< Hesekiel 20 >
1 Und es begab sich im siebenten Jahr, am zehnten Tage des fünften Monden, kamen etliche aus den Ältesten Israels, den HERRN zu fragen, und setzten sich vor mir nieder.
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ ny Isiraely mba hanontany amin’ i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2 Da geschah des HERRN Wort zu mir und sprach:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
3 Du Menschenkind, sage den Ältesten Israels und sprich zu ihnen: So spricht der HERR HERR: Seid ihr kommen, mich zu fragen? So wahr ich lebe, ich will von euch ungefragt sein, spricht der HERR HERR.
Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ireo loholon’ ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4 Aber willst du sie strafen, du Menschenkind, so magst du sie also strafen. Zeige ihnen an die Greuel ihrer Väter
Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan’ ny razany izy.
5 und sprich zu ihnen: So spricht der HERR HERR: Zu der Zeit, da ich Israel erwählete, erhub ich meine Hand zu dem Samen des Hauses Jakob und gab mich ihnen zu erkennen in Ägyptenland. Ja, ich erhub meine Hand zu ihnen und sprach: Ich bin der HERR, euer Gott.
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin’ ny taranak’ i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6 Ich erhub aber zur selbigen Zeit meine Hand, daß ich sie führete aus Ägyptenland in ein Land, das ich ihnen versehen hatte, das mit Milch und Honig fleußt, ein edel Land vor allen Ländern,
tamin’ izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
7 und sprach zu ihnen: Ein jeglicher werfe weg die Greuel vor seinen Augen und verunreiniget euch nicht an den Götzen Ägyptens; denn ich bin der HERR, euer Gott.
dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Sie aber waren mir ungehorsam und wollten mir nicht gehorchen, und warf ihrer keiner weg die Greuel vor seinen Augen und verließen die Götzen Ägyptens nicht. Da dachte ich meinen Grimm über sie auszuschütten und allen meinen Zorn über sie gehen zu lassen noch in Ägyptenland.
Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ ny masony na nahafoy ny sampin’ i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin’ ny tany Egypta ny fahatezerako.
9 Aber ich ließ es um meines Namens willen, daß er nicht entheiliget würde vor den Heiden, unter denen sie waren, und vor denen ich mich ihnen hatte zu erkennen gegeben, daß ich sie aus Ägyptenland führen wollte.
Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
10 Und da ich sie aus Ägyptenland geführet hatte und in die Wüste gebracht,
Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11 gab ich ihnen meine Gebote und lehrete sie meine Rechte, durch welche lebet der Mensch, der sie hält.
Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12 Ich gab ihnen auch meine Sabbate zum Zeichen zwischen mir und ihnen damit sie lerneten, daß ich der HERR sei, der sie heiliget.
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
13 Aber das Haus Israel war mir ungehorsam auch in der Wüste und lebten nicht nach meinen Geboten und verachteten meine Rechte, durch welche der Mensch lebet, der sie hält, und entheiligten meine Sabbate sehr. Da gedachte ich meinen Grimm über sie auszuschütten in der Wüste und sie gar umzubringen.
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
14 Aber ich ließ es um meines Namens willen, auf daß er nicht entheiliget würde vor den Heiden, vor welchen ich sie hatte ausgeführet.
Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
15 Und hub auch meine Hand auf wider sie in der Wüste, daß ich sie nicht wollte bringen in das Land, so ich ihnen gegeben hatte, das mit Milch und Honig fleußt, ein edel Land vor allen Ländern,
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
16 darum daß sie meine Rechte verachtet und nach meinen Geboten nicht gelebet und meine Sabbate entheiliget hatten; denn sie wandelten nach den Götzen ihres Herzens.
satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17 Aber mein Auge verschonete ihrer, daß ich sie nicht verderbete noch gar umbrächte in der Wüste.
Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
18 Und ich sprach zu ihren Kindern in der Wüste: Ihr sollt nach eurer Väter Geboten nicht leben und ihre Rechte nicht halten und an ihren Götzen euch nicht verunreinigen.
