< Gũcookerithia 14 >

1 Inyuĩ nĩ inyuĩ ciana cia Jehova Ngai wanyu. Mũtikanetemange kana mwenjwo ihara ũthiũ-inĩ nĩ ũndũ wa mũndũ mũkuũ,
Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
2 nĩgũkorwo mũrĩ andũ mamũrĩirwo Jehova Ngai wanyu. Kuuma ndũrĩrĩ-inĩ ciothe cia thĩ, Jehova nĩamũthuurĩte mũtuĩke andũ ake a bata.
Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
3 Mũtikanarĩe kĩndũ o nakĩ kĩrĩ thaahu.
Aza mihinana izay fahavetavetana.
4 Ici nĩcio nyamũ iria mwagĩrĩirwo kũrĩa: nĩ ndegwa, na ngʼondu, na mbũri,
Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
5 na thwariga, na thiiya, na thwara, na mbũri ya werũ, na ndoo, na ngondi, o na ngʼondu cia irĩma-inĩ.
sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
6 No mũrĩe nyamũ o yothe ĩrĩ mahũngũ maatũku na makarekania na nĩĩcookagia ithagumia.
izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
7 No rĩrĩ, harĩ nyamũ iria ĩcookagia ithagumia kana irĩ mahũngũ maatũku marekanĩtie biũ, mũtikanarĩe ngamĩĩra, kana mbũkũ, kana ikami. O na gũtuĩka nĩicookagia ithagumia, mahũngũ ma cio ti maatũku, icio irĩ thaahu harĩ inyuĩ.
Nefa amin’ izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
8 Nayo ngũrwe, o na akorwo mahũngũ mayo nĩmarekanĩtie biũ-rĩ, ndĩcookagia ithagumia; ĩyo ĩrĩ thaahu harĩ inyuĩ. Mũtikanarĩe nyama ciacio kana mũhutie ciimba ciacio.
ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
9 Thĩinĩ wa nyamũ ciothe iria itũũraga maaĩ-inĩ, no mũrĩĩage ĩrĩa yothe ĩrĩ mathagu manyiitaine na ĩrĩ ngaracũ mwĩrĩ.
Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
10 No ĩrĩa yothe ĩtarĩ tũthagu na ngaracũ, mũtikanamĩrĩe; nĩgũkorwo ĩrĩ thaahu harĩ inyuĩ.
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
11 No mũrĩe nyoni o yothe ĩrĩa ĩtarĩ thaahu.
Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
12 No ici mũtikanarĩe: nderi, na ndiyũ, na ndiyũ iria njirũ,
Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
13 na hũngũ ĩrĩa ndune na mũthemba o wothe wa hũngũ iria njirũ,
ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
14 na mũthemba o wothe wa mahuru
ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
15 na ndundu ĩrĩa ĩrĩ rũhĩa, na ndundu ĩrĩa ĩgambaga, na nyoni ya iria-inĩ ĩrĩa ĩrĩ mathagu maraaya, na mũthemba o wothe wa rwĩgĩ,
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
16 na gatundu karĩa kanini, na ndundu ĩrĩa nene, o na ndundu ĩrĩa njerũ,
ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
17 na ndundu ya werũ, na rwĩgĩ rũnene rũrĩa rũrĩĩaga thamaki, na nyoni ya iria-inĩ ĩrĩa ĩrĩ ngingo ndaaya,
ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
18 na karoga-ngunũ, na mĩthemba yothe ya cũcũ-wa-njoka, na hudihuda, o na rũhuhu.
ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19 Tũnyamũ tuothe tũrĩa tũrĩ mathagu tũmbũkaga tũrĩ gĩtutu tũrĩ thaahu harĩ inyuĩ, mũtikanatũrĩe.
Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20 No nyamũ yothe ĩrĩ mathagu na ndĩrĩ thaahu no mũmĩrĩe.
Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21 Mũtikanarĩe kĩndũ o na kĩrĩkũ kĩrĩa mũgaakora gĩkuĩte. No mũkĩhe mũndũ wa kũngĩ ũrĩa ũtũũraga itũũra-inĩ o rĩothe rĩa matũũra manyu, nake no akĩrĩe, kana ũkĩenderie mũrũrĩrĩ. No inyuĩ mũrĩ andũ maamũrĩirwo Jehova Ngai wanyu. Mũtikanaruge koori na iria rĩa nyina.
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
22 Menyererai mũrutage gĩcunjĩ gĩa ikũmi kĩa maciaro mothe ma mĩgũnda yanyu mwaka o mwaka.
Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23 Rĩagĩrai gĩcunjĩ gĩa ikũmi kĩa ngano yanyu, na ndibei yanyu ya mũhihano, na maguta manyu, na marigithathi manyu ma ndũũru cianyu cia ngʼombe na cia mbũri mbere ya Jehova Ngai wanyu mũrĩ handũ harĩa agaathuura ha gũtũũria Rĩĩtwa rĩake, nĩgeetha mwĩrute gwĩtigĩra Jehova Ngai wanyu hĩndĩ ciothe.
dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
24 No rĩrĩ, handũ hau hangĩkorwo nĩ haraihu mũno, na Jehova Ngai wanyu nĩamũrathimĩte na mũtingĩhota gũkuua gĩcunjĩ kĩanyu gĩa ikũmi mũtware handũ hau (nĩ ũndũ handũ hau Jehova agaathuura ha gũtũũria Rĩĩtwa rĩake nĩhamũraihĩrĩirie mũno-rĩ),
Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao,
25 hĩndĩ ĩyo mũgaakũũrania gĩcunjĩ kĩanyu gĩa ikũmi na betha, na inyuĩ mũtware betha ĩyo handũ harĩa Jehova Ngai wanyu agaathuura.
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao;
26 Hũthĩrai betha ĩyo na kũgũra kĩrĩa gĩothe mũngĩenda: ngʼombe, kana ngʼondu, kana ndibei o na kana kĩndũ kĩgagatie gĩa kũnyua, kana o kĩndũ gĩothe kĩrĩa mũngĩenda. Ningĩ inyuĩ na andũ a nyũmba cianyu mũkaarĩĩra indo icio o hau mbere ya Jehova Ngai wanyu mũkenete.
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ ny ankohonanao;
27 Na mũtikanarekererie Alawii arĩa matũũraga matũũra-inĩ manyu, nĩgũkorwo matirĩ gĩthaka kana igai rĩao ene.
ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
28 Na rĩrĩ, o mĩaka ĩtatũ yathira, mũrutage icunjĩ cia ikũmi cia uumithio wanyu wothe wa mwaka ũcio, mũgaaciga kũu matũũra-inĩ manyu,
Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ ny vokatrao rehetra amin’ izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
29 nĩgeetha Alawii (arĩa matarĩ agaĩre gĩthaka kana igai rĩao ene), na andũ a kũngĩ, na ciana cia ngoriai, na atumia a ndigwa arĩa matũũraga matũũra-inĩ manyu, magookaga makarĩa na makahũũna, nĩguo Jehova Ngai wanyu amũrathimage wĩra-inĩ wothe wa moko manyu.
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.

< Gũcookerithia 14 >