< Thaama 23 >

1 “Ndũkanamemerekie ndeto cia maheeni. Ndũgateithĩrĩrie mũndũ mwaganu na ũndũ wa kũrũgamĩrĩra ũira wa maheeni.
Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
2 “Ndũkarũmanĩrĩre na mũingĩ gwĩka ũũru. Ũngĩruta ũira igooti-inĩ, ndũkogomie kĩhooto ũkĩnyiitanĩra na mũingĩ,
Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3 na ndũkonanie kĩmenyano harĩ mũndũ mũthĩĩni ciira-inĩ wake.
Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao.
4 “Ũngĩona ndegwa kana ndigiri ya mũndũ mũrĩ ũthũ nake yũrĩte-rĩ, tigĩrĩra atĩ nĩwamĩcookia kũrĩ we.
Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
5 Ũngĩona ndigiri ya mũndũ ũgũthũire ĩgwĩte ĩkaremererwo nĩ mũrigo wayo-rĩ, ndũkamĩtige hau; no nginya ũmũteithie kũmĩũkĩria.
Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
6 “Ndũkanaime andũ anyu arĩa athĩĩni kĩhooto ciira-inĩ wao.
Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
7 Ndũkahutanie na thitango ya maheeni, na ndũkoorage mũndũ ũtarĩ na mahĩtia kana mũndũ mwĩhokeku, nĩgũkorwo ndikarekereria mũndũ mwĩhia.
Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
8 “Ndũkoe ihaki, nĩgũkorwo ihaki nĩrĩtũmaga arĩa monaga matuĩke atumumu, na rĩkoogomia ciugo cia andũ arĩa athingu.
Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.
9 “Ndũkahatĩrĩrie mũgeni; inyuĩ nĩmũũĩ ũrĩa mũgeni aiguaga, tondũ mwarĩ ageni bũrũri wa Misiri.
Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
10 “Haandaga irio mĩgũnda yaku mĩaka ĩtandatũ, na ũkagetha irio iria iciarĩte mĩaka ĩyo,
Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11 no mwaka wa mũgwanja ũkarekaga mũgũnda ũikare ũguo ũtarĩmĩtwo na ũtekũhũthĩrwo. Nao arĩa athĩĩni gatagatĩ ka andũ anyu makonaga irio kuuma mũgũnda ũcio, nacio nyamũ cia gĩthaka ikarĩĩaga kĩrĩa marĩtigagia. Ĩkaga o ũguo na mũgũnda waku wa mĩthabibũ na wa mĩtamaiyũ.
fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.
12 “Rutaga wĩra waku mĩthenya ĩtandatũ, no mũthenya wa mũgwanja ndũkanarute wĩra, nĩgeetha ndegwa na ndigiri yaku ihurũke, nayo ngombo ĩrĩa ĩciarĩirwo gwaku, kana mũgeni, o nao magĩage na ihinda rĩa kũnogoka.
Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
13 “Menyagĩrĩra wĩkage maũndũ marĩa mothe ngwĩrĩte. Ndũkanagwete marĩĩtwa ma ngai ingĩ; ndũkareke maiguuo makĩgwetwo na kanua gaku.
Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany.
14 “Gĩagai na gĩathĩ gĩa gũkũngũĩra maita matatũ o mwaka.
Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15 “Kũngũyagĩra Gĩathĩ kĩa Mĩgate Ĩtarĩ na Ndawa ya Kũimbia; handũ ha mĩthenya mũgwanja ũrĩĩage mĩgate ĩtarĩ na ndawa ya kũimbia, o ta ũrĩa ndagwaathire. Ĩkaga ũndũ ũyũ hĩndĩ ĩrĩa ĩtuĩtwo mweri-inĩ wa Abibu, tondũ nĩ mweri-inĩ ũcio woimire bũrũri wa Misiri. “Gũtikanagĩe mũndũ ũrĩũkaga mbere yakwa moko matheri.
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
16 “Kũngũyagĩra Gĩathĩ kĩa Magetha na maciaro ma mbere ma irio iria ũhaandĩte mĩgũnda yaku. “Kũngũyagĩra Gĩathĩ kĩa Igetha mũthia-inĩ wa mwaka, rĩrĩa ũgũcookanĩrĩria irio ciaku kuuma mũgũnda.
Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17 “Arũme othe nĩmarĩthiiaga mbere ya Mwathani Jehova maita matatũ o mwaka.
Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.
18 “Ndũkanandutĩre thakame ya igongona hamwe na kĩndũ kĩrĩ na ndawa ya kũimbia. “Maguta ma maruta makwa ma gĩathĩ matikaigwo nginya rũciinĩ.
Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.
19 “Rehaga indo iria njega cia maciaro ma mbere nyũmba-inĩ ya Jehova Ngai waku. “Ndũkanaruge koori na iria rĩa nyina.
Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
20 “Na rĩrĩ, niĩ nĩndĩratũma mũraika athiĩ mbere yanyu, amũrangĩre njĩra-inĩ na amũkinyie handũ harĩa ndĩmũhaarĩirie.
Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.
21 Iguagai na mwathĩkagĩre ũrĩa ekũmwĩra. Mũtikanamũkararie tondũ ndakamũrekera ũremi wanyu, nĩgũkorwo Rĩĩtwa rĩakwa rĩrĩ thĩinĩ wake.
Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
22 Mũngĩmũigua kũna ũrĩa aroiga, na mwĩke ũrĩa wothe ngaamwĩra, nĩngatuĩka thũ kũrĩ thũ cianyu, na njũkĩrĩre arĩa makaamũũkĩrĩra.
Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.
23 Mũraika wakwa nĩagathiĩ mbere yanyu, na amũkinyie bũrũri wa Aamori, na Ahiti, na Aperizi, na Akaanani, na Ahivi, na Ajebusi, na niĩ nĩngamaniina biũ.
Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
24 Mũtikanainamĩrĩre ngai ciao, kana mũcihooe, kana mũrũmĩrĩre mĩtugo yao. No nginya mũcianange, nayo mĩhianano ya ngai ciao cia mahiga mũmiunange tũcunjĩ.
Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
25 Hooyagai Jehova Ngai wanyu nake, nĩarĩrathimaga irio cianyu na maaĩ manyu. Nĩndĩĩmweheragĩria mĩrimũ gatagatĩ-inĩ kanyu,
Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
26 na gũtirĩ mũndũ ũkaahuna kana atuĩke thaata bũrũri-inĩ wanyu. Nĩndĩĩmũkinyagĩria matukũ marĩa mwathĩrĩirio ma gũtũũra muoyo.
Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao.
27 “Nĩngũtũma kĩmakania gĩakwa mbere yanyu, na ndũme ndũrĩrĩ iria mũrĩĩkoragĩrĩra inyiitwo nĩ kĩrigiicano. Nĩndĩtũmaga thũ cianyu imũũragĩre.
Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
28 Nĩngatũma magi mbere yanyu, maingate Ahivi, na Akaanani na Ahiti mamweherere.
Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
29 No rĩrĩ, ndikamaingata o mwaka ũmwe, tondũ bũrũri wahota gũcooka gĩthaka, nacio nyamũ cia gĩthaka imũingĩhĩre mũno.
Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
30 Ndĩmaingataga o kahora o kahora, nginya rĩrĩa mũkaingĩha mũhote kwĩnyiitĩra bũrũri ũcio.
Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31 “Nĩngekĩra mĩhaka yanyu kuuma Iria Itune, ndĩmĩikũrũkie nginya Iria rĩa Afilisti, na kuuma werũ-inĩ nginya Rũũĩ rwa Farati. Andũ arĩa maikaraga kũu nĩngamaneana moko-inĩ manyu, na inyuĩ mũmaingate mamweherere.
Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
32 Mũtikagĩe na kĩrĩkanĩro nao kana na ngai ciao.
Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
33 Mũtikareke matũũre bũrũri-inĩ wanyu; nĩ tondũ no matũme mũnjĩhĩrie, nĩ tondũ kũhooya ngai icio ciao ti-itherũ nĩgũkamũtoonyia mũtego-inĩ.”
Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

< Thaama 23 >