Fa hoy Izaho tamin’ ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ ny sampiny;
19 Denn ich hin der HERR, euer Gott; nach meinen Geboten sollt ihr leben und meine Rechte sollt ihr halten und danach tun
fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
20 und meine Sabbate sollt ihr heiligen, daß sie seien ein Zeichen zwischen mir und euch, damit ihr wisset, daß ich der HERR, euer Gott, bin.
Ary manamasìna sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21 Aber die Kinder waren mir auch ungehorsam, lebten nach meinen Geboten nicht, hielten auch meine Rechte nicht, daß sie danach täten, durch welche der Mensch lebet, der sie hält, und entheiligten meine Sabbate. Da gedachte ich meinen Grimm über sie auszuschütten und all meinen Zorn über sie gehen zu lassen in der Wüste.
Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
22 Ich wandte aber meine Hand und ließ es um meines Namens willen, auf daß er nicht entheiliget würde vor den Heiden, vor welchen ich sie hatte ausgeführet.
Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin’ ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23 Ich hub auch meine Hand auf wider sie in der Wüste, daß ich sie zerstreuete unter die Heiden und zerstäubete in die Länder,
Dia nanangan-tanana taminy tany an’ efitra, indray Aho, hampiely azy any amin’ ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ ny tany samy hafa,
24 darum daß sie meine Gebote nicht gehalten und meine Rechte verachtet und meine Sabbate entheiliget hatten und nach den Götzen ihrer Väter sahen.
satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin’ ny razany.
25 Darum übergab ich sie in die Lehre, so nicht gut ist, und in Rechte, darin sie kein Leben konnten haben,
Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
26 und verwarf sie mit ihrem Opfer, da sie alle Erstgeburt durchs Feuer verbrannten, damit ich sie verstörte und sie lernen mußten, daß ich der HERR sei.
Dia nandoto azy tamin’ ny fanatiny Aho, dia tamin’ ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.
27 Darum rede, du Menschenkind, mit dem Hause Israel und sprich zu ihnen: So spricht der HERR HERR: Eure Väter haben mich noch weiter gelästert und getrotzet.
Koa mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely, ry zanak’ olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ izao no mbola nanamavoan’ ny razanareo Ahy tamin’ ny nivadihany tamiko:
28 Denn da ich sie in das Land gebracht hatte, über welches ich meine Hand aufgehoben hatte, daß ich's ihnen gäbe: wo sie einen hohen Hügel oder dicken Baum ersahen, daselbst opferten sie ihre Opfer und brachten dahin ihre feindseligen Gaben und räucherten daselbst ihren süßen Geruch und gossen daselbst ihre Trankopfer.
Nony nitondra azy ho any amin’ ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
29 Ich aber sprach zu ihnen: Was soll doch die Höhe, dahin ihr gehet? Und also heißt sie bis auf diesen Tag die Höhe.
Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin’ ny fitoerana avo alehanareo? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
30 Darum sprich zum Hause Israel: So spricht der HERR HERR: Ihr verunreiniget euch in dem Wesen eurer Väter und treibet Hurerei mit ihren Greueln
Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,
31 und verunreiniget euch an euren Götzen, welchen ihr eure Gaben opfert und eure Söhne und Töchter durchs Feuer verbrennet, bis auf den heutigen Tag; und ich sollte mich euch vom Hause Israel fragen lassen? So wahr ich lebe, spricht der HERR HERR, ich will von euch ungefragt sein!
ary mandoto tena amin’ ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin’ ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32 Dazu, daß ihr gedenket, wir wollen tun wie die Heiden und wie andere Leute in Ländern, Holz und Stein anbeten, das soll euch fehlen!
Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny vato aman-kazo.
