< Josua 19 >

1 Darnach fiel das zweite Los auf Simeon, für den Stamm der Kinder Simeon, nach ihren Geschlechtern, und ihr Erbteil befand sich inmitten des Erbteils der Kinder Juda.
Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
2 Und ihnen ward als ihr Erbbesitz zuteil: Beer-Seba,
Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3 Molada, Hazar-Schual, Bala,
sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
4 Ezem, El-Tolad, Betuel und Horma,
sy Eltolada sy Betola sy Horma
5 Ziklag, Beth-Hammarkabot, Hazar-Susa, Beth-Lebaot und Saruhen.
sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 Das sind dreizehn Städte und ihre Dörfer. Ain, Rimmon, Eter und Asan.
sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
7 Das sind vier Städte und ihre Dörfer.
sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
8 Dazu alle Dörfer, die um diese Städte liegen bis gen Baalat-Beer-Ramat, gegen Mittag. Das ist das Erbteil des Stammes der Kinder Simeon nach ihren Geschlechtern.
ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.
9 Denn das Erbteil der Kinder Simeon gehörte zum Anteil der Kinder Juda; weil das Erbteil der Kinder Juda für sie zu groß war, darum erbten die Kinder Simeon inmitten ihres Erbteils.
Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.
10 Das dritte Los fiel auf die Kinder Sebulon nach ihren Geschlechtern. Und das Gebiet ihres Erbteils erstreckte sich bis gen Sarid.
Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,
11 Und seine Grenze geht hinauf abendwärts bis nach Marela, berührt Dabbaset und stößt an den Bach, der vor Jokneam fließt,
dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,
12 und wendet sich von Sarid, vorn gegen Aufgang der Sonne, gegen das Gebiet Kislot-Tabor und kommt hinaus gen Dabrat und geht hinauf gen Japhia.
dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13 Und von dannen geht sie morgenwärts gegen Aufgang der Sonne nach Gat-Hepher und nach Et-Kazin und kommt nach Rimmon-Metoar, gegen Neha hin.
dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,
14 Und die Grenze wendet sich herum nördlich gegen Hannaton, und ihr Ausgang ist im Tal Jephta-El,
dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.
15 mit Kattat, Nahalal, Simron, Jideala und Bethlehem. Das sind zwölf Städte und ihre Dörfer.
Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
16 Das ist das Erbteil der Kinder Sebulon in ihren Geschlechtern. Das sind ihre Städte und Dörfer.
Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17 Das vierte Los fiel auf Issaschar, auf die Kinder Issaschar nach ihren Geschlechtern.
Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
18 Und ihr Gebiet umfaßte Jesreel,
Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19 Kessulot, Sunem, Hapharaim,
sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
20 Schion, Anaharat, Rabbit, Kisjon,
sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
21 Ebez, Remet, En-Gannim, En-Hadda, Beth-Pazez.
sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
22 Und die Grenze berührt Tabor, Sahazim, Beth-Semes; und ihren Ausgang bildet der Jordan. Das sind sechzehn Städte und ihre Dörfer.
Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
23 Das ist das Erbteil des Stammes der Kinder Issaschar nach ihren Geschlechtern, ihre Städte und Dörfer.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
24 Das fünfte Los fiel auf den Stamm der Kinder Asser nach ihren Geschlechtern,
Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.
25 und ihr Gebiet umfaßte Helkat,
Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 Hali, Beten, Achsaph, Alammelech, Amead, Miseal und stößt an den Karmel am Meer und an den Sihor von Libnat;
sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 und [die Grenze] wendet sich gegen Aufgang der Sonne, nach Beth-Dagon und stößt an Sebulon und an das Tal Jephta-El, gegen Mitternacht, Beth-Emek und Nehiel, und kommt hinaus gen Kabul, zur Linken;
dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 und Ebron, Rechob, Hammon und Kana, bis an die große [Stadt] Zidon.
ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29 Und sie wendet sich gen Rama und bis zu der festen Stadt Tyrus, und biegt um gen Chosa und geht hinaus an das Meer, an den Landstrich Achsib;
dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany Akziba
30 und Umma, Aphek und Rechob. Das sind zweiundzwanzig Städte und ihre Dörfer.
ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31 Das ist das Erbteil des Stammes der Kinder Asser nach ihren Geschlechtern, diese Städte und ihre Dörfer.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32 Das sechste Los fiel auf Naphtali, nämlich auf die Kinder Naphtali nach ihren Geschlechtern.
Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.
33 Und ihre Grenze lief von Heleph, von der Eiche bei Zaanannim, und von Adami-Nekeb und Jabneel bis gen Lakkum und endet am Jordan;
Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,
34 und sie wendet sich gen Asnot-Tabor gegen Abend und geht von dort bis Hukkok und stößt an Sebulon gegen Mittag und an Asser gegen Abend und an Juda am Jordan gegen Aufgang der Sonne.
dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.
35 Und feste Städte waren: Ziddim,
Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36 Zer, Hammat, Rakkat, Kinneret, Adama,
sy Adama sy Rama sy Hazora
37 Rama, Hazor, Kedesch, Edrei, En-Hazor,
sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
38 Jireon, Migdal-El, Horem, Beth-Anat und Beth-Semes. Das sind neunzehn Städte und ihre Dörfer.
sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
39 Das ist das Erbteil des Stammes der Kinder Naphtali nach ihren Geschlechtern, die Städte und ihre Dörfer.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
40 Das siebente Los fiel auf den Stamm der Kinder Dan nach ihren Geschlechtern.
Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
41 Und das Gebiet ihres Erbteils umfaßte:
Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42 Zorea, Estaol, Ir-Semes, Schaalabbin,
sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43 Ajalon, Jitla, Elon, Timnata, Ekron, Elteke,
sy Elona sy Timna sy Ekrona
44 Gibbeton, Baalat, Jehud, Benebarak,
sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45 Gat-Rimmon, Me-Jarkon, Rakkon,
sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46 samt dem Gebiet gegen Japho hin.
sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.
47 Und das Gebiet der Kinder Dan dehnte sich von dort noch weiter aus. Denn die Kinder Dan zogen hinauf und stritten wider Lesem und eroberten und schlugen es mit der Schärfe des Schwertes, und nahmen es ein und wohnten darin und nannten es Dan, nach dem Namen ihres Vaters Dan.
Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
48 Das ist das Erbteil des Stammes der Kinder Dan nach ihren Geschlechtern; diese Städte und ihre Dörfer.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
49 Als sie nun das Land nach seinen Grenzen ganz verteilt hatten, gaben die Kinder Israel Josua, dem Sohn Nuns, ein Erbteil in ihrer Mitte;
Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
50 sie gaben ihm nach dem Befehl des HERRN die Stadt, die er forderte, nämlich Timnat-Serach auf dem Gebirge Ephraim; da baute er die Stadt und wohnte darin.
Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
51 Das sind die Erbteile, die Eleasar, der Priester, und Josua, der Sohn Nuns, und die Familienhäupter der Stämme der Kinder Israel durch das Los austeilten zu Silo vor dem HERRN, vor der Tür der Stiftshütte; und sie vollendeten also die Verteilung des Landes.
Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.

< Josua 19 >