njiarwa iria igooka.
Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masìna ho Ahy hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
32 Ndũkanamaitĩrĩrie mĩĩrĩ ya arũme, na ndũkanathondeke maguta mangĩ na mũthondekere ũcio. Nĩ matheru na nĩ wega ũmatuage atĩ nĩ matheru.
Aoka tsy hihosoran’ ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masìna izy ka ho masìna aminareo.
33 Mũndũ wothe ũrĩthondekaga maguta manungi wega mahaana ta maya, na mũndũ o wothe ũngĩmaitĩrĩria mũndũ ũtarĩ mũthĩnjĩri-Ngai, nĩakaingatwo kuuma kũrĩ andũ ao.’”
Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
34 Ningĩ Jehova akĩĩra Musa atĩrĩ, “Oya mahuti manungi wega marĩa metagwo thitakiti, na onuka na garibane, hamwe na ũbani ũrĩa mwega mũno, mothe mathimĩtwo maiganaine,
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
35 na ũthondekithie magĩe na mũtararĩko mwega wa ũbumba; wĩra ũcio ũrutwo nĩ mũthondeki mũũgĩ wa maguta. Makorwo mekĩrĩtwo cumbĩ, na marĩ matheru na makaamũrwo.
Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.
36 Thĩithia mahuti mamwe matuĩke mũtu, naguo ũũige mbere ya ithandũkũ rĩa Ũira thĩinĩ wa Hema-ya-Gũtũnganwo, harĩa ndĩĩcemanagia nawe. Ũgaakorwo ũrĩ mũtheru mũno harĩwe.
Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.
37 Mũtikanethondekere ũbumba wa mũthemba ũyũ nĩ ũndũ wa inyuĩ ene; ũtuagei mũtheru nĩ ũndũ wa Jehova.
Ary ny amin’ ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masìna aminao ho an’ i Jehovah izany.
38 Mũndũ o na ũrĩkũ ũrĩa ũgathondeka ũngĩ taguo nĩguo ekenagie na mũtararĩko waguo nĩakaingatwo kuuma kũrĩ andũ ao.”
Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.