33 So wahr ich lebe, spricht der HERR HERR, ich will über euch herrschen mit starker Hand und ausgestrecktem Arm und mit ausgeschüttetem Grimm;
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
34 und will euch aus den Völkern führen und aus den Ländern, dahin ihr verstreuet seid, sammeln mit starker Hand, mit ausgestrecktem Arm und mit ausgeschüttetem Grimm;
Ary amin’ ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin’ ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo.
35 und will euch bringen in die Wüste der Völker und daselbst mit euch rechten von Angesicht zu Angesicht.
Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36 Wie ich mit euren Vätern in der Wüste bei Ägypten gerechtet habe, ebenso will ich auch mit euch rechten, spricht der HERR HERR.
Tahaka ny nifandaharako tamin’ ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
37 Ich will euch wohl unter die Rute bringen und euch in die Bande des Bundes zwingen.
Ary hampandaloviko eo ambanin’ ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin’ ny fanekena.
38 Und will die Abtrünnigen, und so wider mich übertreten, unter euch ausfegen; ja, aus dem Lande, da ihr jetzt wohnet, will ich sie führen und ins Land Israel nicht kommen lassen, daß ihr lernen sollt, ich sei der HERR.
Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
39 Darum, ihr vom Hause Israel, so spricht der HERR HERR: Weil ihr denn mir ja nicht wollt gehorchen, so fahret hin und diene ein jeglicher seinem Götzen; aber meinen heiligen Namen laßt hinfort ungeschändet mit euren Opfern und Götzen!
Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.
40 Denn so spricht der HERR HERR: Auf meinem heiligen Berge, auf dem hohen Berge Israel, daselbst wird mir das ganze Haus Israel und alle, die im Lande sind, dienen; daselbst werden sie mir angenehm sein, und daselbst will ich eure Hebopfer und Erstlinge eurer Opfer fordern mit allem, das ihr mir heiliget.
Fa ao an-tendrombohitro masìna, dia ao an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ ny taranak’ Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ ny zava-masinareo rehetra,
41 Ihr werdet mir angenehm sein mit dem süßen Geruch, wenn ich euch aus den Völkern bringen und aus den Ländern sammeln werde, dahin ihr verstreuet seid, und werde in euch geheiliget werden vor den Heiden.
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ ny hitondrako anareo mivoata avy any amin’ ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masìna eo anatrehan’ ny jentilisa Aho amin’ ny hataoko aminareo.
42 Und ihr werdet erfahren, daß ich der HERR bin, wenn ich euch ins Land Israel gebracht habe, in das Land, darüber ich meine Hand aufhub, daß ich's euren Vätern gäbe.
Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
43 Daselbst werdet ihr gedenken an euer Wesen und an all euer Tun, darinnen ihr verunreiniget seid, und werdet Mißfallen haben über alle eure Bosheit, die ihr getan habt,
Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
44 und werdet erfahren, daß ich der HERR bin, wenn ich mit euch tue um meines Namens willen und nicht nach eurem bösen Wesen und schädlichem Tun, du Haus Israel, spricht der HERR HERR.
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
45 Und des HERRN Wort geschah zu mir und sprach:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
46 Du Menschenkind, richte dein Angesicht gegen den Südwind zu und träufe gegen den Mittag und weissage wider den Wald im Felde gegen Mittag.
Ry zanak’ olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny ala amin’ ny tany atsimo.
47 Und sprich zum Walde gegen Mittag: Höre des HERRN Wort! So spricht der HERR HERR: Siehe, ich will in dir ein Feuer anzünden, das soll beide, grüne und dürre Bäume, verzehren, daß man seine Flamme nicht wird löschen können, sondern es soll verbrannt werden alles, was vom Mittage gegen Mitternacht stehet.
Ary lazao amin’ ny ala amin’ ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’ i Jehovah: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main’ ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
48 Und alles Fleisch soll sehen, daß ich, der HERR, es angezündet habe und niemand löschen möge.
Ka dia ho hitan’ ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
49 Und ich sprach: Ach, HERR HERR, sie sagen von mir: Dieser redet eitel verdeckte Worte.
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin’ ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?