< 2 Samũeli 10 >

1 Thuutha wa mahinda macio, mũthamaki wa Aamoni agĩkua, nake Hanuni, mũriũ, agĩtuĩka mũthamaki ithenya rĩake.
Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Nake Daudi agĩĩciiria atĩrĩ, “Nĩnguonania ũtugi kũrĩ Hanuni mũrũ wa Nahashu, o ta ũrĩa ithe aanjĩkire maũndũ ma ũtugi.” Nĩ ũndũ ũcio Daudi agĩtũma andũ kũrĩ Hanuni makamũcakaithie nĩ ũndũ wa gũkuĩrwo nĩ ithe. Rĩrĩa andũ acio maatũmĩtwo nĩ Daudi maakinyire bũrũri-inĩ wa Aamoni-rĩ,
Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ ny tanin’ ny taranak’ i Amona ny mpanompon’ i Davida.
3 andũ arĩa maarĩ igweta a Aamoni makĩũria Hanuni mwathi wao atĩrĩ, “Ũreciiria Daudi nĩ thoguo aratĩĩa nĩ ũndũ wa gũgũtũmĩra andũ magũcakaithie? Githĩ Daudi ndatũmĩte andũ aya kũrĩ we nĩgeetha matuĩrie na mathigaane itũũra rĩĩrĩ inene, nĩguo macooke marĩtunyane?”
Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’ i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
4 Nĩ ũndũ ũcio Hanuni akĩnyiitithia andũ acio a Daudi, na akĩmenjithia nderu rwere rũmwe, na agĩtinia nguo ciao irima gatagatĩ ka njikarĩro, na akĩmaingata.
Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Hĩndĩ ĩrĩa Daudi eerirwo ũhoro ũcio, agĩtũma andũ makamatũnge tondũ andũ acio nĩmaconorithĩtio mũno. Mũthamaki akiuga atĩrĩ, “Ikarai kũu Jeriko nginya nderu cianyu ikũre, mũcooke mũũke.”
Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin’ i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin’ ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
6 Rĩrĩa Aamoni maamenyire atĩ nĩmatuĩkĩte kĩndũ kĩnungu harĩ Daudi-rĩ, makĩandĩka thigari cia magũrũ cia Asuriata ngiri mĩrongo ĩĩrĩ kuuma Bethi-Rehobu na Zoba, o na mũthamaki wa Maaka arĩ na andũ ake ngiri ĩmwe, o na ningĩ andũ ngiri ikũmi na igĩrĩ kuuma Tobu.
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7 Nake Daudi aigua ũhoro ũcio-rĩ, agĩtũma Joabu na ita rĩothe rĩa mbaara.
Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8 Nao Aamoni makiumagara, makĩara mĩhari ya mbũtũ cia mbaara kĩhingo-inĩ gĩa itũũra rĩao inene, nao Asuriata a Zoba na Rehobu, na andũ a Tobu na a Maaka maarĩ oiki kũu werũ-inĩ.
Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
9 Nake Joabu akĩona atĩ thigari nĩciarĩte mĩhari ya mbaara mbere yake o na thuutha wake; nĩ ũndũ ũcio agĩthuura mbũtũ imwe iria ciarĩ njamba mũno kũu Isiraeli, agĩcitũma ikarũe na Asuriata.
Ary rehefa hitan’ i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
10 Andũ acio angĩ akĩmaiga watho-inĩ wa Abishai mũrũ wa nyina, na akĩmatũma makarũe na andũ a Amoni.
Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny halahany hiady amin’ ny taranak’ i Amona.
11 Joabu akiuga atĩrĩ, “Asuriata mangĩĩngĩria hinya-rĩ, wee ũũke ũndeithie; no Aamoni mangĩgũkĩria hinya-rĩ, nĩngũũka ngũteithie.
Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao.
12 Wĩyũmĩrĩrie nĩgeetha tũrũe na ũcamba nĩ ũndũ wa andũ aitũ na nĩ ũndũ wa matũũra manene ma Ngai witũ. Jehova nĩegwĩka ũrĩa ekuona kwagĩrĩire maitho-inĩ make.”
Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13 Ningĩ Joabu na mbũtũ ciake magĩtharĩkĩra Asuriata, nao makĩmoorĩra.
Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin’ ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
14 Rĩrĩa Aamoni moonire atĩ Asuriata nĩmaroora-rĩ, o nao makĩũrĩra Abishai, magĩtoonya thĩinĩ wa itũũra rĩrĩa inene. Nĩ ũndũ ũcio Joabu agĩcooka agĩtiga kũrũa na Aamoni na agĩthiĩ Jerusalemu.
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan’ i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak’ i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15 Thuutha wa Asuriata kuona atĩ nĩmatoorio nĩ andũ a Isiraeli-rĩ, magĩcookanĩrĩra hamwe rĩngĩ.
Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16 Hadadezeri aarehithĩtie Asuriata kuuma mũrĩmo wa Rũũĩ rwa Farati; magĩthiĩ nginya Helamu marĩ hamwe, na Shobaki mũnene wa mbũtũ ya ita ya Hedadezeri, amatongoretie.
Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadadezera, no nitarika azy.
17 Rĩrĩa Daudi eerirwo ũhoro ũcio-rĩ, agĩcookanĩrĩria ita rĩa Isiraeli rĩothe, makĩringa Rũũĩ rwa Jorodani na magĩthiĩ nginya Helamu. Nao Asuriata makĩara mĩhari ya thigari cia mbaara igatũngane na Daudi, makĩrũa nake.
Ary nony nambara tamin’ i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin’ i Davida, ka dia rafitra ny ady.
18 No rĩrĩ, Asuriata acio makĩũrĩra Isiraeli, nake Daudi akĩũraga andũ magana mũgwanja arĩa maatwarithagia ngaari ciao cia ita, na thigari cia magũrũ ngiri mĩrongo ĩna. Ningĩ akĩũraga Shobaki mũnene wa mbũtũ ciao, agĩkuĩra kũu.
Ary vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin’ ny Syriana Davida sady namely an’ i Sobaka koa, ilay komandin’ ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
19 Rĩrĩa athamaki arĩa othe maarĩ ndungata cia Hadadezeri moonire atĩ nĩmahootwo nĩ Isiraeli-rĩ, magĩthondeka thayũ na andũ a Isiraeli na magĩtuĩka a gwathagwo nĩo. Nĩ ũndũ ũcio Asuriata magĩĩtigĩra gũcooka gũteithia Aamoni hĩndĩ ĩngĩ.
Ary nony hitan’ ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’ i Hadadezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak’ i Amona intsony.

< 2 Samũeli 10 >