< Gũcookerithia 7 >

1 Rĩrĩa Jehova Ngai waku agaagũkinyia bũrũri ũrĩa ũratoonya ũkawĩgwatĩre na aingate ndũrĩrĩ nyingĩ ikweherere, nacio nĩ Ahiti, na Agirigashi, na Aamori, na Akaanani, na Aperizi, na Ahivi na Ajebusi, ndũrĩrĩ mũgwanja nene na irĩ hinya gũgũkĩra-rĩ,
Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
2 na rĩrĩa Jehova Ngai waku agaacineana kũrĩ we nawe ũkorwo ũcitooretie, hĩndĩ ĩyo no nginya ũgaciniina biũ. Ndũkanagĩe na kĩrĩkanĩro nacio na ndũkanaciiguĩre tha.
ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
3 Mũtikanagũrane nacio. Mũtikanaheane airĩtu anyu kũrĩ aanake ao kana aanake anyu mahikie airĩtu ao,
ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
4 nĩgũkorwo nĩmakagarũra aanake anyu matige gũcooka kũnũmĩrĩra, na matuĩke a gũtungatĩra ngai ingĩ, namo marakara ma Jehova nĩmakamũũkĩrĩra, mamũcine na mamũniine o narua.
Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5 Ũũ nĩguo mũkaameeka: Mũkoinanga igongona ciao, na mũharaganie mahiga ma igongona ciao, na mũtemange itugĩ ciao cia Ashera, o na mũcine mĩhianano yao na mwaki.
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
6 Nĩgũkorwo inyuĩ mũrĩ rũrĩrĩ rwamũrĩirwo Jehova Ngai wanyu. Jehova Ngai wanyu aamũthurire kuuma ndũrĩrĩ-inĩ ciothe cia thĩ mũtuĩke rũrĩrĩ rwake, rũrĩrĩ rũrĩ bata mũno harĩ we.
Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
7 Jehova ndaamwendire na akĩmũthuura tondũ mwarĩ aingĩ gũkĩra ndũrĩrĩ iria ingĩ, nĩgũkorwo nĩ inyuĩ mwarĩ anini mũno gũkĩra andũ arĩa angĩ othe.
Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
8 No nĩ ũndũ wa Jehova kũmwenda na kũmenyerera mwĩhĩtwa ũrĩa eehĩtĩire maithe manyu ma tene, nĩkĩo aamũrutire na guoko gwake kũrĩ hinya, na akĩmũkũũra akĩmũruta bũrũri wa ũkombo, kuuma hinya-inĩ wa Firaũni mũthamaki wa bũrũri wa Misiri.
fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
9 Nĩ ũndũ ũcio kĩmenyei atĩ Jehova Ngai wanyu nĩwe Ngai; o we Mũrungu ũrĩa mwĩhokeku, ũmenyagĩrĩra kĩrĩkanĩro gĩake kĩa wendo kũrĩ njiaro ngiri cia andũ arĩa mamwendete, na makamenyerera maathani make.
Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
10 No rĩrĩ, arĩa mamũthũire nĩakerĩhĩria na njĩra ya kũmaniina biũ makĩonaga; ndakagĩa thieya kwĩrĩhĩria harĩ andũ arĩa mamũthũire, makĩonaga.
ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11 Nĩ ũndũ ũcio, mwĩmenyererei mũrũmagĩrĩre maathani na kĩrĩra kĩa watho wake wa kũrũmĩrĩrwo, na mawatho marĩa ngũmũhe ũmũthĩ.
Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12 Mũngĩrũmbũiya mawatho macio na mũmamenyerere mũmarũmĩrĩre, nake Jehova Ngai wanyu nĩarĩigaga kĩrĩkanĩro gĩake kĩa wendo na inyuĩ, o ta ũrĩa eehĩtire mbere ya maithe manyu.
Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
13 Nĩarĩmwendaga na amũrathimage na atũmage mũingĩhage. Nĩarĩrathimaga maciaro ma nda cianyu, na maciaro ma mĩgũnda yanyu, marĩ ma ngano, na ma ndibei ya mũhihano, na ma maguta, na ma njaũ cia ndũũru cianyu na ma tũtũrũme twa ndũũru cia ngʼondu cianyu kũu bũrũri-inĩ ũrĩa eehĩtire harĩ maithe manyu atĩ nĩakamũhe.
dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.
