< Maatosa 5 >
1 Daro derey shiiqidaysa beyida wode Yesusay pude zuma bolla kezidi utides, iza kaalizaytika izakko yida.
Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Izikka ista hizigidi tamarso oykides.
Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
3 ayanan bena kawushizayti anjetidayta ays gikko salo kawothi istasa.
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
4 qadhetizayti anjetidayta ays gikko isti ministana.
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
5 ashketi anjetidayta ays gikko isti biitta latana.
Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
6 xiloteth gafetizaytine saamotizayti anjetidayta ays gikko isti kalana.
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
7 asas lo7o othizayti anjetidayta ays gikko istikka lo7oy othistana??
Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
8 wozana xilloti anjtidayta ays gikko isti Xoos beyana.
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,
9 saroteth oothizayti anjetidayta ays gikko isti xoosa nayta geeteti xeygistana.
Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.
10 xillotetha gish goodetizayti anjetidayta ays gikko salo kawotethi istasa.
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
11 Ta gedon asay intena cayikko, goodikonne iita yo wordora inte bolla haasa7ikko inte anjetidayta.
Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12 Inte salon demana waagay keehi gita gidida gish ufaysan guppitte. Ays gikko intefe kase nabetakka hessaththo gooddida.
Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13 inte ha biita asas maxine mala. Maxiney ba mal7otetha yediza gidiko zaridi demanas danda7ize? gede kare yegetidi yedheteespe atin.
Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.
14 Inte deres po7o. Zuma bola diza katamaya qotistanas danda7uku.
Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Asi xoomppe oythidi kethan diza asa wursos po7ana mala dhoqason wothetes atin gema son wothi eretena.
Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.
16 Hesathokka asay inte lo7o otho beydi inte salon diza inte aawa bonchana mala inte po7oy asa sinthan po7o.
Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
17 Tani Musse wogane nabeta qaala sharana yida intes milatopo; polanas yadis atin sharanas yabeykke.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
18 Ta intess tumu gays, saloyne bitay adhana gakanas Musse wogay wuri polistana atin wogappe isi pidaleykka woykko issi qerinakka shaaretuku.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
19 Hessa gish onikka ha azazoyntafe guxizaro gidikokka othonta yegi adhikko, hankoytakka yedhi adhana mala tamarsikko salo kawotethan he uray guth geteti xeygistana. Gido atin hayta azazota othi polishe hankoyta polana mala tamarsikko izi salo kawotethan gta getistana.
Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
20 Ta intes gays, inte xillotethi Parsawistapene Musse woga tamarsizayta xillotethafe aadhonta agikko salo kawoteth gelana danda7ekista.
Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
21 Kasse asatas wodhopa, wodhida ura bolla pirdistana getetidaysa inte siydista.
Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
22 Ta qasse intes gizay ba isha bolla wogay baynda hanqetiza ura bolla pirdistana, onikka ba isha napay gizadey dere dulata sinthan oychistana, eya giza ura ganame tama pirday naages. (Geenna )
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna )
23 Hessa gish neni yarsho shishizason Xoossas yarshana gishin ne ishay ne bolla michetidazi nes qofetikko,
Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24 ne yarshizaysa hen yarshoson aga gada koyro bada ne ishara giga, hessafe guye simada ne yarshoza Xoossas shisha.
dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25 nena kasasida ne morkey ne bolla pirdsonta mala pirdiza danay qachizaysas nena athi imonta mala qasho kethan ne wodhontamala buro ogge bolla dashe ne morkke urara elela giga gida.
Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26 Ta nes tumu gays izi pirdisi wursida gidikko wusetha isi santimiyo qanxana gakans qashoppe birshistakka.
Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
27 laymatoppa gizaysa inte siydista
Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
28 Tani gidikko intena hiz gays macasha amo ayferra xelida uray wuri ba wozinan izira laymatadess.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
29 Nagara othans ne oshacha ayfey nes gaso gidiko neppe kessa wora yega, ne asatethay kumeth gede ganame taman yegistanape ne asatethafe isay pacikko lo7o. (Geenna )
Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo. (Geenna )
30 Ne oshacha kushey nagara othos gaso gidiko neppe qanxa diga ne asatethay kumeth ganamen yegistanaysafe ne asatethafe issi bilitey ness pace gidiko lo7o. (Geenna )
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo. (Geenna )
31 machcho anjizadey anjida firma waraqata izis imana beses getetidees.
Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.
32 Tani qasse intena hizgays hara urara laymatishin beyonta dishe ba maco anjizadey wuri iza laymatana mala othes. Hesathokka anjetizaro ekizadeykka laymatida mala qodetes.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
33 kasse asatas wordo caqofa; Xoossa sinthan ne caqidaysa naga getetidaysa inte siyidista.
Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’ i Jehovah ny fianiananao.
34 Ta qass intena aykkokka caqofite gays saloy Xoossa wonbara gidida gish salon caqofite.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin’ ny lanitra, fa seza fiandrianan’ Andriamanitra izany;
35 Bitay Xoossa soy shempizaso gidida gish bitankka caqopite woga kawo katama gidida gish Yerusalamenkka caqopite.
na amin’ ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’ i Jerosalema, fa tanànan’ ny Mpanjaka lehibe izany.
36 Inte hu7enikka caqopite inte hu7e iskistappe issineyokka bothu woykko kareth histanas danda7ekista.
Aza mianiana amin’ ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
37 hessa gish inte inte garsan hasa7etishin inte hasa7ay E ganaz E gite akkay ganas akkay gite, hessappe kare gididay wuri ita urappe yizaza.
Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
38 Ayfe gishas ayfe acha gishas acha getetidaysa inte siyidista
Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
39 Ta kass intes gizay ita othida urara eqetofite gido attin nes oshacha shagala baqizades hankoysakka yusha bessa.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
40 Issi uray ne garsara maydaysa neppe ekkanas nena motikko bolara maydaysakka gujada izas imma
Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
41 Issi ass nena issi sate ooge ne bana mala wolqathikko issippe nam7u dakko gidana ogge iza bays.
Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
42 Nena wosizades imma, neppe tal7e ekkanas koyzades zokko zaroppa.
Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
43 Ne lagge siqa, ne morke siqa getetidaysa siyidista
Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
44 Ta qass intena inte morketa dosite, intena godizaytas wosite gays.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
45 Inte hessaththo othikko inte salo awas nayta gidana. Izi awa arshe itatasine lo7otas issi bola omo imess irakka xilotasine nagaranchatas issi bola bukises.
mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
46 Intena dosizayta xalala inte dosikko intes aza wagay dize? Qaraxa ekizayti hessaththo othetene?
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47 Inte ishata xala inte sarothikko hankoytappe azan lo7eti? amnontaytikka hessaththo othetes.
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
48 hessa gish inte salo away wothoy bayndade gidida mala intekka wothoy bayndade gidite.
Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.