< Kohelethu 3 >

1 Atĩrĩrĩ, o ũndũ nĩ ũrĩ ihinda rĩaguo, na o ũndũ o wothe wĩkagwo gũkũ thĩ nĩ ũrĩ mahinda maguo:
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ ny lanitra:
2 kũrĩ hĩndĩ ya gũciarwo na hĩndĩ ya gũkua, hĩndĩ ya kũhaanda na hĩndĩ ya kũmunya kĩrĩa kĩhaande,
Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
3 hĩndĩ ya kũũraga na hĩndĩ ya kũhonia, hĩndĩ ya gũtharia na hĩndĩ ya gwaka,
Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4 hĩndĩ ya kũrĩra na hĩndĩ ya gũtheka, hĩndĩ ya gũcakaya na hĩndĩ ya kũina,
Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5 hĩndĩ ya kũhurunja mahiga na hĩndĩ ya kũmacookanĩrĩria, hĩndĩ ya kũhĩmbĩria na hĩndĩ ya kwaga kũhĩmbĩria,
Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6 hĩndĩ ya gũcaria na hĩndĩ ya kũũrĩrwo nĩ indo, hĩndĩ ya kũiga, na hĩndĩ ya gũte,
Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7 hĩndĩ ya gũtembũra na hĩndĩ ya gũtuma, hĩndĩ ya gũkira na hĩndĩ ya kwaria,
Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8 hĩndĩ ya kwenda na hĩndĩ ya gũthũũra, hĩndĩ ya mbaara na hĩndĩ ya thayũ.
Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
9 Mũruti wa wĩra-rĩ, nĩ uumithio ũrĩkũ oonaga harĩ gwĩtungumania gwake?
Inona no soa azon’ ny miasa amin’ izay isasarany?
10 Nĩnyonete mathĩĩna marĩa Ngai aheete andũ nĩguo mathĩĩnĩkage nĩ mo.
Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’ Andriamanitra ny zanak’ olombelona hisasarany.
11 Ngai oombire kĩndũ o gĩothe kĩrĩ gĩthaka hĩndĩ yakĩo. Ningĩ nĩekĩrĩte ũhoro wa tene na tene ngoro-inĩ cia andũ; no andũ matingĩhota kũmenya wĩra ũrĩa Ngai arutĩte kuuma kĩambĩrĩria nginya kĩrĩkĩrĩro.
Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ ny olona ny asan’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany.
12 Nĩnjũũĩ atĩ gũtirĩ ũndũ ũngĩ mwega andũ mangĩĩka ũkĩrĩte gũkena na gwĩka maũndũ mega rĩrĩa rĩothe megũtũũra muoyo.
Fantatro fa tsy misy tsara amin’ ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.
13 O na ningĩ ngamenya atĩ mũndũ o wothe angĩrĩa na anyue, na akenere gwĩtungumania gwake, kĩu nĩ kĩheo kuuma kũrĩ Ngai.
Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
14 Nĩnjũũĩ atĩ ũndũ ũrĩa wothe Ngai ekaga nĩ wagũtũũra nginya tene; ndũngĩongerereka kana ũnyihanyiihe. Ngai awĩkaga nĩgeetha andũ mamwĩtigagĩre.
Fantatro fa izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’ Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15 Ũrĩa gũtariĩ rĩu noguo gwatariĩ tene, na ũrĩa gũgaatuĩka thuutha-inĩ noguo gwatariĩ mbere ĩyo; nake Ngai acaragia atĩ ũndũ ũrĩa wahĩtũkire ũcooke o ro ho.
Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin’ Andriamanitra indray izay efa lasa.
16 O na ningĩ ngĩona ũndũ ũngĩ gũkũ thĩ kwaraga riũa: Handũ harĩa haatuuagĩrwo ciira-rĩ, waganu warĩ ho, na ho handũ harĩa ha kĩhooto-rĩ, waganu warĩ ho.
Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro: ny fitoeran’ ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran’ ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17 Ngĩĩra atĩrĩ na ngoro yakwa, “Ngai nĩwe ũgaaciirithia andũ arĩa athingu na arĩa aaganu, tondũ nĩgũgakorwo ihinda rĩa o ũndũ o wothe wĩkagwo gũkũ thĩ, o na ihinda rĩa wĩra o wothe.”
Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18 Ningĩ ngĩĩciiria atĩrĩ, “Ha ũhoro wa andũ-rĩ, Ngai amageragia nĩgeetha mone atĩ mahaana o ta nyamũ.
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ ny zanak’ olombelona izany, mba hizahan’ Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
19 Maũndũ marĩa makoraga mũndũ no mo makoraga nyamũ; mũndũ na nyamũ makoragwo nĩ ũndũ o ro ũmwe: O ta ũrĩa mũndũ akuuaga, noguo nyamũ ĩkuaga. Mĩhũmũ ya mũndũ na nyamũ no ĩmwe; mũndũ ndarĩ handũ akĩrĩte nyamũ. Ũndũ o wothe nĩ wa tũhũ.
Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
20 Mũndũ na nyamũ mathiiaga o kũndũ kũmwe; othe moimĩte tĩĩri-inĩ, na othe macookaga o tĩĩri-inĩ.
Izy rehetra samy mankamin’ ny fitoerana iray: avy tamin’ ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray izy rehetra.
21 Nũũ ũũĩ kana hihi roho wa mũndũ wambataga na igũrũ, naguo roho wa nyamũ ũgaikũrũka na thĩ?”
Iza no mahalala ny fanahin’ ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ ny biby, na midìna amin’ ny tany izy, na tsia?
22 Nĩ ũndũ ũcio ngĩona atĩ hatirĩ ũndũ mwega harĩ mũndũ ũkĩrĩte gũkenera wĩra wake, tondũ rĩu nĩrĩo igai rĩake. Nĩ ũndũ-rĩ, nũũ ũngĩmũcookia rĩngĩ nĩguo one ũrĩa gũgeekĩka thuutha wake?
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ ny olona amin’ ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

< Kohelethu 3 >