14 Inyuĩ nĩmũkarathimwo gũkĩra rũrĩrĩ rũngĩ o ruothe; gũtirĩ mũndũ mũrũme kana mũndũ-wa-nja wanyu ũkaaga mwana, o na kana ũhiũ wanyu o wothe wage gũciara.
Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15 Jehova nĩakamũgitĩra kuuma kũrĩ mĩrimũ yothe. Ndakamũrehithĩria mĩrimũ mĩũru ta ĩrĩa muoĩ rĩrĩa mwarĩ kũu bũrũri wa Misiri, no rĩrĩ, nĩakamĩrehithĩria andũ arĩa othe mamũthũire.
Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16 No nginya mũkaaniina ndũrĩrĩ ciothe iria Jehova akaarekereria acineane kũrĩ inyuĩ; mũtikanaciguĩre tha kana mũtungatĩre ngai ciacio, nĩgũkorwo ũndũ ũcio no ũtuĩke mũtego kũrĩ inyuĩ.
Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17 Mwahota kwĩĩra atĩrĩ, “Ndũrĩrĩ ici irĩ na hinya gũtũkĩra. Tũngĩhota atĩa gũciingata?”
Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18 No mũtikanaciĩtigĩre; ririkanagai wega ũrĩa Jehova Ngai wanyu eekire Firaũni, o na ũrĩa eekire bũrũri wa Misiri guothe.
dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19 Nĩmweyoneire na maitho manyu maũndũ manene marĩa andũ acio maageririo namo, o na ciama iria ciaringirwo, na maũndũ ma kũgegania marĩa meekirwo; ningĩ mũririkane ũrĩa Jehova Ngai wanyu aamũrutire bũrũri wa Misiri na guoko kwa hinya na gũtambũrũkĩtio. Ũguo noguo Jehova Ngai wanyu ageeka ndũrĩrĩ icio ciothe mũretigĩra rĩu.
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.
20 O na ningĩ, Jehova Ngai wanyu nĩagatũma magi ma mboora gatagatĩ ga cio, nginya o na matigari ma cio marĩa makaamwĩhitha makorwo mathirĩte.
Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin’ i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan’ izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21 Mũtikamakio nĩcio, nĩgũkorwo Jehova Ngai wanyu, ũrĩa ũrĩ hamwe na inyuĩ, nĩ Mũrungu mũnene na wa gwĩtigĩrwo.
Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22 Jehova Ngai wanyu nĩakarutũrũra ndũrĩrĩ icio ciehere mbere yanyu hanini o hanini. Mũtigetĩkĩrio mũciniine o rĩmwe, nĩguo nyamũ cia gĩthaka itikamũingĩhĩre imũrigiicĩrie.
Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23 No Jehova Ngai wanyu nĩakaneana ndũrĩrĩ icio kũrĩ inyuĩ, atũme igĩe na kĩrigiicano kĩnene o nginya iniinwo.
Fa hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
24 Athamaki ao nĩakamaneana moko-inĩ manyu, na inyuĩ nĩmũkaniina marĩĩtwa mao biũ mehere gũkũ thĩ mũhuro wa riũa. Gũtirĩ mũndũ ũkaahota kũmwĩtiiria; nĩ mũkaamaniina.
Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25 Mĩhiano ya ngai ciao nĩmũkamĩcina na mwaki. Mũtikanacumĩkĩre betha na thahabu iria ciĩkĩrĩtwo igũrũ rĩayo, kana mũmĩoe ĩtuĩke yanyu, mũtikaguucĩrĩrio nĩyo mũheeneke, nĩgũkorwo nĩĩrĩ magigi kũrĩ Jehova Ngai wanyu.
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
26 Ndũkanarehe kĩndũ kĩrĩ thaahu nyũmba-inĩ yaku, nĩgeetha ndũkaamũrwo hamwe na kĩndũ kĩu mũniinwo. Kĩrege biũ na ũgĩthũũre, nĩgũkorwo nĩgĩtuĩtwo gĩa kũniinwo.
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.

< Gũcookerithia 7 >